Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Takodara

Takodara

[Heb.: dokifat].

Mitovitovy habe amin’ny voromailala manifinify ny takodara (Upupa epops), izay toy ny lokon’ny kanelina ny volony, ary misy tsipika lehibe mainty sy fotsy ny elany sy lamosiny. Ny sangany misy tendrony fotsy sy mainty anefa no tena mampiavaka azy. Avy eo am-pototry ny vavany lava mifaingoka ka hatreo amin’ny hatony ilay sanga. Mareva-doko ilay vorona saingy tsy madio, satria ao anaty tany sy diky misavovona ary loto hafa ny vavany maranitra no mikaroka bibikely. Maloto sy maimbo koa ny akaniny noho ny menaka avoakan’ny fihariny sy ny dikiny avelany ao. Anisan’ny vorona maloto ka tsy navelan’ny Lalàn’i Mosesy hohanina àry ny takodara, na dia tsy mpihaza na mpihinana fatim-biby aza.​—Le 11:13, 19; De 14:12, 18.

Takodara, vorona tsara tarehy saingy tsy madio

Fahita eran’ny faritra atsimon’i Azia sy any Afrika ary Eoropa ny takodara. Mifindra monina mankany Palestina izy io eo am-piandohan’ny Martsa, fa rehefa ririnina indray vao mianatsimo mankany Ejipta sy ny faritra avaratr’i Afrika.

“Lavasanga” io vorona io, hoy ny Baiboly sasany (Le 11:19; De 14:18, Kat.), nefa tsy izany intsony no ampiasain’ny Baiboly maoderina. “Takodara” (epôps, LXX; upupa, Vg) izy io, hoy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina, ary manamafy izany ny anarany amin’ny teny syriàka (kakofa) sy arabo (hododo).

Mitovy amin’ny feony hafakely toy ny an’ny voromailala, hono, ny fanononana ny hoe dokifat (heb.), hoatran’ny fanononana ny anarany amin’ny fiteny hafa voalaza teo aloha ihany. Misy indray milaza fa avy amin’ny matoanteny hebreo midika hoe “mitoto” (ampit. No 11:8) ny hoe dokifat, satria mihady tany ny takodara rehefa mitady sakafo.