Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanàna Miankina Amin’ny Tanàna Hafa

Tanàna Miankina Amin’ny Tanàna Hafa

Tanàna kely akaikin’ny tanàn-dehibe. Noharina tamin’ny “reny” ny tanàn-dehibe na renivohitry ny faritra iray, toy ilay hoe: “I Gata sy ny tanàna miankina aminy” (a.b.t.: I Gata sy ny zanany vavy). (1Ta 18:1) “Zanakavavin’i” Sidona i Tyro, satria naorina talohany i Sidona sady toa efa nanjanaka azy. (Is 23:8, 12; Ge 10:19; Js 11:8) Niankina tamin’i Jerosalema ireo tanànan’i Joda. (Sl 48:11; 97:8; Ft 3:51) Nisy hafa koa niankina tamin’ireto tanàna “reny” ireto: Samaria sy Sodoma (Ezk 16:53), Raban’ny taranak’i Amona (Je 49:3), Kenata (No 32:42), Ekrona (Js 15:45), Asdoda sy Gaza (Js 15:47), Beti-sana, Ibleama, Dora, En-dora, Tanaka, ary Megido (Js 17:11).

Avy tamin’ny tanàna “reny” ny tanàna “zanakavavy”, na niankina taminy teo amin’ny lafiny politika, toe-karena, ary indraindray fivavahana. Tsy nisy manda sy tsy dia voaro mafy izy ireny matetika, ka nandositra nankao amin’ny tanàna “reny” ny mponina tao rehefa nisy fahirano.​—Je 4:5; 8:14.

Ilazana an’ohatra an’i “Jerosalema any an-danitra” na ny Fanjakan’i Jehovah tantanan’i Jesosy Kristy i Jerosalema fahiny, izay toy ny ‘renin’ireo’ tanànan’i Joda. Hialoka ao amin’io tanàna an’ohatra io ireo mikatsaka fahamarinana, rehefa tonga “ny andro hamelezan’i Jehovah ny firenena rehetra.”​—He 12:22, 28; Ob 15, 17; Sl 48:11-13; Jl 2:32.

Oharina amin’ny vehivavy mpivaro-tena sy tanàna reny manan-janakavavy i Babylona Lehibe ao amin’ny Apokalypsy. (Ap 17) Fikambanana nipoitra avy aminy sy miankina aminy ireo zanany ireo, ka hiara-ringana aminy.​—Jereo TANÀNA.