Tanàna Fialokalofana
Mazava ny lalàn’i Jehovah hoe masina ny ra. Nandoto ny tany nonenan’ny zanak’Israely ny fandatsahana ran’olona satria nitoetra teo anivon’izy ireo i Jehovah, ka tsy nisy fandrakofam-pahotana raha tsy nalatsaka koa ny ran’ilay nandatsa-dra. (Ge 9:5, 6; No 35:33, 34) “Tsy maintsy” novonoin’ny mpamaly ra àry izay namono olona, araka ilay lalàna hoe ‘aina solon’ny aina.’ (Ek 21:23; No 35:21) Ahoana kosa raha nisy nahafaty olona tsy nahy? Mety ho nitsoaka tampoka, ohatra, ny lelan’ny famaky nampiasainy, ka nahafaty tsy nahy ny rahalahiny izy. (De 19:4, 5) Be fitiavana i Jehovah ka nanome tanàna fialokalofana enina, mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy. Afaka nitady fiarovana sy fialokalofana tao izy ireo, mba tsy ho azon’ny mpamaly ra.—No 35:6-32; Js 20:2-9.
Toerana. Nifidy tanàna telo tany atsinanan’i Jordana i Mosesy, talohan’ny nahafatesany. Voalohany, i Bezera tany atsimo, teo atsinanan’ny farany avaratry ny Ranomasina Maty, teny amin’ny lembalemba nisy ny faritanin’ny fokon’i Robena. Faharoa, i Ramota tany Gileada. An’ny fokon’i Gada izy io, ary teo afovoan’ilay faritra atsinanan’ny tany nonenan’ny Israely. Fahatelo, i Golana tany Basana, tany avaratra, tao amin’ny faritanin’i Manase. (De 4:43; Js 21:27, 36, 38) Nifidy tanàna telo hafa koa i Josoa, rehefa niampita tany andrefan’i Jordana ny Israelita: Hebrona tany atsimo, tao amin’ny faritanin’i Joda; Sekema teo afovoany, teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima; ary Kedesy tany avaratra, tany amin’ny faritanin’i Naftaly izay nantsoina tatỳ aoriana hoe faritr’i Galilia. (Js 21:13, 21, 32) Tanànan’ny Levita izy rehetra ireo, afa-tsy i Hebrona izay tanànan’ny mpisorona. Nohamasinina koa ireo tanàna fialokalofana ireo.—Js 20:7.
Lalàna momba an’ireo nandositra tao. Nankeo am-bavahadin’ny tanàna fialokalofana izay olona nandositra tao, mba hanazava teo anatrehan’ny anti-panahy hoe inona no nataony. Noraisina tsara izy taorian’izay. Nila nanaporofo anefa izy hoe tsy nanan-tsiny, satria tsy natao ho an’ireo ninia namono olona ilay fandaharana. Notsaraina teo am-bavahadin’izay tanàna niandraikitra ny faritra nitrangan’ilay vonoan’olona tsy nahy àry izy aloha. Naverina tao amin’ny tanàna fialokalofana izy, raha hita hoe tsy nanan-tsiny. Tsy maintsy nijanona tao mandra-pahafatiny anefa izy na mandra-pahafatin’ny mpisoronabe, raha tiany ho voaro ny ainy. Tsy nisy vidim-panavotana azo nekena hoenti-manavotra azy mantsy. (No 35:22-29, 32; Js 20:4-6) Hita tamin’ny ohatr’i Joaba, fa tsy voaro ny mpamono olona na dia nankeo amin’ ny alitara masin’i Jehovah aza.—Ek 21:14; 1Mp 1:50; 2:28-34; jereo MPAMALY RA.
Nanasongadina ny fahamasinan’ny aina ny fandaharana nataon’i Jehovah hiarovana an’ireo nahafaty olona tsy nahy. Izy ireo ihany mantsy no nahazo niditra tao amin’ireo tanàna fialokalofana tany Israely, ary tsy maintsy nisy fepetra narahiny. Ireo toerana masin’ny firenena mpanompo sampy fahiny sy ireo fiangonan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina kosa azon’ny mpamono olona nialokalofana.