Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tapoa

Tapoa

(Tapoà) [(Hazo) Paoma].

1. Iray amin’ireo efa-dahy zanak’i Hebrona, sady taranak’i Kaleba. (1Ta 2:42, 43) Misy milaza fa misy ifandraisany izany anarany izany sy ny hoe Beti-tapoa, tanàna any akaikin’i Hebrona.​—Jereo BETI-TAPOA.

2. Tanàna tany amin’ny faritr’i Sefela, ary nomena ny fokon’i Joda. (Js 15:20, 33, 34) Hafa mihitsy àry ilay Beti-tapoa any Hebrona. Misy milaza an’ity Tapoa ity ho i Horvat Bet Natif, any amin’ny tanàna kely efa lao any Beit Nettif, tokotokony ho 20 km any andrefan’i Betlehema.

3. Tanàna teo amin’ny sisin-tany nanasaraka ny fokon’i Efraima sy Manase. (Js 16:8) Nomena ny fokon’i Manase “ny faritr’i Tapoa”, fa an’i Efraima kosa ny tanànan’i Tapoa. (Js 17:8) Toa anaran’ny loharano iray teo akaiky teo ny hoe En-Tapoa (Js 17:7) (“loharano” no dikan’ny teny heb. hoe ʽayin na en rehefa atao tovona), sady mety ho anarana fenon’ny tanànan’i Tapoa.

Anisan’ireo mpitondra resin’i Josoa “ny mpanjakan’i Tapoa”, tamin’i Josoa nanafika ny tany Kanana (Js 12:17), ary azo inoana fa ilay tanàna lasan’i Efraima ilay “Tapoa” voaresaka eto. Misy milaza azy io ho i Tell Sheikh Abou Zarad (Tell Abou Zarad), tokotokony ho 13 km any atsimo atsimoandrefan’i Sekema, ary atsimo kelin’ny tanànan’i Yasofa.