Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanàna

Tanàna

Toerana lehibe kokoa noho ny tanàna kely, ary misy olona maro miara-monina. Miverina efa ho in-1100 ny teny hebreo hoe ʽir (“tanàna”) ao amin’ny Baiboly. Kiryah koa no ilazana ny hoe ʽir indraindray, na miaraka ampiasaina ireo teny ireo, toy ny voalazan’ireto andininy ireto: “Dia hantsoina hoe Tanànan’ny [ʽir] Fahamarinana sy Tanàna [kiryah] Tsy Mivadika ianao.” “Fa nahoana àry no tsy nilaozana ilay tanàna [ʽir] noderaina fatratra, dia ilay tanàna [kiryah] nahafaly?”​—Is 1:26; Je 49:25.

Samy nadika hoe “tanàna kely” ny teny hebreo hoe hatserim sy kefarim, ary nadika hoe “tanàna miankina amin’ny tanàna hafa” ny hoe banôt. Tsy nitovy tamin’ny “tanàna” nahazatra anefa izy ireny, satria tsy voahodidina manda sady tany ambanivohitra. (1Sa 6:18) Natao hoe ‘tanàna niankina tamin’ny [a.b.t.: zanakavavin’ny] tanàna hafa’ ireo teny akaikin’ny tanàna nisy manda na voaro mafy. (No 21:25; jereo TANÀNA MIANKINA AMIN’NY TANÀNA HAFA.) Navahan’ny Lalàn’i Mosesy tsara koa ny didy momba ny tanàna nisy manda sy ny tanàna kely tsy nisy manda. Raha nivarotra ny tranony, ohatra, ny olona tao amin’ny tanàna kely tsy nisy manda, dia nanan-jo hanavotra azy io foana izy na naverina taminy izy io rehefa taon-jobily. Raha trano tao amin’ny tanàna nisy manda kosa no namidy, dia tao anatin’ny herintaona ihany izy io no azon’ny tompony navotana, fa raha tsy izany dia lasa fananan’ilay nividy azy. Ny tanànan’ny Levita ihany no tsy voakasik’izany. (Le 25:29-34) Navahan’ny Soratra Grika Kristianina koa ny hoe pôlis (“tanàna” nisy manda) sy hoe kôme (“tanàna kely” tsy nisy manda). Azo adika hoe “tanàna” na “tanàna kely” ny hoe kômôpôlis (gr.) ao amin’ny Marka 1:38. Nantsoin’i Jaona hoe “tanàna kely nonenan’i Davida” i Betlehema, fa i Lioka kosa niantso azy io hoe tanàna satria fantany fa nasian’i Rehoboama fiarovana mafy izy io.​—Jn 7:42; Lk 2:4; 2Ta 11:5, 6.

I Kaina no voalohany nanorina tanàna, izay nampitondrainy ny anaran’i Enoka zanany. (Ge 4:17) Nety ho nisy tanàna hafa koa talohan’ny Safodrano (2370 T.K.), saingy safotry ny rano izy ireny ka tsy fantatra ny anarany. I Babela, Ereka, Akada, ary Kalne no tanàna voalohany naorin’i Nimroda tany Sinara rehefa nanjaka izy, taorian’ny Safodrano. Naoriny koa avy eo i Ninive, Rehobota-ira, Kala, ary Resena (antsoina hoe “tanàna lehibe” izy efatra) tany avaratra, tany amin’ny Lohasahan’i Mezopotamia. (Ge 10:10-12) Tsy nanorina tanàna kosa ny loham-pianakaviana fahiny toa an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa mpivahiny nitoetra an-tranolay rehefa tany Kanana sy Ejipta. (He 11:9) Lasa nisy tanàna maro voaro mafy anefa tany Kanana tatỳ aoriana, araka ny tatitr’ireo mpitsikilo.​—No 13:28; De 9:1.

Antony nanorenana tanàna. Naorina izy ireny mba hahazoana fiarovana, hanaovana raharaham-barotra, na noho ny antony ara-pivavahana. Ny fivavahana no anisan’ny tena antony nanorenana tanàna maro fahiny, rehefa jerena ireo tempoly maro ngezabe hitan’ny mpikaroka. Iray amin’izany ny tanànan’i Babela, izay nisy tilikambo fivavahana. Hoy ireo nanorina azy: “Andao isika hanorina tanàna sy hanangana tilikambo izay mahatakatra ny lanitra ny tampony. Ary andao hataontsika izay hampahalaza ny anarantsika, sao hiparitaka manerana ny tany isika.” (Ge 11:4-9) Ny tahotra sao hotafihin’olona tia ady ka handevoziny no antony hafa nahatonga ny olona hivondrona tao anaty tanàna. Nasian’izy ireo manda nanodidina ny tanànany, ary nohidiany ny vavahady rehefa alina sy rehefa nisy loza nananontanona.​—Js 2:5; 2Ta 26:6.

Namboly sy niompy tany ivelan’ny manda ireo mponina tao an-tanàna matetika. Nisy kosa nanao asa tanana. Fitehirizana entana, foibe ara-barotra, ary tsena ny tanàna sasany. Toerana fanondranana sy fanakalozana entana ho an’ny mpanao dia an-dranomasina sy mpivaro-mandeha ny tanàna toa an’i Tyro sy Sidona ary Jopa.​—Ezk 27.

Kely ny tanàna maro taloha, fa tatỳ aoriana vao lasa tanàn-dehibe. Nisy mihitsy aza lasa tanàna fanjakana nahitana olona ana hetsiny. Nanjary teo am-pelatanan’ny mpitondra sy mpitari-tafika vitsivitsy monja àry ny fitondrana sy ny fitsarana. Lohandohan’ny mpisorona mpanao didy jadona koa matetika no nifehy ny fiainan’ny mponina tao an-tanàna. Hafa tanteraka kosa ny tanàna israelita. Olona notendren’Andriamanitra no nifehy azy ireny, ary adidiny ny nampihatra ny lalàna nomen’Andriamanitra. I Jehovah no tena Mpanjaka sy Mpanome Lalàna ary Mpitsaran’ilay firenena, ary faly ny vahoaka rehefa nanao tsara ny andraikiny ny solontenan’Andriamanitra.​—Is 33:22; Ezr 7:25, 26; Oh 29:2.

Fifidianana toeram-panorenana. Niankina tamin’ny toe-javatra maromaro ny safidy. Natao tamin’ny toerana avo matetika ny tanàna, satria tena nila narovana izy ireny. Sarotra notafihina àry izy ireny, na dia mora tazana aza. (Mt 5:14) Nahalana kosa vao nisy tanàna naorina teny amoron’ny ranomasina na renirano. Nasiana manda lehibe na manda sy tilikambo koa matetika, ary hadivory mihitsy aza indraindray, nanodidina ny ankamaroan’ny tanàna. (2Mp 9:17; Ne 3:1–4:23; 6:1-15; Da 9:25) Nila nitarina tsindraindray ny manda rehefa nihalehibe ny tanàna. Nisy vavahady mafy be koa niaro ny tanàna, ka tsy mora tafiditra ny fahavalo na dia nanao fahirano ela be aza. (Jereo MANDA, RINDRINA; TOERANA VOARO MAFY; VAVAHADY.) Tsy voaro tamin’ny mpanafika kosa matetika ny saha sy kijana ary faritra nanodidina ny tanàna, satria tany ivelan’ny manda.​—No 35:1-8; Js 21:41, 42.

Tsy maintsy nojerena koa raha nisy rano teo akaikin’izay toerana nofidina hanorenana tanàna. Tombony be ho an’ny tanàna iray àry ny nanana loharano na lavadrano tao anaty mandany. Nanana tionelin-drano sy lakandrano ambanin’ny tany, izay nitarihana rano avy tany amin’ny loharano tany ivelany, ny tanànan’i Megido sy Gibeona ary Jerosalema. (2Sa 5:8; 2Mp 20:20; 2Ta 32:30) Nasiana lavaka fanangonana sy fitehirizana ranonorana koa tao an-tanàna matetika. Feno lavaka fanangonan-drano ny toerana sasany, satria samy nanana ny azy ny tokantrano.​—2Ta 26:10.

Nisy itovizana be ny endriky ny tanàna maro fahiny, satria nitovy ny antony nanorenana azy. Na ankehitriny aza mbola misy tanàna mitovy be amin’ireo naorina roa na telo arivo taona lasa izay, satria tsy dia nisy fiovana firy. Raha vao niditra teo am-bavahadin’ny tanàna ny olona iray, dia tonga teo amin’ny tsena na tany malalaka. Teo ny olona no nividy sy nivarotra, nanao fifanarahana teo anatrehan’ny vavolombelona (Ge 23:10-18; 2Mp 7:1; Na 2:4), na nifampita vaovao (Ne 8:1, 3; Je 17:19). Teo koa ny anti-panahy no nitsara (Rt 4:1-10), ary teo ny vahiny no natory tamin’ny alina raha sendra tsy nisy nampiantrano. (Mpts 19:15-21) Nisy trano natokana ho an’ny vahiny tao amin’ny tanàna sasany.​—Js 2:1; Mpts 16:1; Lk 2:4-7; 10:35; jereo TRANOMBAHINY.

Manokana ny tanàna sasany. Natao fitehirizana entana sy vokatra ho an’i Farao, ohatra, i Pitoma sy Ramesesa izay naorin’ireo andevo israelita. (Ek 1:11) Nisy tanàna nataon’i Solomona fitehirizana entana sy vokatra, fanatobiana kalesy, ary tanànan’ny mpitaingin-tsoavaly. (1Mp 9:17-19) Nanao tanàna fitehirizana entana sy vokatra koa i Josafata. (2Ta 17:12) Nisy tanàna 48 natokana ho an’ny Levita, ka ny 13 ho an’ny mpisorona ary ny 6 ho tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona tsy nahy.​—No 35:6-8; Js 21:19, 41, 42; jereo TANÀNA FANATOBIANA KALESY; TANÀNA FIALOKALOFANA; TANÀNAN’NY MPISORONA.

Mety ho fantapantatra ny haben’ny tanàna maro fahiny, rehefa dinihina ny sisa tsy rava tamin’ny mandany. Saro-pantarina kosa hoe firy marina ny mponina tao. Tanàna tena lehibe, ohatra, i Ninive satria resahin’ny Baiboly fa “tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany” izy io.​—Jo 4:11; 3:3.

Mety ho antony nanomezana anarana tanàna sasany ao amin’ny Baiboly ny toerana nisy azy, ny mombamomba azy, izay resahin’ny faminaniana momba azy, na ny razamben’ny mponina tao. (Ge 11:9; 21:31; Mpts 18:29) Mba hanavahana tanàna roa nitovy anarana, dia nampiana ny anaran’ilay foko nonina tao ny iray. Nisy, ohatra, natao hoe ‘Betlehema tany Joda’ satria nisy Betlehema koa tany Zebolona. (Mpts 17:7; Js 19:10, 15) Nisy kosa tanàna tafiditra tao amin’ny faritanin’ny foko hafa.​—Js 16:9; jereo TANÀNA TAFIDITRA AO AMIN’NY FARITANIN’NY FOKO HAFA.

Heviny an’ohatra. Manana heviny an’ohatra ny tanàna sasany ao amin’ny Soratra Hebreo. (Oh 21:22; Je 1:18) Niresaka tanàna i Jesosy rehefa nanao fanoharana (Mt 12:25; Lk 19:17, 19), ary nanao toy izany koa i Paoly rehefa nampiasa sarin-teny. (He 11:10, 16; 12:22; 13:14) Ireto avy ny tanàna an’ohatra ao amin’ny Apokalypsy: “Ny tanàna masina” nohitsahin’ireo firenena (Ap 11:2), “ilay tanàna lehibe” nantsoina hoe Sodoma sy Ejipta (Ap 11:8), ilay “tanàna lehibe” dia i “Babylona” (Ap 18:10-21; 17:18), ary “ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao, nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra sady efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny.”​—Ap 21:2-27; 22:14, 19; 3:12.