Tantely, Toho-tantely
Ranon-javatra mamy sy madity amboarin’ny renitantely ny tantely. Nôfet (tantely mikoriana, na tantely avy ao anaty tohotra) sy devash no nadika hoe tantely ao amin’ny Soratra Hebreo. Azo ilazana ny zava-mamy avy amin’ny voankazo koa ny hoe devashʹ. (Le 2:11, f.a.p.) Meli miaraka amin’ny mpamari-toetra hoe agriôs (“dia”) kosa no ilazana ny ranon’ny tantelidia ao amin’ny Soratra Grika.
Toho-tantely. Tena mahavariana ny fomba anamboaran’ny tantely azy io, ka hita hoe faran’izay hendry sy mahay ilay Mpamorona izay nanome an’ilay bibikely izany fahaizana izany. Ahafahana manangona tantely faran’izay betsaka ireo efitrefitra (mason-tantely) misy lafiny enina, nefa kely fotsiny ny savoka ilaina hanamboarana azy. Fihary manokana ao amin’ny vatan’ny tantely no mamokatra ilay savoka anaovany ny tranony. Mitsika avy amin’ny mason-kodiny izy io, ka lasa takelaka kely fotsifotsy izay atosiny amin’ny tongony hankao am-bavany. Tsakotsakoiny ilay izy avy eo, ary anaovany an’ireo mason-tantely. Ampahatelon’ny milimetatra monja ny rindrin’ny toho-tantely, nefa mahazaka zavatra in-30-n’ny lanjany.
Manao trano eny amin’ny toerana samihafa, toy ny hazo, vatolampy, ary ao amin’ny fatim-biby efa maina mihitsy aza, ny tantely. Tao anaty liona efa maty, ohatra, no nakan’i Samsona ilay tantely nohaniny.—Mpts 14:8, 9.
Ranon-tantely. Mamimbony amin’ny voninkazo sy voankazo no anamboarana azy. Miampy zavatra simika avy amin’ny vatan’ilay renitantely ilay mamimbony, rehefa angonina sy apetraka anaty tohotra. Misy lasa etona ny rano amin’ilay mamimbony, izay avadik’ireo zavatra simika ho ranon-tantely. Arakaraka ny niavian’ilay mamimbony ny loko sy fofon’ilay tantely. Mora levonina sy mampahatanjaka haingana ny tantely.
Ranon’ny tantelidia no tena resahin’ny Baiboly, toy ilay fihinan’i Jaona Mpanao Batisa tany an-tany efitra. (Mt 3:1, 4) Mampahatanjaka tokoa ny tantely, matoa vao nihinana azy io i Jonatana zanak’i Saoly Mpanjaka dia “nihiratra” ny masony, na dia reraky ny ady aza izy. (1Sa 14:25-30) Anisan’ny nomen’Andriamanitra ny vahoakany tany an-tany efitra io sakafo mampahatanjaka io. Tsy dia nisy hazo naniry tany, ka tantely “avy tamin’ny harambato”, izany hoe avy tamin’ireo toho-tantely nataon’ny tantely teny, no nohanin’ny olona.—De 32:13.
Heviny an’ohatra. Manasitrana toy ny tantely, izay mamy sy tsara tsiro ary mahasalama, ny teny mahafinaritra sy feno fahendrena. Mampahatanjaka ny tantely. Toy izany koa fa mampahery ny teny mahafinaritra. Hoy ny Ohabolana 16:24: “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny olona no manasitrana ny taolana.”—Oh 24:13, 14.
Mamy sy mahafinaritra ny mihinan-tantely, toy ny resahin’ny fampitahana ao amin’ny Ezekiela 3:2, 3 sy Apokalypsy 10:9. Resahin’ny Baiboly matetika ny toho-tantely, noho izy io tsara tsiro sy mamy ary be otrikaina kokoa noho ny tantely efa azon-drivotra elaela. Toy ny “tantely avy ao anaty tohotra” mitete avy amin’ny molotr’ilay tovovavy solemita ny teny mahafinaritra nataony, tamin’ilay mpiandry ondry tia azy. (To 4:11) “Mamy noho ny tantely sy ny tantely mikoriana avy amin’ny tohotra” ny didim-pitsaran’i Jehovah satria tena tsara, mamelombelona, ary mahasoa. (Sl 19:9, 10) ‘Mamy amin’ny lela, mihoatra noho ny tantely ao am-bava’ koa ny teniny.—Sl 119:103.
Tsara ny tantely, saingy mampandoa raha be loatra. (Oh 25:16) Toy ny mihinana tantely be loatra ny olona mitady voninahitra ho an’ny tenany.—Oh 25:27.
Hoatran’ny hamamin’ny toho-tantely ny fakam-panahy haloto fitondran-tena, satria hain’ny “vehivavy vahiny” erỳ ny miangolangola amin’ny lehilahy sy manao teny mambabo azy. (Oh 5) Fampitandremana ho antsika Kristianina izany. Hoy ny olon-kendry iray: “Mitete tahaka ny toho-tantely ny molotry ny vehivavy vahiny, ary malama noho ny menaka ny vavany. Mangidy tahaka ny vahona anefa ny vokany, ary maranitra hoatran’ny sabatra roa lela. Midina mankany amin’ny fahafatesana ny tongony.” Voataona haloto fitondran-tena ilay lehilahy noho ny teny mamy sy fihetsika mambabo nataon-dravehivavy, ka ‘tampoka teo, dia lasa nanaraka azy, toy ny omby entina hovonoina.’—Oh 5:3-5; 7:21, 22.
Zava-mamy avy amin’ny voankazo. Devash (heb.) koa no ilazana ny ranom-boankazo na zava-mamy avy amin’ny aviavy, daty, sns. Ny teny manodidina no ahalalana matetika raha ranon-tantely no resahina na tsia. Azo inoana fa zava-mamy avy amin’ny voankazo, fa tsy tena tantely, ilay resahin’ny Levitikosy 2:11 (f.a.p.) hoe tsy azo natolotra teo ambony alitara, noho izy io mety hivadika ho toaka. Manaporofo izany koa ny resahin’ny andininy manaraka hoe anisan’ny fanatitra voaloham-bokatra ho an’i Jehovah ilay “tantely.” Ranom-boankazo na zava-mamy avy amin’ny voankazo koa ilay “tantely” natolotry ny Israelita ho voaloham-bokatra, rehefa nampirisihin’i Hezekia hanohana ny mpisorona izy ireo. Ranon’ny tantelidia mantsy no tena nampiasain’izy ireo, fa tsy ny an’ny tantely nompiana.—2Ta 31:5.
Tany tondra-dronono sy tantely. Izany matetika no niantsoana an’i Palestina ao amin’ny Baiboly. Nety tsara io anarana io satria be tantely sy zava-mamy avy amin’ny voankazo tany. (Ek 3:8; Le 20:24; De 11:9; Js 5:6) Toa zava-mamy avy amin’ny voankazo ilay anisan’ny natakalo entana avy any Tyro.—Ezk 27:2, 17; jereo TANTELY.