Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tandroka, Anjombona

Tandroka, Anjombona

Fasiana menaka na rano fisotro na ranomainty na zavatra fanatsaran-tarehy ny tandroka, tany Israely. Natao zavamaneno (anjombona) koa izy io na fitaovana notsofina ho famoriam-bahoaka.​—1Sa 16:1, 13; 1Mp 1:39; Ezk 9:2; jereo FITOERAN-DRANOMAINTIN’NY MPITAN-TSORATRA.

Anjombona sy famoriam-bahoaka. Ilazana tandroka ny hoe keren (heb.). (Ge 22:13) Nilazana zavamaneno tsofina koa izy io indray mandeha, ka nadika hoe “anjombona [heb.: keren]” ao amin’ny Josoa 6:5. Hita ao koa ny hoe shôhfar (heb.) izay ilazana foana anjombona vita amin’ny tandrok’ondry. Ankehitriny kosa izy io ilazana tandrok’ondry poakaty nohafanaina mba hahitsy, saingy natao mifaingoka miakatra ny sisiny. Mirefy 36 sm eo ho eo izy io ary nametahana fitsofana kely. Toa tsy nasiana fitsofana kosa ny shôhfar fahiny sady tsy nahitsy fa navela hifaingoka, hoy ny Talmoda.

Natao hamoriana vahoaka ny shôhfar. Notsofina, ohatra, izy io ho famoriana ny tafika israelita, indraindray ho “fanairana” hoe hanafika tanàna, ary ho fanomezana toromarika ny miaramila tany an’ady. (Mpts 3:27; 6:34; 2Sa 2:28; Jl 2:1; Ze 1:16) Notsofina koa ny shôhfar ho fampitandremana hoe nisy fahavalo nanafika. (Ne 4:18-20) Matetika no anjombona iray monja no notsofina rehefa nisy ady. Tsy mahagaga àry raha raiki-tahotra ny Midianita ka “nihazakazaka ny rehetra tao an-toby”, rehefa nandre ny feon’anjombona 300 notsofin’ireo 300 lahy naman’i Gideona. Noheveriny mantsy hoe nisy tafika lehibe nanafika azy.​—Mpts 7:15-22.

Notsofina ny anjombona isaky ny tsinam-bolana sy fiandohan’ny taon-jobily, ary tamin’ny fotoana hafa nahafaly. (Sl 81:3; Le 25:8-10; 2Sa 6:15; 2Ta 15:14) Anisan’ny zava-mahagaga teo an-tendrombohitra Sinay ny fisian’ny feon’anjombona, rehefa nanambara ny Lalàna i Jehovah. (Ek 19:16-19; 20:18) Toa efa fanao talohan’ny andron’i Kristy ny nitsoka shôhfar isaky ny nanomboka sy nifarana ny Sabata.

Toa nahay nitsoka shôhfar ny ankamaroan’ny Israelita. Nitsoka azy io ny mpisorona rehefa nihodidina an’i Jeriko, ary azo inoana fa nanao izany koa izy ireo rehefa nampahafantatra hoe nanomboka ny Jobily. (Js 6:4, 5, 15, 16, 20; Le 25:8-10) Maro no nahay nitsoka anjombona, matoa nitsoka azy io i Ehoda, Gideona sy ireo 300 lahy, Joaba, ary ny mpitily, izay nisy tsy Levita.​—Mpts 3:27; 6:34; 7:22; 2Sa 2:28; Ezk 33:2-6.

Mitovy dika amin’ny hoe shôhfar ny hoe yôhvel (heb.; “ondry”) ao amin’ny Eksodosy 19:13, ka nadika hoe “anjombona vita amin’ny tandrok’ondry.” Toa anisan’ny zavamaneno nampiasaina tany Babylona ny keren (aram.).​—Da 3:5, 7, 10, 15; jereo TROMPETRA.

Tandroky ny alitara. Nasiana tohiny lavalava toy ny tandroka ny zorony efatra tamin’ny alitaran’ny emboka manitra sy ny alitara fanaovana sorona, tao amin’ny tranolay masina. Nopetahana takelaka varahina na volamena izy ireny sy ireo alitara. (Ek 27:2; 37:25, 26) Nitovy tamin’ireo alitara ireo ihany angamba ny tao amin’ny tempolin’i Solomona.​—1Mp 6:20, 22.

Nohosoran’i Mosesy ran’ny omby natao fanatitra noho ny ota ny tandroky ny alitara mba ‘hodiovina ho afaka tamin’ny ota ilay alitara’, rehefa napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona. (Le 8:14, 15) Nasain’i Jehovah nohosoran’ny mpisorona ra koa ny tandroky ny alitara sasany, arakaraka ny sorona natao.​—Le 4:7, 18, 25, 30, 34; 16:18.

Vita sokitra ‘teo amin’ny tandroky ny alitarany’ ny fahotan’ny Joda (Je 17:1), ka naloto ireo alitara ary tsy nekena ny fanatitry ny Jodianina. Hozimbazimbain’i Jehovah ny alitara fanaovana sorona ho an’ny zanak’omby tao Betela, ka hotapahiny ny tandrok’ireny.​—Am 3:14.

Te hilaza angamba ny Eksodosy 21:14 fa tokony hovonoina ny mpamono olona na dia mpisorona aza, na hoe ho voasazy izay ninia namono olona, na dia nihazona ny tandroky ny alitara aza.​—Ampit. 1Mp 2:28-34.

Samy nisy tandroka ny alitara hitan’i Ezekiela sy Jaona tao amin’ny fahitana.​—Ezk 43:15; Ap 9:13, 14.

Heviny an’ohatra. Mety tsara hatao fitaovam-piadiana ny tandroka (heb.: keren; gr.: keras). Manana heviny an’ohatra izy io matetika ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ao amin’ny Soratra Hebreo. Noharina tamin’ny tandroka ny mpitondra sy tarana-mpanjaka, na tsara izy na ratsy, ary toy ny hoe natosika tamin’ny tandroka ny firenena resin’izy ireo.​—De 33:17; Da 7:24; 8:2-10, 20-24; Za 1:18-21; Lk 1:69-71; Ap 13:1, 11; 17:3, 12; jereo BIBY AN’OHATRA.

Hoy i Jehovah tamin’izy nanome toky ny vahoakany fa handresy izy ireo: ‘Hovako ho vy ny tandroky ny zanakavavin’i Ziona.’ (Mi 4:13) Nasandratr’i Jehovah ny tandroky ny vahoakany. Ny ratsy fanahy kosa nampitandremana mba tsy hirehareha na hanandratra ny tandrony sao hotapahina izany. (1Sa 2:10; Sl 75:4, 5, 10; 89:17; Am 6:12-14, f.a.p.) Nahatsiaro ho nafoin’ny olon-drehetra i Joba, ka hoy izy: “Nahosiko tamin’ny vovoka ny tandroko.”​—Jb 16:15, f.a.p.

Azo ilazana zavatra miendrika tandroka koa ny hoe “tandroka.” Toa vangin’elefanta ilay hoe “tandroka ivoara.” (Ezk 27:15) Midika ara-bakiteny hoe “tandroka zanakalahin’ny menaka [na tavy]” ny teny hebreo nadika hoe ‘tehezan-kavoana mahavokatra.’ (Is 5:1) Ilazana ny tehezan-kavoana miakatra ilay hoe “tandroka” eo.