Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taotrano

Taotrano

Fahaizana manorina na manao trano. Resahin’ny Baiboly ny momba ny fonenan’ny olona nandritra ny 1 656 taona talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, sy ny fiaimpiainana tamin’izany. “Nanorim-ponenana” tao amin’ny faritra iray i Kaina rehefa avy namono an’i Abela, ary “nanorina tanàna” tao. (Ge 4:16, 17) I Jabala taranany no “nipoiran’ny olona mipetraka an-tranolay izay manana biby fiompy.” Nisy taranany koa “mpanefy ny karazam-pitaovana rehetra vita amin’ny varahina sy vy.” (Ge 4:20, 22) Maty daholo ny taranak’i Kaina tamin’ny Safodrano, fara fahatarany, nefa tsy foana hatreo ny fahaiza-manorina sy fampiasana fitaovana.

Ny sambofiara no zava-bita niavaka indrindra talohan’ny Safodrano. Nataon’ny taranak’i Seta, dia i Noa sy ny zanany, izy io. Andriamanitra no nanome ny planina sy ny refiny, kanefa tsy maintsy ho nahay nanorina ihany i Noa izay nitarika an’ilay asa. Nirefy 300 hakiho ny lavan’ilay sambofiara, 50 hakiho ny sakany, ary 30 hakiho ny haavony (133,5 m × 22,3 m × 13,4 m). Mety ho 0,9 ha teo ho eo ny velarany. Nisy rihana roa sy “efitrefitra” ilay izy, ary nivelatra be ny tafony, ka mety ho nasiana andry hazo sy vatan-kazo hanohanana an’ireo sy hahatonga an’ilay sambofiara tsy ho mora mivadika. Notsentsenana godorao ny vatany, nefa tsy maintsy nakambana tsara koa ireo hazo nandrafetana azy mba tsy ho tantera-drano.​—Ge 6:13-16; jereo SAMBOFIARA.

Taoriana kelin’ny Safodrano. I Nimroda no mpanorina tanàna nalaza tamin’izany. (Ge 10:8-12) Tetikasa lehibe koa ny fanorenana ny Tilikambon’i Babela, izay nokendrena hatao tilikambo avo indrindra. Biriky nodorana tao anaty lafaoro sy godorao natao solon-drihitra no nampiasaina. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra anefa ilay tetikasa.​—Ge 11:3, 4.

Trano arifomba no hitan’i Abrahama razamben’ny Israelita tany Oran’ny Kaldeanina. (Ge 11:31) Lalana, trano misy rihana sy tohatra biriky, ary tempoly sy lapa maromaro (mety ho natao tamin’ny taonarivo fahatelo T.K.) no hitan’ny mpikaroka, rehefa nohadina ilay tanàna. Hita tany koa ny andohalambo vato na biriky matsoko loha (mampitohy ny lafiny roa amin’ny rindrina iray), sy ny andohalambo mivohon-tsotro (misy vato fototra eo an-tampony afovoany). Tany no nahitana ny andohalambo toy izany tranainy indrindra.

Hitan’i Abrahama tany Ejipta (Ge 12:10) kosa angamba ny zavatra tena kanto sasany naorina tany. Tamin’ny taonarivo fahatelo T.K., hono, ilay Piramida Mikitohatohatra naorin’i Djoser Mpanjaka tao Sakkara. Io no anisan’ny piramida tranainy sisa tavela tamin’ireo nampiasana vato voapaika. (SARY, Boky 1, p. 530) Naorina tatỳ aoriana ny Piramida Lehiben’i Khoufou ao Guizèh. Mivelatra be ny fanambaniny satria mirefy 5,3 ha. Vaingana vatosokay 2 300 000 teo ho eo izay nilanja 2,3 taonina teo ho eo avy, no nanaovana an’ilay piramida. Nirefy 147 m ny haavony tamin’ny voalohany. Na ny injeniera ankehitriny aza zendana mahita ny habeny sy ilay rafitra maty paika. Ilay naorin’ny Ejipsianina tatỳ aoriana tao Karnak, eo amoron’i Neily, no tempoly lehibe indrindra vitan’ny olona hatramin’izay. Andry goavana 134 no nanohana ny tafon’ny efitra lehibe. Nirefy 3 m teo ho eo ny savaivon’ny andry tsirairay izay voaravaka sary mivohitra miloko.

Zava-bitan’ny Israelita. Nanorina tanàna maro ny Israelita rehefa andevo nampahorin’ny lehiben’ny mpiasa tany Ejipta. (Ek 1:11-14) Nanorina tranolay masina kosa izy ireo tany an-tany efitra. Nasiany rafitra sy faladia itsatohany, barany, ary andry izy io, araka ny toromarika mazava nomen’i Jehovah. Nilana fahaizana be ny nanao azy io. (Ek 25:9, 40; 26:15-37; He 8:5) Maty talohan’ny nidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny ankamaroan’ireo nanao an’ilay tranolay (sy ireo nanorina tany Ejipta), kanefa mbola nahay nanorina sy nahay nampiasa fitaovam-panorenana ny Israelita hafa. (Ampit. De 27:5.) Iray, fara fahakeliny, ny didy momba ny fanorenan-trano ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. (De 22:8) Nahazo tanàna sy tanàna kely ary trano efa vita ny Israelita rehefa azony ny tany Kanana (1473 T.K.), satria maro ny tanàna nisy manda sy voaro mafy tany. (No 13:28) Nanorina koa anefa izy ireo.​—No 32:16; De 6:10, 11; 8:12.

Tsy misy tavela intsony ankehitriny ny trano na zavatra niavaka naorin’ny Israelita. Tsy midika anefa izany hoe tsy nahay nanorina izy ireo. Tsy hoatran’ny firenena mpanompo sampy mantsy izy ireo, satria tsy nanorina zavatra goavana ho fanomezam-boninahitra mpitondra na mpiady mahery fo. Tao Jerosalema ilay hany tempoly naoriny, na dia nanao toeram-pivavahana hafa aza izy ireo rehefa nivadi-pinoana. Tsy misy intsony anefa ilay tempoly voalohany sy ilay solony. Mahavariana kosa ny sisa tsy rava amin’ireo vavahadin’ny tanànan’i Megido, Hazora, ary Gazera fahiny. Mitovy izy ireo, ary natao tamin’ny andron’i Solomona, hono. (1Mp 9:15) Samy nisy rindrina ivelany (20 m ny lavany) vita amin’ny vato voapaika tsara izy ireo. Nisy andry enina nilahatra tsiroaroa teo amin’ny lalantsara tao anatin’ny vavahady tsirairay, ka lasa nisy efitra kely enina teo amin’ny andaniny roa. Tao amin’ireo no nanaovana varotra na nanakanan’ny miaramila ny fahavalo nitady hitsofoka teo am-bavahady. (Jereo VAVAHADY.) Nahitana rafi-bato vita tsara tao Megido sy Samaria. Notefena tamin’ny fandraka ireo vato, ary napetraka sy natao mitandahatra tsara, ka na lelan’antsy manify kely aza tsy tafiditra eo anelanelany. Azo antoka fa vita tsara hoatran’izany koa ny rafitry ny tempolin’i Solomona.​—1Mp 5:17; 6:7.

Toa tsotra ny tranon’ny Israelita hitan’ny mpikaroka. Misy aza milaza hoe tsotra loatra izy ireny. Tsy manana porofo firy momba izany anefa izy ireo. Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny (Boky I, p. 209): “Tsy dia fantatsika ankehitriny ny momba izany satria tsy nahaliana ny mpanoratra fahiny ny resaka taotrano. Tsy misy tavela firy koa ny ankamaroan’ny trano fahiny satria efa nirodana na noravan’ny mpanorina tatỳ aoriana.” (Nataon’i G. Buttrick, 1962) Zara àry raha ahitana biriky misy laharana mihoatra ny iray na roa eo ambonin’ny fototry ny trano rava any Palestina. Ny trano tsara koa no tena nopotehin’ny mpandrava sy ireo nitady fitaovam-panorenana.

Fitaovana sy fomba fanorenana fahiny. Vato no natao fototra efa hatry ny ela, ohatra hoe vato tsy voapaika, izay nalahatra hifanitsy tamin’ny vato fehizoro nolamaina tsara sy nitovy habe, ka tsy mora nihetsiketsika. (Ampit. Sl 118:22; Is 28:16.) Trano vato ny an’ny Israelita saingy nasiany lalotra tanimanga ny aty tranony. (Le 14:40-48) Raha tsy vato no nanaovana ny rindrina, dia biriky nohamainina tamin’ny masoandro na nodorana tao anaty lafaoro. (Ampit. Is 9:10.) Nasiana hazo indraindray teny anelanelan’ny biriky. Izay akora nisy teo an-toerana no nampiasaina hanorenana. Biriky tany no tena nampiasaina tany amin’ny faritra atsimon’i Mezopotamia noho ny tsy fisian’ny hazo sy vato, fa be vatosokay sy vato hafa kosa tany Palestina. Natao toy izao ny rindrina tora-peta izay tsy nandaniam-bola be: Natao mifampidipiditra teny anelanelan’ny tsato-kazo nalentika tamin’ny tany ny bararata na rantsankazo mitsivalana, ary avy eo nasiana feta. Navela ho mainan’ny masoandro sy ho mafy ilay feta, ary nolalorina tsindraindray sao simban’ny hainandro sy orana.​—Jereo MANDA, RINDRINA.

Vato na hazo lavalava nitsivalana teo ambony rindrina no nanohana ny tafo. Mety ho nampiana tsato-kazo na andry teo ambanin’ny tafo rehefa tiana hivelatra kokoa ny tafo. Mahazaka zavatra mavesa-be ny andohalambo matsoko loha sy mivohon-tsotro izay efa nisy hatry ela, ka mety ho natao tohan’ny tafo marin-tampon’ny trano lehibe kokoa. Nanao laharana iray na roa matetika ny andry nampiasaina tao amin’ireny trano ireny. Vato no natao fototry ny andry hazo na vato. Mety ho toy izany, hono, ny andry tao an-tranon’i Dagona izay nitondran’ny Filistinina an’i Samsona jamba. Nisy olona 3000 teo ho eo teny an-tampon-trano ankoatra an’ireo tafavory tao anatiny, izay samy nijery an’i Samsona. Nazeran’i Samsona anefa ny andry lehibe roa, ka nirodana ilay trano.​—Mpts 16:25-30.

Toy izao no nanaovana ny tafon’ny trano kely kokoa sy trano fonenana: Sampan-kazo na bararata no niara-nafatotra sy natao nitsivalana teo ambony vatan-kazo, avy eo norakofana feta na tanimanga, ary nolamaina ilay feta. Afaka nikoriana tsara ny ranonorana raha nisolampy kely ilay tafo. Mbola ahitana tafon-trano toy izany any amin’ny Lohasahan’i Jordana ankehitriny.

Mahitsizoro ny trano tany Palestina, ary nisy efitra kely mahitsizoro vitsivitsy ny trano fonenana sasany. Matetika no be olona ny tanàna. Arakaraka ny velaran’ny tany azo nanorenana àry ny haben’ny trano sy ny bikabikany. Nisy tokotany anatiny ny trano raha ampy ny toerana. Varavarana iray monja no nidiran’ny olona avy tany amin’ny arabe nankeo amin’ilay tokotany, ary teo indray izy no niditra nankany amin’ny efitra rehetra. Natao mahitsizoro daholo na trano fonenana na tranon’ny mpanjaka (lapa), na trano fitehirizana entana sy vokatra, trano fivoriana (synagoga), tranon’Andriamanitra (tempoly), na tranon’ny maty (fasana).

Zavatra naorin’ny mpanjakan’ny Joda sy Israely. Toa ilay “trano sedera” no hany zavatra naorina niavaka tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Nomen’i Hirama Fenisianina mpanjakan’i Tyro fitaovana sy mpiasa izy hanaovana an’ilay izy. (1Ta 14:1; 17:1) Nanorina trano hafa tao Jerosalema koa anefa i Davida. (1Ta 15:1) Nanomana sy nampanao zavatra maro be koa izy mba hanorenan’i Solomona zanany ny tempoly, toy ny vato voapaika efajoro, fantsika vy, ary varahina sy hazo sedera “be dia be.” Nanangona volamena, volafotsy, vatosoa, ary vato madinika samihafa loko koa izy. (1Ta 22:1-4; 29:1-5) Nomen’Andriamanitra azy ny “planin’ny” (heb.: tavnit) tempoly sy fitaovana rehetra tao, ary avy eo nomeny an’i Solomona. (1Ta 28:11, 19) Avy amin’ny fototeny hoe banah (‘manorina’; 1Ta 22:11) ny hoe tavnit, ary adika koa hoe ‘modely’ sy “sary mampiseho.”​—Ek 25:9; 1Ta 28:18.

Tamin’ny andron’i Solomona ny taotrano tany Israely no tena niroborobo. (2Ta 1:15; Mpto 2:4-6) Fenisianina mpiasan’i Hirama Mpanjaka no nikapa hazo tany Libanona mba hanorenana an’ilay tempoly tao Jerosalema. Tsy marina anefa ny hoe Fenisianina daholo no nanorina azy io. Voalaza fa nanorina azy io i Hirama israelita-fenisianina. Nandravaka sy nanefy metaly anefa no tena nataony rehefa voaorina araka ny planina nomen’i Davida Mpanjaka izy io. (1Ta 28:19) Niaiky koa i Hirama mpanjakan’i Tyro fa nisy “olona mahay” ny Israelita. (1Mp 7:13-40; 2Ta 2:3, 8-16; ampit. 1Ta 28:20, 21.) I Solomona mihitsy no nitarika an’ilay fanorenana ny tempoly. (1Mp 6:1-38; 2Ta 3:1–4:22) Nataony koa ny tokotanin’izy io, ny Trano Alan’i Libanona nisy andry sedera 45 sy fidiran’ny hazavana hafakely, ny Lala-mitafo Maro Andry, ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana, ary ny tranony sy ny an’ny zanakavavin’i Farao. Vato voapaika lafo vidy “manara-drefy” no nanaovana azy rehetra ireo.​—1Mp 7:1-12.

Mpanjaka nalaza ho nanao asa fanorenana koa i Asa (1Mp 15:23), Basa (1Mp 15:17), Omry (1Mp 16:23, 24), Ahaba (1Mp 22:39), Josafata (2Ta 17:12), Ozia (2Ta 26:6-10, 15), Jotama (2Ta 27:3, 4), ary Hezekia (2Mp 20:20). Tena nahay ireo nanao ny tionelin’i Siloama (533 m ny lavany) nampanaovin’i Hezekia, sy ireo tionelina hita tao Lakisy, Gibeona, Gazera, ary Megido.

Fanorenana tany Palestina taorian’ny sesitany. Toa zavatra tsotsotra no naorin’ny Jiosy taorian’ny sesitany. Nanao asa fanorenana lehibe anefa i Heroda Lehibe (taonjato voalohany T.K.) sy ireo nandimby azy. Nataony, ohatra, ny tempolin’i Jerosalema izay naorina indray (Mr 13:1, 2; Lk 21:5), ny seranan-tsambon’i Kaisaria, ny tetezana lehibe namakivaky ny afovoan’i Jerosalema, tranom-panjakana, kianja filalaovana tantara an-tsehatra, toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly, ary toerana fandroana. Anisan’ny tena niavaka ilay toerana voaro mafy nitarin’i Heroda teo amin’ny havoanan’i Masada (400 m mahery ambonin’ny haabon’ny Ranomasina Maty). Ireto avy ny zavatra naoriny teo: Manda, lapa telo tsara tarehy nikitohatohatra, izay nisy lavarangana nalalaka sy dobo fandroana, ary lapa hafa nasiana efitra fandroana nohafanain’ny fantsona tao anaty rindrina (toy ny an’ny Romanina) sy kabine nisy fipetrahana sy fandefasana rano. Nasian’i Heroda lavaka be fanangonan-drano 12 koa teo amin’ilay toerana voaro mafy goavana teo ambony vatolampy. Nahazaka rano efa ho 40 000 000 L izy ireo.​—SARY, Boky Faha-2, p. 751.

Zava-bitan’ny Asyrianina, Babylonianina, ary Persianina. Lasa nahita an’ireo trano raitra naorin’ny Fanjakan’i Asyria, Babylona, ary Persa ny Jiosy, rehefa resy ny fanjakan’ny Israely tany avaratra (740 T.K.) sy ny fanjakan’ny Joda tany atsimo (607 T.K.). Niavaka ny lapan’i Sargona II tao Korsabada satria mahitsizoro daholo ny rafitra ary nitovy tsara ny haben’ireo efitra. Nisy sary mivohitra tsara tarehy, biriky mangirana ary sary hoso-doko teo amin’ny karô na taila nasiana verinia koa tao. Ngezabe ilay lapan’i Sankeriba tao Ninive satria nisy efitra 70 teo ho eo, ary nirefy 3000 metatra mahery ny rindriny nopetahana sary sokitra. (2Mp 19:36; ampit. Jo 3:2, 3.) I Sankeriba koa, hono, no nanao an’ilay lakandrano 48 km nitarihana rano avy teo amin’ny Reniranon’i Gomela nankany amin’ireo zaridainan’i Ninive. Goavana ilay lapa tao Mari eo amoron’i Eofrata any amin’ny faritra atsinanan’i Syria, satria nisy efitra 300 ary 6 ha teo ho eo ny velarany. Tena kanto kosa ny tanànan’i Babylona fahiny rehefa jerena ny sisa tavela aminy, satria nisy manda avo be, lalana tsara be, ary lapa sy tempoly maro.

Hitan’ny Jiosy nofehezin’ny Persianina tao Sosana angamba ny hakanton’ilay lapan’i Dariosy I. Biriky miloko tsara tarehy misy verinia no nanaovana ny aty rindrina. (SARY, Boky Faha-2, p. 330) Mety ho kanto kokoa anefa ny lapa tao Persepolisy (SARY, Boky Faha-2, p. 329), izay nahitana ny Vavahadin’i Ksersesy nisy sarin’ombilahy goavana, sy ireo efitrano lehibe fandraisan’i Dariosy sy Ksersesy olona, anisan’izany ny efitrano nisy andry 100. Tsara tarehy sy manifinify kokoa noho ny andry ionianina malaza nataon’ny Grika ny andry persianina. Indroa ambin’ny folon’ny savaivony ny haavon’ny andry tao amin’ny Efitranon’i Ksersesy, fa impolon’ny savaivony kosa ny an’ny andry korintianina avo indrindra, ary inenina monja ny an’ny andry ejipsianina. Avo roa heny noho ny elanelan’ny andry grika koa ny elanelan’ny andry persianina, ka nalalaka kokoa noho ny trano fahiny nisy andry ny trano persianina.

Fomba fanorenana grika sy romanina. Niroborobo ny taotrano grika tamin’ny taonjato fahafito ka hatramin’ny taonjato fahefatra T.K. Tao Atena no nanorenana tempoly sy trano kanto toy ny Parthénon, ny Tempolin’ny Andriamanibavy Tsy Misy Elatra, ary ny Érechthéion, izay samy natao hanomezam-boninahitra andriamanitra sy andriamanibavy grika. Niavaka koa ny Tempolin’i Apollon sy ny tsena (na agôra) lehibe tao Korinto. Nosokajina ho telo ny taotrano grika arakaraka ny andry nampiasaina: Dorianina (faran’izay tsotra ny tampony), ionianina (natao miendrika tandrok’ondry ny tampony), ary korintianina (niangaliana be ny tampony).

Naka tahaka ny taotrano grika ny Romanina, saingy tsy nataony tsara tarehy fotsiny ny zavatra naoriny fa nampiasainy mihitsy koa. Nalain’ny Romanina tahaka tamin’ny Etriosika koa ny andohalambo mivohon-tsotro natao tamin’ny vato efajoro izay mivelatra kokoa ny sisiny ambony. Mahavariana fa nasiana andohalambo toy izany ireo lakandrano fivarinan’ny rano maloto tao Roma tamin’ny taonjato fahenina T.K. Ny mpanao mari-trano romanina koa no nanao ny andohalambo roa mifanakaiky sy ny tafo miendrika ila bolan-tany, ka nahavitany trano boribory goavana sy efitra malalaka be tsy ilana andry. Ny Grika kosa nahavita trano kanto tsy nampiasana rihitra na simenitra, noho izy ireo tena nahay nandrafitra vaingam-bato marbra sy nampifanitsy azy ireny. Ny Romanina indray nampiasa pôzôlanina (tany volkanika afangaro sokay), izay lasa simenitra mafy be rehefa asiana rano. Io simenitra io no nataon’izy ireo solon-drihitra, ka nahafahany nanao andohalambo nivelatra be sy toerana nisy rihana maro, toy ny Colisée (taonjato voalohany A.K.) misy rihana telo ary nahazaka olona 40 000 ka hatramin’ny 87 000 araka ny tombana. Tena nilaina koa ireo lalambe falehan’ny miaramila sy lakandrano kanto nataon’ny Romanina nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo T.K. Nandeha teo amin’ny lalambe toy izany ny apostoly Paoly. Tsy maintsy nahita an’ilay lakandrano nataon’i Klaodio Mpanjaka koa izy, fony izy nandeha teo amin’ny Lalana Apianina rehefa ho any Roma.

Trano naorin’ny Kristianina. Tsotsotra ny trano fivavahana naorin’ny Kristianina voalohany anisan’ny Israely ara-panahy. Hoy ny Diksionera Ara-baibolin’i Unger (1965, p. 84, 85): “Efa hatramin’ny taonjato faha-3 izy ireo no nanorina trano, saingy tsy mafy izy ireny ary tsy nandaniam-bola be.” Tamin’ny andron’i Constantin Mpanjaka vao nanorina trano niavaka ny Kristianina anarana, rehefa nifanerasera tamin’ny mpanao politika ny mpitondra fivavahana. Nanorina tranobe anisan’ny be ravadravaka sy be renty indrindra eran-tany izy ireo tatỳ aoriana.

Fanorenana resahin’ny faminaniana sy an’ohatra. Betsaka ny asa fanorenana resahin’ny faminaniana sy fanorenana an’ohatra ao amin’ny Baiboly. Voalazan’ny faminaniana, ohatra, fa haorina (na haorina indray) ny tanànan’ny vahoakan’Andriamanitra rehefa mody any amin’ny taniny izy ireo. (Is 58:12; 60:10; 61:4; Ezk 28:26; 36:36) Haorina eo ambony vato asiana rihitra mafy koa i Ziona, ka safira no hatao fototra, vatosoa robia no hatao tampon’ny manda, ary vatosoa mena midorehitra no vavahady. (Is 54:11, 12) Manorina ny tranony ny fahendrena (Oh 9:1), ary ilaina mba hanorenana tokantrano ny fahendrena sy fahaiza-manavaka ary fahalalana. (Oh 14:1; 24:3, 4) Nahita loza i Joiakima satria nanorina ny lapany tamin’ny tsy fahamarinana, rehefa tsy naloany ny karaman’ny mpiasa. Nahita loza koa ny Kaldeanina satria nanorina tanàna tamin’ny fandatsahan-dra sy ny fisasaran’ny firenena resiny. (Je 22:13-15; Ha 2:12, 13) Toy ny hoe manangana sy mandalotra rindrina manasaraka efitra ireo mihevi-tena ho mihavana amin’Andriamanitra. Hirodana anefa ilay rindrina ary hiseho hatramin’ny fototra niorenany, satria vinitra i Jehovah ka hampisy tafio-drivotra sy havandra hamelezana an’ilay rindrina. (Ezk 13:10-16) Raha tsy i Jehovah no manao ny trano, dia handrera-tena fotsiny ny mpanorina. (Sl 127:1) Hanao trano nefa tsy hipetraka ao ireo tsy mankatò an’Andriamanitra, alohan’ilay “andro lehiben’i Jehovah.” (Ze 1:12-14; ampit. Am 5:11.) Ny mpanompon’Andriamanitra kosa ‘hanao trano ka honina ao’ ary “hanaram-po” amin’ny asan’ny tanany.​—Is 65:17-23; ampit. Mpto 3:3.

Asehon’ny Soratra Grika Kristianina fa zava-dehibe ny manombana izay ho lany alohan’ny hanorenana. Nohamafisin’i Jesosy izany tamin’izy nampirisika ny mpihaino azy hamantatra tsara izay tafiditra amin’ny hoe manaraka ny diany. (Lk 14:28-30) Asongadin’ny fanoharana maromaro fa ilaina ny manao fototra mafy. (Mt 7:24-27; Lk 6:48, 49; 1Ti 6:17-19; 2Ti 2:19; He 11:10) Nilaza i Kristy Jesosy fa haorina eo ambony vatolampy (petra) ny fiangonany. (Mt 16:18) Izy mihitsy ilay fototra ka tsy misy “afaka mametraka fototra hafa ankoatra” azy. Izy koa anefa ilay “vato nolavin’ny mpanao trano.” (1Ko 3:11; Mt 21:42; As 4:11; Sl 118:22) Izy no vato fehizoro lehibe indrindra, ary apetraka eo amboniny sy alahatra hifanitsy aminy ny “vato velona” rehetran’ny tempoly ara-panahy, ka ny rariny no “tady fandrefesana” ary ny fahamarinana no “filamatra.” (Ef 2:20, 21; 1Pe 2:4-8; Is 28:16, 17) Nilaza i Jesosy hoe hatsangana “ao anatin’ny telo andro” “ilay tempoly” na ny vatany. Efa 46 taona anefa no nanorenana an’ilay tempoly ara-bakiteny sy ny trano nanodidina azy io tao Jerosalema, saingy mbola tsy vita ihany tamin’izay. (Jn 2:18-22) “Olon-kendry lehiben’ny fanorenana” i Paoly ka nasainy nampiasa fitaovana tsara tsy mety may ny Kristianina izay manorina eo ambony fototra, dia i Kristy. (1Ko 3:10-17) “Mampahery” ny fitiavana, satria anisan’ny tena mahatonga ny olona hiorina mafy amin’ny finoana. (1Ko 8:1; ampit. Sl 89:2.) Tanàna mamirapiratra vita amin’ny vatosoa i Jerosalema Vaovao hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana. Vato misy ny anaran’ny “apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry” no fototry ny mandany. (Ap 21:9-27) Mpanorina ny zava-drehetra Andriamanitra ka tsy mitoetra ao amin’ny trano naorin’ny olona.​—He 3:4; As 7:48-50; 17:24, 25; Is 66:1.