Taona
1. Fotoana (andro sy volana natambatambatra) ahaveloman’ny olona iray. “Zanakalahin’ny” izao na izao taona no ilazana ny taonan’ny olona iray amin’ny teny hebreo. Raha adika ara-bakiteny àry ny hoe “folo amby zato taona” i Josefa no maty, dia hoe “zanakalahin’ny folo amby zato taona” izy no maty. (Ge 50:26) Ilazana fahamatorana koa ny taona. Avy amin’ny fototeny midika hoe “fotsy volo” ny teny hebreo hoe sehv na sehvah (taona; be taona), ary nadika koa hoe ‘volo fotsy.’ (1Sa 12:2; Oh 20:29) Avy amin’ny hoe zakan (‘volombava’) ny teny hebreo maromaro ilazana ny fahanterana sy taona. (Le 19:27) Ny teny grika hoe helikia kosa midika hoe ‘androm-piainana’ na “taona”, nefa mety hidika koa izy io hoe ‘halehibe’ na refy. (Mt 6:27; He 11:11; Lk 2:52; 19:3) Hita ao amin’ny Soratra Grika koa ny hoe geras (“antitra”; Lk 1:36), ary ny hoe presbytes (“lehilahy zokiolona”; Tit 2:2) sy presbytis (“vehivavy zokiolona”; Tit 2:3) izay samy misy ifandraisany amin’ny hoe presbyterôs (zokiolona; anti-panahy).—Jereo ANTI-PANAHY.
Feno 20 taona ny lehilahy vao nahazo nanao miaramila, teo ambanin’ny Lalàna. (No 1:3) Efa 20 taona, fara fahakeliny, ilay lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny nampahiratin’i Jesosy, satria hoy ny ray aman-dreniny: “Anontanio izy e! Efa lehibe izy, ka izy ihany no tokony hilaza ny momba ny tenany.” (Jn 9:21, 23) I Saraha kosa “efa nihoatra ny taona ahafahana miteraka” tamin’izy 90 taona teo ho eo.—He 11:11.
Voafetra ny taonan’ireo nahazo nanompo tao amin’ny tempoly sy ny an’ireo tsy voatery nanompo tao intsony. Milaza ny Nomery 4:3, 30, 31 fa izay Levita feno 30 taona no nahazo nanompo tao, nefa ny Nomery 8:24-26 kosa manao hoe izay feno 25 taona. Mifanohitra àry, hono, ireo andininy ireo. Toa fanompoana roa samy hafa anefa no resahina eo. Misy raby milaza fa nampanaovina asa madinidinika tao amin’ny tranolay masina izay Levita feno 25 taona, fa rehefa feno 30 taona izy vao nampanaovina asa lehibe kokoa. Tsy hita ao amin’ny Nomery 8:24 (miresaka momba ilay hoe 25 taona) mantsy, hono, ny teny hoe “asa” sy ‘fanompoana mafy ary fitondrana entana’ resahin’ny Nomery 4:3, 47. Misy koa milaza fa izay 30 taona no ho miakatra no nibata ny tranolay masina sy ny fitaovana tao rehefa nifindra toerana. Ireo teo anelanelan’ny 25 sy 30 taona kosa, hono, tsy nanompo raha tsy rehefa nitsangana tao amin’ny toerana nitobiana ny tranolay. Mety, hoy izy ireo, raha 30 taona vao nanankinana asa lehibe kokoa ny Levita, satria efa matanjaka sy matotra ary mahay misaina kokoa izy ireny amin’izay. Samy 25 taona kosa ny ao amin’ny Nomery 4:3 sy 8:24, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Nihena ho 20 ny taonan’ireo nanomboka nanompo tao amin’ny tranolay masina tamin’ny andron’i Davida, sy tao amin’ny tempoly tatỳ aoriana.—1Ta 23:24-32; ampit. Ezr 3:8.
Tsy voatery nanompo intsony izay Levita feno 50 taona. Mbola azon’izy ireo natao ihany ny nanampy an’ireo voatendry hanompo, saingy tsy nisy asa nanendrena azy intsony na andraikitra tsy maintsy niantsorohany. (No 8:25, 26) Misy milaza fa natsahatra tamin’ny asany izy ireo satria efa nitombo taona, ary koa mba tsy ho be loatra ireo nanompo. Ny mpisoronabe taranak’i Arona kosa nanao fanompoana masina foana mandra-pahafatiny, raha mbola nanan-kery hanaovana izany. (No 35:25) Maherin’ny 80 taona i Arona tamin’izy voafidy ho mpisoronabe voalohany teo amin’ny Israely, ary nanompo efa ho 40 taona izy.—Ek 7:7; No 33:39.
2. Adika koa hoe “taona” matetika ny teny hebreo hoe shanah. Avy amin’ny fototeny midika hoe “mamerina; manao indray” izy io. Eniaotôs kosa no teny grika mitovy aminy, ary midika hoe fotoana mitsingerina. Tapitra ny taona iray rehefa hita hoe miverina ny fizaran-taona, izay avy amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro. Nanamora ny fandrefesana ny taona àry ny Mpamorona, satria nataony mihodidina amin’ny Masoandro ny Tany sady nataony mitongilana kely. Nataony miovaova koa ny fahitana ny Volana arakaraka ny toerany raha oharina amin’ny Masoandro sy ny Tany, ka manamora ny fizarana ny taona ho volana sy andro izany. Miresaka momba izany ny Baiboly ao amin’ny Genesisy.—Ge 1:14-16; 8:22.
Efa hatrany am-boalohany ny olona no nampiasa an’ireny fomba nataon’Andriamanitra hamantarana fotoana ireny, ka nampiasa ny taona mba handrefesana ny fotoana, ary ny taona indray nozarazaraina ho volana. (Ge 5:1-32) Misy 12 volana ny taona iray refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany, ary io no taona nampiasain’ny ankamaroan’ny olona fahiny. Misy 354 andro izy io, ka 29 na 30 andro ny volana tsirairay, arakaraka ny fisehoan’ny tsinam-bolana. Tsy ampy 111⁄4 andro eo ho eo àry io taona io raha oharina amin’ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro, izay misy 3651⁄4 andro (365 andro 5 ora 48 minitra 46 segondra).
Tamin’ny andron’i Noa. I Noa no nanao an-tsoratra voalohany ny fomba nanisana ny halavan’ny taona iray fahiny. Toa nozarainy ho 12 volana ny taona iray ary 30 andro ny volana tsirairay, satria nilaza izy tao amin’ny diariny fa 150 andro ny dimy volana. (Ge 7:11, 24; 8:3-5) Voaresaka ao amin’ilay fitantarana ny volana faharoa sy fahafito ary fahafolo tamin’ilay taona nitrangan’ny Safodrano. Taorian’ny andro voalohan’ny volana fahafolo, dia mbola miresaka momba ny 40 andro sy ny 7 andro indroa (izany hoe 54 andro) koa ilay fitantarana. (Ge 8:5-12) Nandefa goaika i Noa ary avy eo nandefa voromailala, fa tsy fantatra hoe hafiriana ny elanelan’izany. (Ge 8:6-8) Tsy fantatra koa ny fe-potoana taorian’ny nandefasany fanintelony sady farany an’ilay voromailala, (Ge 8:12) satria tonga dia ny andro voalohan’ny volana voalohany tamin’ny taona nanaraka no resahin’ny andininy manaraka. (Ge 8:13) Tsy voalaza izay fomba nataon’i Noa, na ireo olona talohany, mba hampifanarahana ny taona nampiasainy (nisy 30 andro ny volana tsirairay) sy ny taona iray refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro.
Ejipta sy Babylona. Nampiasa taona nisy 12 volana (nisy 30 andro avy) ny Ejipsianina fahiny, ka nampiany dimy andro ny taona tsirairay mba hitovitovy amin’ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro. Ny Babylonianina kosa nampiasa taona refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany. Nampiany volana faha-13 nantsoina hoe Veadara anefa ny taona sasany mba hifanitsy ny fizaran-taona sy ny volana tokony hisehoany. Indraindray ireny taona sasany ireny lava kokoa raha ampitahaina amin’ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro, nefa indraindray fohy kokoa, arakaraka ny hoe nampiana volana faha-13 sa tsia ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany.
Tsingerin’i Méton. Tatỳ aoriana, dia hitan’i Méton (Grika mpahay matematika tamin’ny taonjato fahadimy T.K.) fa nilaina ny nampiditra volana faha-13 impito isaky ny 19 taona. Io no antsoina hoe tsingerin’i Méton. Natao izany mba hitovitovy amin’ny 19 taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro io tsingerina io.
Ny Hebreo. Tsy milaza ny Baiboly raha nanampy an’ilay volana faha-13 ny Hebreo tamin’ny voalohany na tsia, mba hampifanitsiana ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany sy ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro. Fantatra kosa anefa fa nampifanitsy an’ireo taona ireo ny Hebreo, satria hita hoe mitondra ny anaran’ny fizaran-taona ny volana nampiasain’izy ireo. Indroa isan-taona ny
Masoandro no mifanandrify amin’ny ekoatera, ary mitovy ny halavan’ny andro sy ny alina (12 ora eo ho eo ny hazavan’ny andro ary 12 ora eo ho eo ny haizina) amin’ireo fotoana ireo, na aiza na aiza. Antsoina hoe ekinôksa amin’ny lohataona sy ekinôksa amin’ny fararano izany, ary miseho isaky ny 21 Martsa sy 23 Septambra eo ho eo amin’ny kalandrie ankehitriny. Avy amin’ireo ekinôksa ireo àry no ahitana hoe rahoviana no lasa aloha loatra ilay volana tokony hifanitsy amin’ny fizaran-taona iray, ka ilaina ny manampy an’ilay volana faha-13.Voalaza fa nisaina nanomboka tamin’ny fararano hatramin’ny fararano nanaraka an’iny ny taona iray fahiny, ka nanomboka teo amin’ny tapatapaky ny Septambra ny volana voalohany. Ny lovantsofina jiosy koa milaza fa tamin’ny fararano no namoronana ny olona. Mampiasa ny hoe “taona” ny Baiboly rehefa milaza ny androm-piainan’i Adama (Ge 5:3-5), ka azo inoana fa nisaina nanomboka tamin’ny namoronana azy izany. Raha tamin’ny fararano tokoa no namoronana azy, dia mazava hoe nahoana ny olona taloha no nanomboka ny taona iray tamin’ny fararano. Nety tsara tamin’ny asa fambolena koa anefa izany fanisana taona izany, satria tany amin’iny faritra iny no tena nisy mponina taloha sy taoriana kelin’ny Safodrano. Ny fijinjana farany no namarana ny taona, ary ny fiasana ny tany sy ny famafazana (teo am-piandohan’ny Oktobra) kosa no nanombohany.
Taona ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana. Tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, dia niteny tamin’ny Israely Andriamanitra hoe hovany ho ny volana Abiba (Nisana), tamin’ny lohataona, ny fiandohan’ny taona ara-pivavahana. (Ek 12:1-14; 23:15) Mbola ny fararano ihany anefa no natao fiandohan’ny taona tsy ara-pivavahana na taom-pambolena. Izany no mahatonga ny Eksodosy 23:16 sy ny 34:22 hilaza hoe tamin’ny “faramparan’ny taona” no natao ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra, izay fety tamin’ny fararano, tamin’ny volana Etanima (volana fahafito tamin’ny kalandrie ara-pivavahana). Voalazan’ny lalàna koa fa nanomboka tamin’ny fararano (volana Etanima) ny taon-jobily.—Le 25:8-18.
Nilaza i Josèphe (Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany) fa ny taona ara-pivavahana (nanomboka tamin’ny lohataona) no nirakitra an’ireo daty nasain’Andriamanitra notandremana. Ny taona tsy ara-pivavahana (nanomboka tamin’ny fararano) kosa no nolazainy fa mbola nampiasaina teo amin’ny resaka fivarotana na fividianan-javatra ary raharaha hafa. (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 81 [iii, 3]) Taorian’ny sesitany sy ny nanafahana ny Jiosy avy tany Babylona no nampiasaina be ireo fomba fanisana taona ireo. Ny 1 Nisana (na Abiba) no taom-baovao tamin’ny taona ara-pivavahana, fa ny 1 Tisry (na Etanima) kosa tamin’ny taona tsy ara-pivavahana. Ny volana voalohany tamin’ny taona iray no volana fahafito tamin’ny iray.—Jereo KALANDRIE.
Kalandrie ahitana ny datin’ireo fety. Fety telo lehibe no nisongadina isan-taona. Nifandray tamin’ny fizaran-taona izy ireo, ary nandidy ny hitandremana azy ireo i Jehovah Andriamanitra. Ireto avy izany: Ny Paska tamin’ny 14 Nisana (narahin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay), ny Fetin’ireo Herinandro na Pentekosta tamin’ny 6 Sivana, ary ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra tamin’ny 15-21 Etanima (nialohavan’ny Andro Fandrakofam-pahotana). Nankalazaina tamin’ny fotoana nijinjana orza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, ny Pentekosta indray tamin’ny fotoana nijinjana varimbazaha, ary ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra kosa tamin’ny faran’ny taom-pambolena, rehefa vita ny fijinjana rehetra.
Ny taona sabata sy ny taon-jobily. Voalazan’ny fifaneken’ny Lalàna fa tokony havela hiala sasatra tanteraka ny tany isaky ny taona fahafito. Izay no atao hoe taona sabata. Nantsoina hoe “sabatan-taona” ny fe-potoana naharitra fito taona. (Le 25:2-8) Taon-jobily fialan-tsasatra kosa isaky ny taona faha-50, ka lasa olona afaka ny mpanompo hebreo rehetra ary ny tany rehetra dia naverina tamin’izay tena mpandova azy.—Le 25:10-41; jereo SABATA, TAONA.
Fomba fanisana ny taona nitondran’ny mpanjaka. Fanao tany Babylona ny nanisa taona feno rehefa nanisa ny taona nitondran’ny mpanjaka iray, ka nisaina nanomboka ny 1 Nisana izany. Nety ho efa nanomboka nanjaka volana maromaro talohan’ny 1 Nisana ilay mpanjaka, saingy noraisin’ny mpahay tantara ho anisan’ny taona nahazoany fahefana ireny volana ireny, ary nisaina ho anisan’ireo taona feno nitondran’ilay mpanjaka teo alohany. Asehon’ny lovantsofina jiosy fa izany koa no fanao tany Joda, ka raha marina izany, dia 40 taona feno no nanjakan’i Davida sy Solomona, satria resahin’ny Baiboly fa samy nanjaka nandritra ny “efapolo taona” izy ireo.—1Mp 1:39; 2:1, 10, 11; 11:42.
Faminaniana. Rehefa ampiasaina ao amin’ny faminaniana ny teny hoe “taona”, dia matetika no midika ho taona iray misy 360 andro (12 volana misy 30 andro avy). (Ap 11:2, 3) Antsoina koa hoe “fe-potoana” izy io. Indraindray koa oharina amin’ny “andro” iray ny taona iray.—Ap 12:6, 14; Ezk 4:5, 6.