Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tantara, Bokin’ny

Tantara, Bokin’ny

TANTARA, BOKIN’NY

Boky roa anisan’ny Soratra Hebreo, nefa toa boky iray tany am-piandohana. Boky iray izy ireo tamin’ny Masoreta. Boky iray koa izy ireo raha araka ilay fanisana hoe 22 na 24 ireo boky rehetra anisan’ny Soratra Hebreo, fa boky roa kosa raha araka ilay fanisana hoe 39 izy rehetra. Toa ireo nandika ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no voalohany nizara roa azy ireo. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-15 izy ireo no nozaraina roa tao amin’ny sora-tanana hebreo. Eo amin’ny faran’ilay fizarana hoe Asa Soratra izy ireo ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. Midika hoe “Tantara Tamin’ny Andron’ny” ny anarany hebreo hoe Divreh Haiyamim. I Jérôme kosa niantso azy ireo hoe Krônikôn. Ny Baiboly malagasy indray manao hoe Tantara. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa manao hoe Paraleipômenôn, izay midika hoe “Zavatra Nandalovana Fotsiny (Tsy Noresahina)”, izany hoe tsy noresahin’ny bokin’i Samoela sy Mpanjaka. Tsy fanampin’ireo boky ireo fotsiny anefa ny Tantara.

Mpanoratra, fotoana nanoratana azy sy fotoana voaresaka. I Ezra mpisorona jiosy no ekena fa nanoratra azy io, araka ireto antony ireto: Efa hatry ela ny lovantsofina jiosy no nilaza izany; mitovy be ny fomba fanoratra ny Tantara sy ny bokin’i Ezra; ary izay voalazan’ireo andininy mamarana ny Tantara Faharoa no miverina eo am-piandohan’ny Ezra. Hita manontolo ao amin’ny Ezra koa ny didy navoakan’i Kyrosy, izay voaresaka eo amin’ny faran’ny Tantara Faharoa. Midika izany fa nikasa hanoratra boky hafa (Ezra) ilay mpanoratra ny Tantara, dia boky mirakitra an’ilay didy sy ny fomba nampiharana azy. Vita tamin’ny 460 T.K. tany ho any ny Tantara. Ny bokin’i Nehemia sy Malakia ihany amin’ireo anisan’ny Soratra Hebreo no nosoratana taorian’izay.

Mirakitra ny tetirazana manomboka amin’i Adama ny Tantara. Resahiny koa izay nitranga teo anelanelan’ny fotoana nahafatesan’i Saoly Mpanjaka sy ny nanaovana sesitany tany Babylona. Hita ao koa ny didy navoakan’i Kyrosy rehefa nifarana ilay sesitany naharitra 70 taona.

Loharanon-kevitra. Efa fantatr’ireo Jiosy ny bokin’ny Mpanjaka, ka tsy namerina an’izay voalazan’ireny intsony i Ezra. Marina fa misy ampahany mitovy tanteraka na mitovitovy amin’izay resahin’ny Mpanjaka, ao amin’ny Tantara. Izay tena nilain’i Ezra mba hampahazava kokoa izay noresahiny ao amin’ny Tantara fotsiny anefa no naveriny. Mety ho ny bokin’i Samoela sy Mpanjaka ary boky hafa ao amin’ny Baiboly no loharanon-kevitra nampiasainy. Toa nijery asa soratra hafa tsy fantatra ankehitriny koa anefa izy, tamin’ny ankapobeny. Mety ho bokim-panjakana tany Israely sy Joda izy ireny, na tetirazana, na tantara nosoratan’ny mpaminany, na asa soratra nananan’ny lehibem-poko na loham-pianakaviana. Azo antoka fa mpanoratra raharaham-panjakana no nanao ny sasany tamin’ireny.—1Mp 4:3.

Ireto ny loharanon-kevitra sasany nampiasain’i Ezra:

1) Ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy ny Mpanjakan’ny Israely (2Ta 16:11; 25:26)

2) Ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely sy Joda (2Ta 27:7; 35:27)

3) Ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely (2Ta 20:34) (Mety ho bokim-panjakana iray ihany izy telo ireo fa nomena anarana samy hafa fotsiny, na mety ho ireo bokin’ny Mpanjaka ao amin’ny Baiboly.)

4) Ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely (tetirazana) (1Ta 9:1)

5) Ny fitantarana ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjaka (2Ta 24:27) (momba an’i Joasy mpanjakan’ny Joda)

6) Ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely (2Ta 33:18) (momba an’i Manase)

7) Izay nosoratan’i Samoela mpahita sy Natana mpaminany ary Gada mpahita fahitana (1Ta 29:29) (momba an’i Davida) (mety ho boky iray, na roa na telo; na mety ho ny Mpitsara sy ireo bokin’i Samoela)

8) Izay nosoratan’i Natana mpaminany (2Ta 9:29) (momba an’i Solomona)

9) Ny faminanian’i Ahia Silonita (2Ta 9:29) (momba an’i Solomona)

10) Izay nosoratan’i Semaia (1Ta 24:6) (momba an’i Davida), ary izay voarakitra araka ny tetirazana ao amin’izay nosoratan’i Semaia mpaminany sy Ido mpahita fahitana (2Ta 12:15) (momba an’i Rehoboama) (angamba loharanon-kevitra roa na telo)

11) Izay nosoratan’i Jeho zanak’i Hanany, ka nampidirina tao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely (2Ta 20:34) (momba an’i Josafata)

12) Ny sisa amin’ny tantaran’i Ozia nosoratan’i Isaia mpaminany zanak’i Amoza (2Ta 26:22)

13) Ny tenin’ireo mpahita fahitana ho an’i Manase (2Ta 33:19)

14) Hira fisaonana (nataon’i Jeremia ary angamba ireo mpihira) (2Ta 35:25) (momba an’i Josia)

15) Ny fitantaran’i Ido mpaminany (2Ta 13:22) (momba an’i Abia)

16) Ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka (1Ta 27:24)

17) Ny didin’i Davida, Gada, ary Natana mpaminany (2Ta 29:25) (nohamafisin’i Hezekia)

18) Izay nosoratan’i Davida sy Solomona zanany (2Ta 35:4) (noresahin’i Josia)

19) Ny didin’i Davida, Asafa, Hemana, ary Jedotona mpahita fahitana ho an’ny mpanjaka (2Ta 35:15) (voaresaka ao amin’ny tantaran’i Josia)

20) Ny taratasin’i Elia ho an’i Jorama mpanjakan’ny Joda (2Ta 21:12-15)

(Mety ho nisy loharanon-kevitra hafa koa, indrindra fa tetirazana, nampiasain’i Ezra.)

Nitandrina be sy nikaroka tsara àry i Ezra. Nojereny daholo ny loharanon-kevitra azony nojerena ka mety hahazoany fanazavana. Notononiny ireny loharanon-kevitra ireny mba hanaporofoana hoe marina ny zavatra nosoratany, sy mba hahafahan’ny mpamaky hijery azy ireny raha te hahalala tsipiriany bebe kokoa izy ireo. Tena azontsika itokisana àry ny bokin’ny Tantara satria milaza ny marina sady marina ara-tantara. Nosoratan’i Ezra teo ambany herin’ny fanahy masina (2Ti 3:16) koa izy io, sady ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo, ary neken’i Jesosy sy ny apostoly. (Lk 24:27, 44) Anisan’ny Tenin’Andriamanitra koa ny Tantara, dia ny Teniny izay narovany foana mba hampiasain’ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy Zanany. Tena manatanjaka finoana àry ny bokin’ny Tantara.

Zava-kendreny. Tsy nataon’i Ezra ho fanampin’ny bokin’i Samoela sy Mpanjaka fotsiny ny Tantara. Tsapany fa nilain’ireo Jiosy vao avy tany an-tsesitany ny famintinana ny tantaram-pireneny. Betsaka mantsy ny zavatra tsy fantatr’izy ireo momba ny tantaran’ny fivavahana marina sy ireo fombafomba nifandray tamin’izany, ny fanompoana tao amin’ny tempoly, ary ny andraikitry ny Levita. Tena nahaliana azy ireo koa ny tetirazany, ka tsy mahagaga raha niresaka betsaka momba izany i Ezra. Lasa firenena indray ny Israely tafaverina an-tanindrazana, ary nanana tempoly sy mpisorona ary governora, na dia tsy nisy mpanjaka aza. Tokony hisy foana io firenena io mandra-pahatongan’ny Mesia. Nilain’izy ireo àry ny bokin’ny Tantara, mba hahatonga azy ireo hiray saina sy hanaraka ny fivavahana marina foana.

Samy mpanoratra tantara sy Levita i Samoela sy Jeremia. Mpaminany sady mpisorona koa i Jeremia. Tsy ny fahatanterahan’ny faminaniana fotsiny anefa no nahaliana azy, fa izay nahakasika ny fanompoana tao amin’ny tempoly koa. Mpisorona koa i Ezra. Tsy ny asan’ny Levita ihany no nahaliana azy, fa ireo faminaniana koa. Samy mpanompon’Andriamanitra mantsy izy ireo, ary samy liana tamin’ny Teniny, ny fifandraisany tamin’ny vahoakany, ary ny lafiny rehetra tamin’ny fanompoana azy. Nanana zava-kendrena manokana anefa i Jehovah, matoa nasainy nosoratan’i Ezra ireo bokin’ny Tantara sy Ezra.

Tsy ny ho lasa firenena mahaleo tena ara-politika no tanjon’ny Jiosy niverina avy tany Babylona tamin’ny 537 T.K., fa ny hamerina ny fivavahana marina. Nanangana alitara aloha izy ireo, ary avy eo nanorina indray ny tempoly. Tsy mahagaga àry raha niresaka betsaka momba ny fivavahana marina sy ny fanompoan’ny mpisorona sy Levita i Ezra. Niresaka betsaka momba ny tetirazana koa izy. Mampalahelo fa nisy Jiosy sy taranaky ny mpisorona tsy nahita ny lisitra tokony hisy ny anarany. Tsy afaka nanamarina tamin’ny besinimaro ny razana niaviany àry izy ireo. (Ezr 2:59-63) Mety ho tsy tena nilaina ireny tetirazana ireny tany Babylona, nefa nilaina izy ireny izao mba hahazoana ny lovan-drazana. Izany àry no anisan’ny antony nanoratan’i Ezra an’ireo tetirazana, izay zava-dehibe amin’ny mpianatra Baiboly ankehitriny koa.

Te handrisika an’ireo mpiara-belona taminy tsy hivadika amin’i Jehovah i Ezra. Noresahiny ny tantaran’ny Israely fahiny, mba hahatonga ny Jiosy hanaja ny fifanekena nifanaovany tamin’Andriamanitra. Niresaka tantaran’olona tena nisy koa izy mba hanasongadinana fa mitondra soa ny mifikitra amin’i Jehovah Andriamanitra, fa mitondra loza kosa ny miala amin’ny fivavahana marina.

Sarobidy. Tena manatanjaka finoana sy manampy antsika hahazo ny hevitry ny Baiboly ny bokin’ny Tantara. Resahina betsaka ao ny momba ny fanompoana tao amin’ny tempoly, sy ny andraikitry ny mpisorona, Levita, mpiandry varavarana, mpihira, ary mpitendry zavamaneno. Hita ao koa ireto tsipiriany ireto: Nentin’i Davida nankao Jerosalema ny Vata masina (1Ta toko 15, 16); nomaniny ny fanorenana ny tempoly ary nalaminy ny fanompoana tao (1Ta toko 22-29); nanohana an’i Rehoboama ny mpisorona rehefa nikomy ireo foko folo (2Ta 11:13-17); niady i Abia sy Jeroboama (2Ta 13); nanao fanavaozana lehibe i Asa (2Ta toko 14, 15) sy Josafata (2Ta toko 17, 19, 20) sy Hezekia (2Ta toko 29-31) ary Josia (2Ta toko 34, 35) mba hanohanana ny fivavahana marina; lasa boka i Ozia fa sahisahy ratsy (2Ta 26:16-21); ary nibebaka i Manase (2Ta 33:10-20).

Tsy niresaka momba ny mpisorona fotsiny i Ezra fa momba ny mpaminany koa. (2Ta 20:20; 36:12, 16) Tokotokony ho in-45 izy no nampiasa ny teny hoe “mpaminany”, “mpahita”, na “mpahita fahitana.” Niresaka momba ny mpaminany sy olon-kafa maro tsy resahin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa izy. Anisan’ireny i Ido, Eliezera zanak’i Dodavaho, Jahaziela zanak’i Zakaria, lehilahy maromaro nantsoina hoe Zakaria, ary Odeda tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda.

Misy tsipiriany fanampiny momba ny tantaran’ny Joda koa ao amin’ny Tantara, toy ny aretin’i Asa, ny nandevenana azy ary ny nivadihan’i Joasy rehefa maty i Joiada mpisoronabe. Eo koa ireo tetirazana izay ahalalana ny razamben’i Kristy. Manampy antsika hahafantatra ny fotoana marina nitrangan’ny zavatra sasany koa ny Tantara. Tena hendry àry i Jehovah rehefa nasainy nosoratan’i Ezra mpanompony ny bokin’ny Tantara ao amin’ny Baiboly, mba hahazoantsika tantara feno sy mirindra tsara.

[Efajoro, pejy ]

HEVITRA MISONGADINA: TANTARA VOALOHANY

Tetirazana sy tsipiriany momba ny fanompoana tao amin’ny tempoly, ka tena nilain’ireo avy natao sesitany tany Babylona

Angamba nosoratana 55 taona taorian’ny nanorenan’i Zerobabela ny tempoly, sy talohan’ny nanamboarana indray ireo manda

Tetirazana manomboka amin’i Adama (1Ta 1:1–9:44)

Taranak’i Joda avy tamin’i Davida sy Solomona (nahafantarana ny Mesia)

Taranak’i Levy (nahafantarana hoe iza no nahazo nanompo tao amin’ny tempoly) sy ny andraikitr’izy ireo

Nivadika i Saoly ka maty (10:1-14)

Fanjakan’i Davida (11:1–29:30)

Nohosorana ho mpanjaka indray tao Hebrona; namabo an’i Ziona; lasa mpanjakan’ny Israely rehetra

Tsy tokony ho nentina tamin’ny sarety ilay Vata; maty i Ozia fa nikasika azy io; tonga tao amin’ny Tanànan’i Davida ihany ilay izy ary faly ny rehetra

Te hanorina tempoly i Davida; tsy nanaiky anefa i Jehovah fa nanao fifanekena taminy hoe hanjaka mandrakizay ny taranany

Resy daholo ny fahavalon’ny Israely

Nampirisihin’i Satana hanisa vahoaka i Davida; 70 000 no maty

Fanomanana ny fanorenana ny tempoly; nalamin’i Davida ny Levita: Mpisorona nisy fizarana 24, mpihira, ary mpiandry vavahady; natolony an’i Solomona ny planina nomen’Andriamanitra; nanome be i Davida sy ny vahoaka

Maty i Davida rehefa nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” i Solomona

[Efajoro, pejy ]

HEVITRA MISONGADINA: TANTARA FAHAROA

Famintinana ny tantaran’ireo mpanjaka taranak’i Davida; ny vokatry ny fankatoavana sy ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra

Horonana iray taloha ny Tantara Voalohany sy Faharoa

Fanjakan’i Solomona (2Ta 1:1–9:31)

Hendry, nanan-karena; tsy hendry anefa rehefa nividy soavaly maro tany Ejipta, sy nanambady an’ilay zanakavavin’i Farao

Nanorina tempoly; vavaka nataony tamin’ny fitokanana

Nitsidika azy ny mpanjakavavin’i Sheba

Fitondran’ireo mpanjaka hafa taranak’i Davida, sy ny niafaran’izy ireo (10:1–36:23)

Nasiaka be i Rehoboama ka nanaraka an’i Jeroboama ny foko folo ary nivavaka tamin’ny zanak’omby; nandika ny lalàn’i Jehovah i Rehoboama ka resin’i Sisaka mpanjakan’i Ejipta

Niantehitra tamin’i Jehovah i Abia ka resiny ny Israely nanana miaramila maro kokoa izay nivavaka tamin’ny zanak’omby; 500 000 no maty

Niantehitra tamin’i Jehovah i Asa ka nandresy Etiopianina 1 000 000; nanao fifanekena tamin’i Syria, ary tezitra rehefa nanarin’ny mpaminanin’i Jehovah

Nasain’i Josafata nampianarina ny lalàn’i Jehovah ny vahoaka; nalainy ho vadin-janany anefa ny zanak’i Ahaba

Nanafika an’i Joda i Moaba sy Amona ary Seira; nitady vonjy tamin’i Jehovah i Josafata; ‘An’Andriamanitra ny ady!’

Nanao ratsy i Jorama (vadin’i Atalia zanakavavin’i Ahaba sy Jezebela) sy Ahazia zanany; nandrombaka fahefana i Atalia rehefa maty i Jorama

Mpanjaka tsara i Joasy fony fahavelon’i Joiada Mpisoronabe, saingy nivadi-pinoana ka nasainy notoraham-bato i Zakaria tsy nivadika

Mpanjaka tsara i Amazia, nefa lasa nanompo an’ireo sampy avy tany Seira; resin’ny Israely, nisy namono

Mpanjaka tsara i Ozia, saingy nirehareha ka saika hanolotra emboka manitra tao amin’ny tempoly; lasa boka

Nanao izay mahitsy i Jotama, fa ny vahoaka kosa nanao ratsy

Nanompo an’i Bala i Ahaza; nijaly ilay firenena

Nanadio ny tempoly i Hezekia; nanafika an’i Joda i Sankeriba, nihantsy an’i Jehovah; niantehitra tamin’i Jehovah i Hezekia; anjely namono Asyrianina 185 000

Nanompo sampy be i Manase, nandatsaka ran’olona maro be tsy nanan-tsiny; nobaboin’ny Asyrianina; nibebaka ka naverin’i Jehovah ho mpanjaka

Nanao ratsy hoatran’i Manase rainy i Amona; tsy nanetry tena

Nanafoana ny fanompoan-tsampy i Josia, nanamboatra ny tempoly; nikiry hiady tamin’i Farao Neko ka maty

Nanjaka vetivety i Joahaza, nentina ho babo tany Ejipta

Nanao ratsy i Joiakima; babo tany Babylona i Joiakina zanany nandimby azy

Nikomy tamin’i Babylona i Zedekia; natao sesitany ny Jiosy; lao 70 taona ilay tany

Didin’i Kyrosy mpanjakan’i Persa: Nahazo niverina tany Jerosalema ny Jiosy mba hanorina indray ny tempoly