Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taolana

Taolana

Fitambarana sela velona ny taolana, ary rafitra mafy mampijoro ny vatan’ny olombelona sy ny biby misy hazondamosina. Sarotra be ny fomba nanaovana ny taolana ka mbola tsy tena azon’ny mpahay siansa. Taolana sy hozatra ‘voarary’ ny olona, ka manana taolana 200 mahery. (Jb 10:11; Mpto 11:5) Mbola mafy noho ny tsỳ (acier) ny taolana, ary mitovitovy amin’ny rihibato misy tanjany vy izy io, raha jerena ny fomba nanaovana azy. Nilaza i Jehovah fa ‘toy ny fantsona varahina ny taolan’ny hipopotama’, ary “toy ny bara vy ny hamafin’ny taolany.” (Jb 40:15, 18) Izany tokoa no izy satria mafy be ny taolana ao amin’ny tongony fohy kely sy ao amin’ny andilany vaventy be, ka mahazaka ny vatany izay milanja 2300 kg ka hatramin’ny 3600 kg.

ʽEtsem no teny hebreo nadika matetika hoe “taolana” (Ge 2:23) ary gerem (Oh 25:15) no teny mitovy hevitra aminy. Ôsteôn kosa ny teny grika midika hoe taolana.​—Jn 19:36.

Avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama no namoronana an’i Eva, ilay vehivavy voalohany. Mety tsara izany satria ny taolana no rafitry ny vatana, ary sela velona izy iray manontolo sady mpamokatra selan’ny ra. Ara-dalàna àry raha niteny toy izao momba an’i Eva i Adama: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” I Eva no havana akaiky indrindran’i Adama. (Ge 2:22, 23) Matetika ny Soratra Masina no mampiasa ny teny hoe taolana mba hilazana havana akaiky.​—Ge 29:14; Mpts 9:2; 2Sa 5:1; 19:12; 1Ta 11:1.

Porofo manatanjaka finoana. Fantatr’i Josefa fa mbola ho elaela vao hoentin’Andriamanitra hiala tao Ejipta ny Israely, ka honina any Kanana. Nino izany i Josefa ka nanafatrafatra an’ireo Israelita mba hitondra ny taolambalony rehefa hiala tao Ejipta izy ireo. (Ge 50:25; He 11:22) Nitadidy an’io hafatra io foana ny Israelita, ary nankatò an’izany i Mosesy tamin’izy nitondra ny Israely niala tao Ejipta. (Ek 13:19) Nalevina tany Sekema, tao amin’ilay sombin-tany novidin’i Jakoba àry ny taolambalon’i Josefa.​—Js 24:32.

Nisy fahagagana nitranga tatỳ aorian’ny nahafatesan’i Elisa: Velona avy hatrany ny lehilahy iray efa maty, rehefa natsipy tao amin’ny fasan’i Elisa ny fatiny ka nikasika ny taolan’i Elisa. Manaporofo izany fa noho ny herin’Andriamanitra tokoa no nahavitan’i Elisa an’ireo fahagagana nataony fony fahavelony. Porofo tsy azo lavina koa izany fa tena mpaminanin’Andriamanitra i Elisa sady tsy nivadika.​—2Mp 13:20, 21.

Niseho tamin’ny mpianany sasany i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nihevitra àry izy ireo fa nahita anjely. Hoy anefa izy: “Tsapao aho ka jereo fa ny anjely tsy manana nofo sy taolana toy izao ahitanareo ahy izao.” (Lk 24:39) Tsy niteny i Jesosy teo hoe nofo aman-dra izy. Izany no nahatonga ny olona sasany hilaza fa rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy dia mbola nanana an’ilay vatana nisy nofo sy taolana iny ihany saingy tsy nisy ra. “Natao fanahy” koa anefa, hono, io vatana io. Tsy mitombina anefa izany, satria hitan’ny mpianatra fa tena nisy taolana sy nofo tokoa izy. Tsy niresaka momba ny ra anefa izy, satria tsy nisy ratra nandeha ra teo amin’ny vatany. Tamin’izany fomba izany no nanaporofoan’i Jesosy, tamin’ireo apostoliny 11 sy ny olon-kafa niara-nivory tamin’izy ireo tamin’izay, fa tena natsangana tamin’ny maty izy ka velona indray. Tamin’izany koa no nanaporofoany fa tsy hoe zavatra tsy tena nisy no hitan’ireo mpianany ireo rehefa nilaza izy ireo fa nitsangana tokoa izy.

Fahalotoana. Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa naloto fito andro izay olona nikasika faty na taolam-paty na fasana. (No 19:16) Namongotra ny fivavahan-diso i Josia Mpanjaka ka nofenoiny taolam-paty ny toerana nisy an’ireo tsato-kazo masina fampiasan’ny mpanompo sampy. Nodorany teo ambonin’ny alitaran’izy ireo koa ny taolam-paty nalaina avy tany amin’ireo toeram-pandevenana. Lasa naloto àry ireny alitara ireny, ka tsy mendrika hatao toeram-pivavahana intsony.​—2Mp 23:14, 16, 19; 2Ta 34:5.

Heviny an’ohatra. Asongadin’ny Baiboly fa tena misy ifandraisany ny taolana sy ny fahasalaman’ny vatana. Tena ilaina eo amin’ny fahasalamana ara-panahy koa ny taolana amin’ny heviny an’ohatra. Any anatiny lalina amin’ny vatana no misy ny taolana, izay rafitra mampijoro ny vatana. Ampiasain’ny Baiboly an’ohatra àry ny teny hoe taolana mba hilazana an’ilay olona mihitsy, indrindra fa rehefa misy fihetseham-po mahery tsapany. Rehefa matahotra, ohatra, ny olona iray dia lazaina fa ny taolany no ‘mihorohoro.’ (Jb 4:14) Mety hangozohozo ny taolana rehefa misy hakiviana mafy, ary rehefa misy aretina dia mety ‘hahamay ny taolana satria maina.’ (Je 23:9; Jb 30:30) ‘Mamelombelona ny taolana’ ny fahatahorana an’i Jehovah. (Oh 3:8) Voalaza fa ny tatitra tsara dia “mampahatavy ny taolana” na mahatonga azy io ho feno tsoka, izany hoe manatanjaka ny vatana manontolo. (Oh 15:30, f.a.p.) ‘Manasitrana ny taolana ny teny mahafinaritra.’ (Oh 16:24) Misy vokany ratsy eo amin’ny vatana ny fihetseham-po toy ny alahelo na hatezerana na hakiviana. ‘Mahamaina taolana ny hakiviana.’ (Oh 17:22) Voalaza fa ‘toy ny lo mikiky ny taolan’ny vadiny’ ny vehivavy manao izay mahamenatra. (Oh 12:4) ‘Mahatonga ny taolana ho lo ny fialonana’, satria manimba tena sady manimba ny fifandraisany amin’i Jehovah ny olona be fialonana.​—Oh 14:30.

Hoy ny Ohabolana 25:15: “Faharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpitari-tafika, ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.” Asehon’io andininy io fa tena manan-kery ny faharetana sy ny teny malefaka na dia misy fanoherana mafy be toy ny taolana aza.

Faminaniana. Rehefa nankalazaina ny Paska voalohany, dia nandidy an’ireo Israelita i Jehovah hoe tokony hatsatsika manontolo ny zanak’ondry (na osilahy) iray, ary tsy tokony ‘hisy hotapahina ny taolany.’ (Ek 12:46) Tanteraka tamin’i Jesosy Kristy izany, satria izy no “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra”, izay mifanitsy amin’ny sorona natao tamin’ny Paska. (Jn 1:29; 1Ko 5:7) Maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. Tonga mba hanapaka ny ranjon’ireo nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana ny miaramila, satria izany no fanao mba ho faty haingana izay nofantsihana. Notapahin’izy ireo ny ranjon’ireo jiolahy roa. Rehefa tonga teo amin’i Jesosy anefa izy ireo dia hitany fa efa maty i Jesosy, ka tsy notapahiny intsony ny ranjony. Ny takibany kosa no nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila.​—Jn 19:31-36; Sl 34:20.

Nahazo fahitana avy tamin’i Jehovah i Ezekiela, tany Babylona, ka nahita taolam-paty maina teo amin’ny tany lemaka. Naminany tamin’ireo taolana izy ka nisy fahagagana satria nifanatona ireo taolana ary nisy nofo naniry teo amin’izy ireo. Naminany tamin’ny rivotra i Ezekiela avy eo, ary nanjary nisy fofonaina ireo taolana efa rakotra nofo, ka nijoro ary lasa tafika tena lehibe. Nanazava i Jehovah fa ny taranak’Israely ireo taolana ireo. Nentin’ny Babylonianina tany an-tsesitany mantsy izy ireo, ka very fanantenana. (Ezk 37:1-11) Nanao sesitany an’ireo foko folo ny mpanjakan’i Asyria, ary nanala an’i Joda teo amin’ny taniny i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Nampitovin’i Jeremia tamin’ny liona mandrapaka ny vahoakan’Andriamanitra sy mikepokepoka ny taolany àry ireo mpanjaka ireo. (Je 50:17) Navelan’i Jehovah hitranga izany satria nivadi-pinoana ny Israely. Tsy hanadino azy ireo anefa i Jehovah, fa hanome ny fanahiny mba hamelona sy hanatanjaka azy ireo indray. Hampody azy ireo any amin’ilay Tany Nampanantenaina koa izy.​—Ezk 37:12-14.

Rehefa avy manafika ny vahoakan’i Jehovah i Goga sy ny tafiny, dia haringan’i Jehovah. Hisy asa mitohy mandritra ny “fito volana”, aorian’izay, ka hasiana marika ny toerana hisy ny taolan’ny vahoakan’i Goga ary halevina ireny taolana ireny. Atao izany mba hanadiovana ny tany ka hanesorana ny fahalotoana rehetra.​—Ezk 39:14-16.

Niresaka momba ny tsoka ao anaty taolana i Jehovah, tamin’izy nitanisa an’ireo fitahiana maro be homeny ny vahoakany rehefa hanafoana ny fahafatesana izy. Nilaza izy fa hanao fanasambe ka hisy “hanim-pito loha sady feno tsoka” amin’izany.​—Is 25:6; jereo koa TSOKA.