Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Tanànan’i Jerosalema (Davida/Solomona)

Tanànan’i Jerosalema (Davida/Solomona)

NIFIDY an’i Jerosalema fahiny i Jehovah mba hampitoerana ny anarany. (2Ta 6:6) Foiben’ny fivavahana marina sy ny fitondrana teo amin’ny Israely izy io. Nolazaina hoe nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” izay mpanjaka tao Jerosalema.​—1Ta 29:23.

Norombahin’i Davida Mpanjaka tamin’ny Jebosita ilay tanàna voaro mafy teo amin’ny Tendrombohitra Ziona, ary nataony renivohitra. Nitarin’i Solomona ilay tanàna ary nataony lasa tsara tarehy sy be voninahitra: Nanao tempoly tsara tarehy sy fitambaran-tranom-panjakana miezinezina izy, teo amin’ny Tendrombohitra Moria sy teo amin’ny tehezan’izy io. Nisy akony tamin’ny anaran’i Jehovah izay nitranga tao Jerosalema.

Izany no mahatonga an’i Jerosalema hitana toerana lehibe ao amin’ny faminanian’ny Baiboly. Mety tsara àry raha oharina aminy ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny Fanjakan’ny Mesia izay hoentin’i Jesosy Kristy.

SARITANY: Jerosalema, Nandritra ny Fanjakan’i Davida sy Solomona

Ireo isa eo amin’ny sary 1) Tempoly. 2) Tokotany Lehibe. 3) Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana. 4) Lala-mitafo Maro Andry. 5) Trano Alan’i Libanona. 6) Lapan’i Solomona. 7) Tranon’ny Zanakavavin’i Farao. 8) Tohatohatra Mankao Amin’ny Tokotanin’ny Tempoly. 9) Lapan’i Davida. 10) Tranolay Misy ny Vata Masina. 11) Vavahadin-drano. 12) Vavahadin-doharano. 13) Vavahady Andrefana. 14) Vavahadin’ondry. 15) Vavahady Fanaraha-maso. 16) Vavahadin-tsoavaly