Tamara
(Tamàra) [Palmie].
1. Vinantovavin’i Joda zanakalahin’i Jakoba. Nanambady an’i Era lahimatoan’i Joda mantsy i Tamara. Lasa mpitondratena anefa izy rehefa maty novonoin’i Jehovah i Era satria nanao ratsy. Nasaina nanambady azy i Onana rahalahin’i Era, nefa tsy nety nitondra loloha na nanome taranaka azy ka novonoin’i Jehovah koa. Mpitondratena indray i Tamara ary mbola tsy niteraka. Tsy nomen’i Joda azy avy hatrany anefa ny zanany lahy fahatelo. Mody nanao mpivaro-tena àry i Tamara mba hanaovan’i Joda firaisana taminy. Fetsifetsy izy ka nalainy ho antoka ny zavatra teny amin’i Joda, izany hoe peratra fanombohan-kase sy ny tadiny ary tehina. Fantatr’i Joda tatỳ aoriana fa bevohoka i Tamara, ka nasainy notoraham-bato sy nodorana avy hatrany. (Ampit. Jos 7:15, 25.) Ahoana anefa rehefa fantany fa izy no rain’ilay zaza ary tetika nataon’i Tamara izany mba hisian’ny mpandova? Hoy i Joda: “Marina noho izaho izy.” Teraka i Tamara tatỳ aoriana. Saro-piterahana izy nefa nahazo kambana roa lahy ihany, dia i Pereza sy Zera. (Ge 38:6-30) Avy tamin’i Pereza no niavian’ny Mesia.—Rt 4:12, 18-22; 1Ta 2:4; Mt 1:3.
2. Zanakavavin’i Davida Mpanjaka. Anabavin’i Absaloma, iray ray sy iray reny taminy, i Tamara. Tsara tarehy izy. (1Ta 3:9; 2Sa 13:1) Lasa raiki-pitia taminy i Amnona zokiny lahy hafa reny. Nanao hafetsena i Amnona ka vitany ny nametaveta an’i Tamara, na dia nanohitra aza i Tamara. Nanambitamby an’i Tamara i Absaloma, ka nasainy nijanona tao an-tranony i Tamara. Namaly faty anefa i Absaloma, roa taona tatỳ aoriana, ka nampamono an’i Amnona.—2Sa 13:1-33.
3. Zanakavavin’i Absaloma. Azo inoana fa nampitondraina ny anaran’ny nenitoany (No. 2) izy. (2Sa 14:27) Tsara tarehy be izy, toa an-drainy ihany. Angamba izy nanambady an’i Oriela. Raha marina izany, dia izy no renin’i Maka, ilay vady tian’i Rehoboama indrindra.—2Ta 11:20, 21; 13:1, 2.
4. Anisan’ireo tanàna naorin’i Solomona Mpanjaka. Mety ho naoriny indray na nataony lasa voaro mafy izy io. (1Mp 9:17-19) Voalaza fa “tao amin’ilay tany” ny tanànan’i Tamara. (1Mp 9:18) Midika angamba izany fa tao amin’ny faritanin’ny Israelita izy io. Nilaza ilay mpikaroka atao hoe Yohanan Aharoni fa i ʽAin Hosb (ʽEn Hazeva) no Tamara. Tokotokony ho 30 km eo ho eo, any atsimo atsimoandrefan’ny Ranomasina Maty, i ʽAin Hosb. Nilaza izany io mpikaroka io rehefa avy nampitaha ny famaritana ny sisin-tanin’i Kanana ao amin’ny Nomery 34:3-6 sy Josoa 15:1-4 ary Ezekiela 47:19; 48:28.
“Tadmora” no tanàna resahin’ny 2 Tantara 8:4, izay andinin-teny mifanitsy amin’ny 1 Mpanjaka 9:18. Tanàna hafa anefa izy io, ary maro no mihevitra azy io ho i Palmyra.—Jereo TADMORA.