Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Talenta

Talenta

Lanja mavesatra indrindra sy sandam-bola ambony indrindra fampiasan’ny Hebreo. (Ek 38:29; 2Sa 12:30; 1Mp 10:10; 2Mp 23:33; 1Ta 29:7; 2Ta 36:3; Ezr 8:26) Nilanja 34,2 kg ny talenta iray, satria mitovy amin’ny mina 60 na sekely 3000. (Ek 38:25, 26; jereo MINA, FARANTSA.) Mitentina 6606 dolara ny talenta volafotsy iray, ary 385 350 dolara ny talenta volamena.

Drakma grika 100 ny mina na farantsa iray tamin’ny taonjato voalohany. Midika izany fa 20,4 kg ny talenta iray mitovy amin’ny farantsa 60, izany hoe latsaka kokoa noho ny tao amin’ny Soratra Hebreo. Mitentina 3924 dolara àry ny talenta volafotsy iray nampiasaina tamin’ny taonjato voalohany, ary 228 900 dolara ny talenta volamena.

Handravarava ireo havandra an’ohatra milanja 20 kg eo ho eo avy (‘talenta iray’, Prot.), resahin’ny Apokalypsy 16:21.