Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Talmay

Talmay

1. Rahalahin’i Ahimana sy Sesay, zanak’i Anàka. (No 13:22; Js 15:14; Mpts 1:10; jereo AHIMANA No. 1.) Misy manam-pahaizana milaza fa i Talmay ilay lehilahy lava ranjanana sady fotsy hoditra atao hoe Tanmaho, resahin’ny soratra ejipsianina fahiny miendrika kisarisary. Hita ao amin’ny soratra Ras Shamra tamin’ny andron’ny Mpitsara koa ilay hoe Talmay, izay anarana kananita.

2. Zanakalahin’i Amihoda sady mpanjakan’i Gesora. (2Sa 13:37) Zanak’i Talmay i Maka vadin’i Davida izay niteraka an’i Absaloma. (2Sa 3:3; 1Ta 3:2) Nandositra tany amin’i Talmay raibeny i Absaloma, rehefa avy namono an’i Amnona izay nametaveta an’i Tamara anabaviny.​—2Sa 13:28, 29, 37, 38.