Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tapanesa

Tapanesa

(Tapanèsa).

Tanàna ejipsianina voatonona foana miaraka amin’ny tanàna hafa any avaratr’i Ejipta (Ejipta Ambany) toa an’i Nofa (Memfisa), Ona (Heliopolisy), ary Pibeseta (Bobastis).

Taloha kelin’ny naharavan’ny fanjakan’ny Joda, dia nampitandrina an’ireo Jiosy foana i Jeremia mpaminany mba tsy hanao fifanekena ara-politika tamin’i Ejipta, na hiantehitra taminy mba hanoherana an’i Babylona, izay nihanahery hatrany. Voalaza fa “nitsentsitra” an’i Joda sy Jerosalema i Nofa (Memfisa), renivohitr’i Ejipta, sy Tapanesa, ‘ka nataony sola hatrany an-tampon-dohany’ izy ireo, noho ireo Jiosy nivadi-pinoana. Tsy maintsy nanome zavatra be dia be ho an’i Ejipta tokoa ny mpanjakan’ny Joda vao nahazo ny fanohanany. Ho menatra noho ny amin’i Ejipta anefa izy ireo, tahaka ny nahamenatra azy noho ny amin’i Asyria.​—Je 2:1, 2, 14-19, 36.

Nisy sisa nandositra tany. Nidina nankany Ejipta ny sisa tamin’ny Jiosy, rehefa resin’ny Babylonianina i Joda tamin’ny 607 T.K. ary nisy namono i Gedalia. Nentin’izy ireo niaraka taminy koa i Jeremia. I Tapanesa no toerana voalohany tao Ejipta nolazaina fa nalehan’izy ireo (na nonenany). (Je 43:5-7) Midika izany fa tany atsinanan’ny faritry ny Vinany no nisy an’i Tapanesa, izany hoe tany avaratratsinanan’i Ejipta Ambany. Nanorim-ponenana tao Tapanesa ny Jiosy sasany. (Je 44:1, 7, 8) Vao tonga tao izy ireo, dia nisy zavatra nampanaovin’i Jehovah an’i Jeremia teo anatrehan’izy ireo, mba hampisehoana mialoha izay hitranga. Nasainy nametraka vato tao anaty rihitra izy, ‘teo amin’ilay tokotany biriky, teo amin’ny fidirana tamin’ny tranon’i Farao tao Tapanesa.’ Nambaran’i Jeremia avy eo fa ho avy i Nebokadnezara hametraka ny seza fiandrianany eo ambonin’ireo vato ireo. Hovelariny eo ambonin’ireo koa ny tranolainy tsara tarehy.​—Je 43:8-13; ampitahao amin’ny 46:13, 14.

Nilaza mialoha koa i Ezekiela mpaminany (ny taona faha-27 nitrangan’ny sesitany voalohany, izany hoe tamin’ny 591 T.K.) tany Babylona, izay lavitra be an’i Ejipta, fa ho resin’i Nebokadnezara i Ejipta. Nilaza izy fa “ho maizina ny andro ao Tapanesa”, satria hotapahin’i Jehovah ao ny ziogan’i Ejipta ary hofaranany ilay heriny izay ireharehany. Tanàn-dehibe nalaza tokoa i Tapanesa, raha jerena izany tenin’i Ezekiela izany sy ny firesahany an’ireo ‘tanàna niankina tamin’i Tapanesa.’​—Ezk 29:19; 30:1, 2, 10-18.

Ny mety ho niandohan’ilay anarana. Mihevitra ny mpandika teny sasany fa midika hoe “ilay Tanàna Voaro Mafin’i Penhase” ny hoe Tapanesa, amin’ny teny ejipsianina. Jeneraly avy any Thèbes, tanàna tany atsimo, i Penhase. Nampitsahatra fikomiana tany amin’ny faritry ny Vinany izy, toa tamin’ny faramparan’ny taonarivo faharoa T.K.

Tafnas no ilazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny hoe Tapanesa. Toa io ilay tanàn-dehibe voaro mafy tany amin’ny sisiny atsinanan’i Ejipta, izay nantsoin’ny mpanoratra grika fahiny hoe Daphné. Misy àry mpahay jeografia milaza fa i Tell Defneh no Tapanesa. Efa ho 50 km atsimo atsimoandrefan’i Port-Saïd no misy azy io, ary any amin’ny 45 km eo ho eo andrefana atsimoandrefan’i Péluse, izay lazaina fa nisy ny tanànan’i Sina.