Tanàna Fitehirizana Entana sy Vokatra
Tanàna naorin’ny fanjakana, ary nasiany trano fitehirizana sakafo na vokatra na zavatra hafa.
Noterena hanorina ‘tanàna ho an’i Farao, ho fitehirizana entana sy vokatra, dia ny tanànan’i Pitoma sy Ramesesa’ ny andevo israelita tany Ejipta. (Ek 1:11) Nanorina tanàna toy izany koa i Solomona. (1Mp 9:17-19; 2Ta 8:4-6) “Nanorina toerana voaro mafy sy tanàna fitehirizana entana sy vokatra tao Joda” i Josafata Mpanjaka rehefa nanan-karena.—2Ta 17:12; jereo TRANO FITEHIRIZANA ENTANA SY VOKATRA.