Tantely
[Heb.: devôhrah].
Tantelidia no tena resahin’ny Baiboly. Efa ela no be tantely tany Kanana satria voalaza hoe “tany tondra-dronono sy tantely” izy io. (Ek 3:8) Mafana sy be voninkazo mantsy any, ka mbola mety tsara ho an’ny andian-tantely maro. Be mpiompy tantely koa any izao. Misy 20 000 mahery ny karazan-tantely fantatra, fa ny tantely mainty (Apis mellifica syriaca) no fahita any Israely ankehitriny.
Tany an’ala ny tantely nohanin’i Jonatana tamin’ny ady iray, ka mety ho tao anaty lavaka amin’ny vatan-kazo ny tranon’ireo renitantely. (1Sa 14:25-27) Ny tantelidia teny amin’ny Lohasahan’i Jordana no nahazoan’i Jaona Mpanao Batisa ny ankabeazan’ny sakafony. (Mt 3:4) Misy tranon-tantely eny amin’ny hazo, nefa koa ao anaty lavaka eny amin’ny harambato na manda.—De 32:13; Sl 81:16.
Tantarain’ny Mpitsara 14:5-9 fa namono liona iray i Samsona. Nahita “renitantely maro be tao amin’ny fatin’ilay liona” izy rehefa niverina, “ary efa nisy tantely koa tao.” Misy milaza hoe tsy marina izany, satria tsy tia fatin’olona na fatim-biby ny ankamaroan’ny renitantely. “Rehefa afaka elaela” na “afaka andro maro” (raha ny dikany ara-bakiteny amin’ny teny hebreo, ary ilazana fotoana maharitra herintaona mihitsy aza) anefa i Samsona vao niverina. (Ampit. 1Sa 1:3 [Midika ara-bakiteny hoe “isan’andro” ny teny hebreo nadika hoe “isan-taona.”]; ampit. Ne 13:6.) Elaela tokoa ilay fotoana ka lanin’ny bibikely sy vorona na biby mpihinana fatim-biby ny ankabeazan’ny nofon’ilay liona, ary mainan’ny hainandro ny sisa. Efa nisy renitantely maro be koa nanao ny tranony tao anatin’ilay fatin-diona, sady efa be tantely tao.
Masiaka ka manenjika ny andian-tantely raha helingelenina. Toy izany no nanenjehan’ny Amorita ny miaramila israelita nanafika azy teny an-tendrombohitra. (De 1:44) Toy ny tantely nanafika an’ilay mpanao salamo ny fahavalo, ka ny finoana ny anaran’i Jehovah ihany no nandroahany azy.—Sl 118:10-12.
Hanafika ny Tany Nampanantenaina ireo tafik’i Ejipta sy Asyria oharina amin’ny andiana lalitra sy tantely. Toy ny hoe hisioka azy ireny i Jehovah Andriamanitra, ka ho avy hipetraka eny amin’ny lohasaha falehan-driaka sy eny an-tsefatsefaky ny harambato ireny. (Is 7:18, 19) Tsy fanaon’ny mpiompy tantely akory ny ‘misioka’ an’ireo tantely, fa midika fotsiny izany hoe hasain’i Jehovah hanafika ny tanin’ny vahoakany ireo firenena ireo.
Vehivavy roa no antsoin’ny Baiboly hoe Debora (midika hoe “Tantely”): Ilay nampinono an’i Rebeka (Ge 35:8), sy ilay mpaminanivavy nanohana an’i Baraka Mpitsara izay nandresy an’i Jabina mpanjaka kananita.—Mpts 4:4.