Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanàna Tafiditra ao Amin’ny Faritanin’ny Foko Hafa

Tanàna Tafiditra ao Amin’ny Faritanin’ny Foko Hafa

Misy mitovitovy amin’izany koa ankehitriny: Tafiditra tao amin’ny faritanin’i Alemaina Atsinanana, ohatra, i Berlin Andrefana, ary ao anatin’ny tanànan’i New York ny toerana misy ny Firenena Mikambana. Tafiditra tao amin’ny faritanin’ny Israely ny tanànan’ny Jebosita, satria nisy ampahany tamin’i Jerosalema nonenan’izy ireo nandritra ny 400 taona, mandra-pandresin’i Davida azy ireo.​—Js 15:63; Mpts 1:21; 19:11, 12; 2Sa 5:6-9.

Tafiditra tao amin’ny faritanin’ny foko hafa ny tanànan’ny foko sasany, rehefa nozaraina tamin’ireo foko 12 ny Tany Nampanantenaina. “Tafiditra tao amin’ny lovan’ny taranak’i Manase” (TV), ohatra, ny tanànan’ny taranak’i Efraima, izany hoe nisy “tanàna natokana ho an’ny taranak’i Efraima teo amin’ny lovan’ny taranak’i Manase.” (Js 16:9, Prot.; jereo koa Js 17:8, 9.) Nisy taranak’i Manase koa nonina tao amin’ny faritanin’i Isakara sy Asera.​—Js 17:11; 1Ta 7:29.

Nomena tanàna ho lovany tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Joda i Simeona, satria ‘lehibe loatra ho azy ireo’ ny anjarany. (Js 19:1-9; SARINTANY, Boky 1, p. 744, 947) Tafiditra tao amin’ny faritanin’ny foko hafa daholo ireo tanàna 48 ho an’ny Levita, anisan’izany ireo tanàna fialokalofana 6. (Js 21:3-41) Tanteraka tokoa ny faminaniana nolazain’i Jakoba tamin’izy efa ho faty hoe: ‘Hahazo anjara amin’ny tanin’i Jakoba [i Simeona sy Levy], saingy hiparitaka any amin’ny Israely.’​—Ge 49:7.