Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taranaka

Taranaka

1. Anisan’ny nadika hoe “taranaka” ny teny hebreo hoe dôhr, izay mifanitsy amin’ny teny aramianina hoe dar. (Da 4:3, 34) Avy amin’ny matoanteny fototeny midika hoe ‘mandahatra manodidina’ na ‘mihodidina’ ny hoe dôhr, ka midika hoe “faribolana.” Teny iray tarika aminy ny hoe dor (“baolina”). (Is 22:18) Genea, izay avy amin’ny fototeny midika hoe “teraka”, kosa ny teny grika mifanitsy aminy.

Tôhledôht ny teny hebreo hafa nadika hoe ‘taranaka’ (No 3:1; Rt 4:18; 1Ta 7:2), na koa ‘firazanana’ (1Ta 7:4), ‘fianakaviana’ (1Ta 5:7), ary ‘tantara.’​—Ge 2:4; 5:1; 6:9; ampit. Prot., Kat., DIEM, JM, sy ny Baiboly hafa.

Ny olona rehetra teraka tamin’ny fotoana mitovitovy matetika no atao hoe taranaka. (Ek 1:6; Mt 11:16) Misy ifandraisany amin’ny hoe “mpiara-belona” izy io. “Tsy nisy tsiny”, ohatra, i Noa “teo amin’ny mpiara-belona taminy.” (Ge 6:9) Midika ara-bakiteny hoe “taranaka” ny hoe “mpiara-belona” eo. Antsoina koa hoe taranaka ny fitambaran’ny zanaka aman-jafy sy ny zanany mitohitohy hatrany, nateraky ny olona iray.​—Jb 42:16.

Mety hanondro fe-potoana efa lasa na mbola ho avy koa ny hoe “taranaka.” Mihelina ihany ny taranak’i Adama mpanota, raha oharina amin’ny tany izay maharitra mandrakizay. (Mpto 1:4; Sl 104:5) Ilazana fotoana tsy voafetra anefa ny hoe “taranaka tsy hita isa” sy “taranaka arivo mandimby.” (1Ta 16:15; Is 51:8) Tokony hankalazain’ny Jiosy ‘hatramin’ny taranany fara mandimby’ ny Paska, izany hoe mandritra ny fotoana tsy voafetra. (Ek 12:14) Nilaza tamin’i Mosesy Andriamanitra fa i Jehovah no anarana hahatsiarovana azy “mandritra ny fotoana tsy voafetra”, “hatramin’ny taranaka fara mandimby”, izany hoe mandrakizay. (Ek 3:15) Tokony homem-boninahitra “hatrany amin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay” Andriamanitra.​—Ef 3:21.

Azo ilazana antokon’olona manana ny toetra mampiavaka azy koa ny hoe taranaka. Misy, ohatra, “taranaka manao ny marina” (Sl 14:5; 24:6; 112:2), “taranaka tsy marina sy ratsy fanahy”, ary “taranaka ratsy toetra.” (De 32:5, 20; Oh 30:11-14) “Taranaka ratsy fanahy” no niantsoan’i Jesosy Kristy ny firenena jiosy, tamin’izy teto an-tany. Toy izany koa no niantsoan’ny apostoly Paoly an’ilay tontolo tafasaraka tamin’Andriamanitra tamin’ny androny.​—Mt 12:39; 16:4; 17:17; Mr 8:38; Fi 2:14, 15.

Faharetany. Miovaova ny faharetan’ny fotoana ahaveloman’ny “taranaka” iray na olona miara-belona. Azo antoka anefa hoe voafetra ihany ilay izy, miankina amin’ny faharetan’ny androm-piainan’ireo olona ireo. Maherin’ny 850 taona amin’ny antsalany ny androm-piainan’ireo taranaka folo isaina avy eo amin’i Adama ka hatramin’i Noa. (Ge 5:5-31; 9:29) Nihena be anefa ny androm-piainan’ny olona, rehefa maty i Noa. Velona 175 taona monja, ohatra, i Abrahama. (Ge 25:7) Mety hahatratra 70 na 80 taona kosa ny olona ankehitriny raha mateza, toy ny tamin’ny andron’i Mosesy ihany. Hoy izy: “Fitopolo taona no androm-piainanay, ary raha tena matanjaka izahay, ka mahatratra valopolo taona, dia indrisy fa feno zava-tsarotra sy fijaliana izany! Mihelina ihany ny andron’ny taonanay, ka lasa manidina izahay.” (Sl 90:10) Halavan’ny androm-piainan’ny olona amin’ny ankapobeny io, fa mety hisy ho ela velona kokoa. Naningana, ohatra, i Mosesy izay velona 120 taona, Arona rahalahiny (123 taona), Josoa (110 taona), ary ny hafa nanana hery sy tanjaka niavaka.​—De 34:7; No 33:39; Js 24:29.

“Ity taranaka ity” ao amin’ny faminanian’i Kristy. Ny teny manodidina no ahalalana hoe iza no resahin’ny faminanian’ny Baiboly hoe “ity taranaka ity.” Hoy i Jesosy Kristy rehefa avy nanameloka an’ireo mpitondra fivavahana jiosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany.” Hitan’ilay taranaka tokoa ny nandravana an’i Jerosalema, 37 taona teo ho eo tatỳ aoriana (taona 70), hoy ny mpahay tantara.​—Mt 23:36.

Niresaka momba ny “taranaka” koa i Jesosy tamin’io andro io, rehefa namaly an’ireo nanontany azy momba ny faharavan’i Jerosalema sy ny tempoly, ary ny famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.” (Mt 24:34) Ireo velona hatramin’ny taona 70 àry ilay hoe “ity taranaka ity” eo, nefa koa ireo olona hahita ny zavatra nambaran’i Jesosy mialoha fa hitranga mandritra ny fanatrehany.​—Mt 24.

2. Saika nadika foana koa hoe taranaka ny teny hoe zeraʽ ao amin’ny Baiboly. Mety ho taranaka biby izany (Ge 7:3), na taranak’olombelona, toy ny taranak’i Noa (Ge 9:9), sy ny an’i Hagara (Ge 16:10). Nasain’Andriamanitra noforana i Abrahama sy ny ‘taranany’, ho famantarana an’ilay fifanekena nataony tamin’izy ireo.​—Ge 17:7-11.

Mitovy ny dikan’ny teny hebreo hoe zeraʽ sy ny teny grika hoe sperma. (Ampit. Mt 13:24; 1Ko 15:38; He 11:11; Jn 7:42.) Nampiasa ny teny hoe spôrôs (zavatra afafy) i Jesosy Kristy mba hilazana ny tenin’Andriamanitra.​—Lk 8:11.

Zava-miafina masina. Nilaza faminaniana mahavelom-panantenana ho an’ny taranak’i Adama sy Eva Andriamanitra rehefa nanameloka azy mivady, ka niteny tamin’ny menarana hoe: “Hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.” (Ge 3:15) Efa hatrany am-boalohany no zava-miafina masin’Andriamanitra ny hoe iza ilay ‘taranaka’ nampanantenaina.

Asehon’ilay faminaniana fa hisy mpanafaka hanorotoro an’ilay menarana lehibe, na i Satana Devoly izay fahavalon’Andriamanitra. (Ap 12:9) Hanana ‘taranaka’ koa ny Devoly. Hipoitra io taranany io sy ny taranaky ny vehivavy sady hifandrafy, rehefa mandeha ny fotoana.

Taranaky ny Menarana. Tsy voatery ho zanaka na taranaka ara-bakiteny ny hoe “taranaka” ao amin’ny Baiboly, fa olona manahaka ny fanao sy ny toe-tsain’ilay antsoina hoe ‘rainy.’ Taranaky ny Menarana, ohatra, i Kaina lahimatoan’i Adama sy Eva. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no ahitana miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny Devoly: Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra. Toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny. Izao tokoa no hafatra efa renareo hatrany am-piandohana: Tokony hifankatia isika, fa tsy toa an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono tamin-kabibiana ny rahalahiny. Nahoana no namono nahafaty azy izy? Satria ratsy ny nataony, fa marina kosa ny nataon’ny rahalahiny.”​—1Jn 3:10-12; ampit. Jn 8:44.

Ireo nanana ny toe-tsain’ny Devoly sy nankahala an’Andriamanitra ary niady tamin’ny vahoakany àry no taranaky ny Menarana hatramin’izay, indrindra fa ireo nihambo ho nanompo an’Andriamanitra. Anisan’ny taranaky ny Menarana, hoy i Jesosy, ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny androny. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ry bibilava, taranaky [gr.: gennemata, “nateraky”] ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena?”​—Mt 23:33, Int.

Naharihary tsikelikely ilay zava-miafin’Andriamanitra momba ilay ‘taranaky’ ny vehivavy. Nila novaliana ireto fanontaniana ireto: Any an-danitra ve ilay taranaka sa eto an-tany? Raha any an-danitra, hidina eto an-tany ve izy? Ho iray ve izy sa ho maro? Ahoana no fomba handringanany ny Menarana sy hanafahany ny olombelona?

Efa voalaza tetsy aloha fa tsy biby ara-bakiteny ilay menarana niresahan’i Jehovah ao amin’ny Genesisy 3:15. Ny biby mantsy tsy hahatakatra hoe notoherina ny zon’i Jehovah hitondra. Zavaboary manan-tsaina kosa no niresahany, dia i Satana Devoly, ilay fahavalony lehibe indrindra, araka ny hita ao amin’ny bokin’i Joba, ohatra. Voalaza ao fa i Satana no niampanga hoe hivadika amin’i Jehovah i Joba ka tsy hanohana ny zony hitondra. (Jb 1:6-12; 2:1-5) Tsy biby ara-bakiteny àry ny ‘rain’ny’ taranaky ny menarana, fa ilay anjely atao hoe Satana Devoly.

‘Taranaky ny vehivavy’ an’ohatra. Mety ho samy nanana ny heviny momba an’io ‘taranaka’ io ny olona nanam-pinoana fahiny. Asehon’ny Soratra Grika Kristianina anefa fa tsy maintsy ho anjely mahery noho ny olombelona ilay ‘taranaky ny vehivavy’, vao hahavita ‘hanorotoro ny lohan’ilay’ anjely fahavalo, dia ny Devoly. Iza àry ilay “vehivavy”, na ‘renin’ilay’ taranaka? Ary amin’ny fomba ahoana no hiterahany azy?

Efa 2 000 taona mahery tatỳ aoriana vao noresahina tamin’i Abrahama ilay ‘taranaka’ nampanantenaina. Taranak’i Sema i Abrahama. Nilaza i Noa fa “Andriamanitr’i Sema” i Jehovah, izany hoe nankasitrahany i Sema. (Ge 9:26) Nolazaina tamin’i Abrahama, lehilahy nanam-pinoana, fa ho avy aminy ilay ‘taranaka.’ (Ge 15:5; 22:15-18) Nanamafy izany ny tsodrano nomen’i Melkizedeka mpisorona azy. (Ge 14:18-20) Nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe hanan-taranaka izy, sady nampahafantariny fa ho eto an-tany ny razamben’ilay ‘taranaka’ nampanantenaina hanafaka ny olombelona.

Olon-tokana. Amin’ny endriny milaza tokana ny teny hebreo sy grika ilazana ny taranak’i Abrahama na ny taranak’olon-kafa amin’ny fitambarany. Toa misy antony lehibe matoa ilay hoe zeraʽ no nampiasaina matetika hilazana ny taranak’i Abrahama, fa tsy ilay hoe banim (“zanaka”; tkn.: ben) izay amin’ny endriny milaza maro. Noresahin’ny apostoly Paoly tokoa fa olona tokana, dia i Kristy, ilay taranak’i Abrahama nolazain’Andriamanitra fa hahazoan’ny olona fitahiana. Hoy izy: “Tamin’i Abrahama sy tamin’ny taranany no nilazana ny fampanantenana. Tsy voalaza hoe: ‘Ary ho an’ireo taranaka [gr.: spermasin]’, toy ny milaza maro, fa toy ny milaza tokana, dia hoe: ‘Ary ho an’ny taranakao [gr.: spermati]’, dia i Kristy izany.”​—Ga 3:16.

Misy manam-pahaizana milaza hoe diso eo ny nampiasan’i Paoly ny hoe “taranaka” amin’ny endriny milaza tokana sy maro. Tsy miova mihitsy mantsy, hono, ilay teny hebreo hoe zeraʽ (“taranaka”) na ilazana tokana na ilazana maro. Tsy fantatra koa, hono, raha ilazana tokana na maro ilay hoe “taranaka”, rehefa jerena ny matoanteny sy ny mpamari-toetra miaraka aminy. Misy porofo hafa anefa manamarina ny fitsipi-pitenenana nampiasain’i Paoly sy ny fanazavana nomeny. Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1894, Boky Faha-9, p. 506): “Hafa tanteraka noho ny eo aloha [matoanteny sy mpamari-toetra miaraka amin’ny hoe “taranaka”] ny firafitry ny fehezanteny miaraka amin’ireo mpisolo tena. Ilazana olona tokana na iray ao anatin’ny maro ny mpisolo tena milaza tokana [miaraka amin’ny hoe zeraʽ], fa ilazana ny taranaka rehetra kosa ilay milaza maro. Nanaraka foana an’io fitsipika io ny [Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo] ... Nahafantatra an’io fitsipika io i Petera matoa izy nilaza fa olon-tokana ilay taranaka resahin’ny Gen. 22:17, 18, tamin’izy niresaka tamin’ny Jiosy tao Jerosalema talohan’ny niovan’i Paoly finoana (Asa 3:26). Efa nilaza toy izany koa i Davida arivo taona talohany (Sal. 72:17).”

Hoy koa ilay rakipahalalana: “Tian’i Paoly havahana ny hoe taranaka iray sy taranaka maro, fa tsy ny hoe taranaka iray sy taranaka iray hafa. Raha ilay andininy notononin’i Petera ihany koa no notononiny, dia mitombina ny fanazavany satria ny mpisolo tena hoe ‘-ny’ [fa tsy hoe -n’izy ireo] no ao amin’ilay hoe ‘fahavalony.’ Mitovy amin’ny hoe zanaka ny hoe taranaka miaraka amin’ny mpisolo tena milaza tokana.”

Intỳ misy ohatra: Azo ilazana olona tokana na maro ny hoe “zanaka.” Raha mpisolo tena hoe “izy” anefa no ilazana azy ao amin’ny fehezanteny manaraka, dia mazava fa olon-tokana ilay resahina.

Tsy ny taranak’i Abrahama rehetra ilay ‘taranany’ hahazoan’ny firenena rehetra eto an-tany fitahiana. Tsy voafidy hitondra fitahiana ho an’ny olombelona mantsy ny taranak’i Ismaela zanany sy ny an’ireo zanany lahy hafa naterany tamin’i Ketora. Ho avy amin’i Isaka kosa ilay taranaka, satria hoy i Jehovah: “Avy amin’i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.” (Ge 21:12; He 11:18) Niteraka an’i Jakoba sy Esao i Isaka, nefa i Jakoba no nomena an’ilay fampanantenana. (Ge 25:23, 31-34; 27:18-29, 37; 28:14) I Jakoba indray nilaza fa avy amin’ny fokon’i Joda i Silo (“Ilay Tompony; Izy no Tompony”), izay hankatoavin’ireo firenena. (Ge 49:10) Avy eo, ny taranak’i Davida no voafidy hipoiran’ilay taranaka avy amin’ny fokon’i Joda. (2Sa 7:12-16) Nanantena àry ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany fa olona tokana ilay Mesia na Kristy mpanafaka (Jn 1:25; 7:41, 42), na dia nihevitra koa aza izy ireo fa ry zareo taranak’i Abrahama no vahoaka nankasitrahan’Andriamanitra sy zanany.​—Jn 8:39-41.

Misy olon-kafa koa nampidirina ho anisan’ilay taranaka. Niteny tamin’i Abrahama toy izao ilay anjely nisakana azy tsy hanao sorona an’i Isaka zanany: “‘Mianiana amin’ny tenako aho’, hoy i Jehovah, ‘fa noho ianao nanao izao zavatra izao ka nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa aho, ka tena hataoko maro ny taranakao, eny, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony. Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao.’”​—Ge 22:16-18.

Raha tsy taranaka ara-bakiteny no resahin’io fampanantenan’Andriamanitra io, dia hisy olon-kafa koa ho anisan’ny taranak’i Abrahama, ankoatra an’ilay taranaka voalohany. Izany tokoa no izy, araka ny fanazavan’i Paoly. Nilaza izy fa tamin’ny alalan’ny fampanantenana, fa tsy tamin’ny alalan’ny lalàna, no nanomezana lova ho an’i Abrahama. Nomena mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna fotsiny mantsy ny Lalàna, “mandra-pahatongan’ilay taranaka.” (Ga 3:19) Lasa azo antoka àry ilay fampanantenana ho an’ny taranak’i Abrahama manontolo, “izany hoe tsy ireo mifikitra amin’ny Lalàna ihany, fa ireo mifikitra amin’ny finoan’i Abrahama koa.” (Ro 4:16) Hoy koa i Jesosy Kristy tamin’ireo Jiosy nanohitra azy: “Ataovy àry ny asan’i Abrahama raha zanak’i Abrahama ianareo.” Te hilaza izy fa ireo manam-pinoana hoatran’i Abrahama no tena taranany eo imason’Andriamanitra, fa tsy ireo taranany ara-nofo. (Jn 8:39) Nilaza mazava i Paoly hoe: “Raha an’i Kristy ianareo, dia tena taranak’i Abrahama, sady mpandova araka ny fampanantenana.”​—Ga 3:29; Ro 9:7, 8.

Tanteraka àry ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe: “Tena hataoko maro ny taranakao, eny, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina”, rehefa lasa anisan’ny taranak’i Abrahama koa ireo “an’i Kristy.” (Ge 22:17; Mr 9:41; 1Ko 15:23) Tsy nolazain’Andriamanitra ny isan’izy ireo, ary tsy fantatra fa hoatran’ny isan’ny kintana sy ny fasika. Efa tamin’ny taona 96 tany ho any vao nampahafantariny ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy nosoratan’ny apostoly Jaona, fa 144 000 ireo anisan’ny Israely ara-panahy “voaisy tombo-kase.” Ny fanahin’Andriamanitra io tombo-kase io, ary izy io no antoka fa hahazo lova any an-danitra izy ireo.​—Ef 1:13, 14; Ap 7:4-8; 2Ko 1:22; 5:5.

Mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona miaraka amin’ny Zanak’ondry ireo 144 000 ireo. “Novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.” (Ap 14:1, 4) Nanolotra ny ainy ho azy ireo i Jesosy Kristy. Lasa Mpisoronabe koa izy ka ‘ampiany ny taranak’i Abrahama.’ (He 2:14-18) Tsara fanahy Andriamanitra Ray ka nomeny ho an’ilay Zanany io fiangonana na “ampakarina” io. (Jn 10:27-29; 2Ko 11:2; Ef 5:21-32; Ap 19:7, 8; 21:2, 12) Lasa mpanjaka sy mpisorona izy ireo, ary homem-boninahitra miaraka amin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakana nomen’ny Rainy azy. (Lk 22:28-30; Ap 20:4-6) Lafiny iray monja amin’ilay zava-miafina masina lehibe momba ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia àry ilay zava-miafina masina momba ilay Taranaka.​—Ef 1:9, 10; jereo ZAVA-MIAFINA MASINA.

Nanazava momba ny nifidianan’Andriamanitra an’ireo anisan’ilay taranaka i Paoly rehefa nilaza fa sary an’ohatra i Abrahama, Saraha vadiny (vehivavy afaka), ary Isaka ilay zanaky ny fampanantenana. Nohariny tamin’i Saraha ilay ‘Jerosalema any ambony [renin’ny Kristianina voahosotra].’ Nohariny tamin’i Isaka kosa ireo Kristianina zanak’io ‘reny’ io.​—Ga 4:22-31.

Tonga ilay ‘taranaka.’ I Jesosy no ‘taranaka’ voalohany. Taranak’i Abrahama izy raha avy amin’i Maria reniny. Avy amin’ny fokon’i Joda koa izy, ary taranak’i Davida satria samy taranak’i Davida i Maria sy Josefa ray nitaiza azy. (Mt 1:1, 16; Lk 3:23, 31, 33, 34) I Jesosy àry ilay taranaka nampanantenaina. Tsy hoe vao teraka anefa izy dia efa ‘taranak’ilay vehivavy [na “Jerosalema any ambony”].’

Tamin’i Jesosy nateraky ny fanahy ka lasa zanak’Andriamanitra ara-panahy kosa, vao lasa ‘taranak’ilay vehivavy’ sy ilay Taranaka hitondra fitahiana ho an’ny firenena rehetra izy. Nitranga izany rehefa nataon’i Jaona batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana izy tamin’ny taona 29, tamin’izy 30 taona teo ho eo. Nilatsaka taminy ny fanahy masina, izay toy ny voromailala ny fahitan’i Jaona azy. Nilaza koa Andriamanitra tamin’izay hoe Zanany i Jesosy.​—Mt 3:13-17; Lk 3:21-23; Jn 3:3.

Lasa anisan’ilay ‘taranaka’ koa ny fiangonana kristianina, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Efa niakatra tany an-danitra mantsy i Jesosy, niseho teo anatrehan’ny Rainy, ary nandatsaka ny fanahy masina tamin’ireo mpianany voalohany ireo, anisan’izany ny apostoly 12. (As 2:1-4, 32, 33) ‘Nampiany’ ireo anisan’ny taranak’i Abrahama, rehefa lasa Mpisoronabe tahaka an’i Melkizedeka izy.​—He 2:16.

Mifandrafy ireo taranaka roa. Nankahala mafy an’ireo mpanompon’Andriamanitra nanam-pinoana toa an’i Abrahama ny ‘taranak’i’ Satana Devoly, ilay menarana lehibe, araka ny asehon’ny Baiboly imbetsaka. Niezaka nisakana na nanelingelina ny fipoiran’ny taranaky ny vehivavy i Satana. (Ampit. Mt 13:24-30.) Nenjehiny mihitsy aza io taranaka io, indrindra fa i Jesosy Kristy. (As 3:13-15) Hoy i Paoly: “Nanenjika an’ilay nateraka araka ny fanahy [Isaka] ilay nateraka araka ny nofo [Ismaela] tamin’izany fotoana izany. Dia tahaka izany koa ankehitriny.” (Ga 4:29) Resahin’ny faminaniana nosoratana tatỳ aoriana fa niorina tany an-danitra ilay Fanjakana, ary natsipy tetỳ an-tany ny Devoly ka kely sisa ny fotoana ahafahany mankahala an’ilay taranaka. Hoy koa ilay faminaniana: “Ary tezitra tamin-dravehivavy ilay dragona, ka lasa nandeha niady tamin’ny sisa amin’ny taranany, izay nitandrina ny didin’Andriamanitra sy nanankinana ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.” (Ap 12:7-13, 17) Hifarana io adin’i Satana amin’ny sisa amin’ny taranaky ny vehivavy io rehefa ‘torotoroina eo ambany tongotr’izy ireo izy.’​—Ro 16:20.

Fitahiana ho an’ny firenena rehetra. Efa mitondra fitahiana lehibe ho an’ny olona tso-po i Jesosy Kristy, ilay Taranaka, noho ny fampianarany sy ny tari-dalana nomeny ny fiangonana nanomboka tamin’ny Pentekosta. Ho mpisorona miaraka aminy koa anefa ireo ‘rahalahiny’ ara-panahy natsangana tamin’ny maty izay hiara-manjaka aminy, rehefa manomboka ny Fanjakana Arivo Taona. (Ap 20:4-6) “Hanao izay hahazoany fitahiana” ireo manam-pinoana sy mankatò, ka homena fiainana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama, mandritra ny fitsarana “ny maty, na ny lehibe na ny kely” izay hijoro eo anoloan’ny seza fiandrianana. (Ap 20:11-13; Ge 22:18) Ho velona sy ho sambatra mandrakizay àry izy ireo.​—Jn 17:3; ampit. Ap 21:1-4.

Fananganana an’ilay ‘taranaka’ amin’ny maty. Nanazava i Petera fa “nofo” i Jesosy Kristy, ilay Taranaka, “rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina” na natsangana tamin’ny maty. (1Pe 3:18) Toy izao ny fanoharana nolazain’i Paoly, tamin’izy niresaka momba ny fananganana an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy: “Tsy hovelomina izay afafinao raha tsy maty aloha. Ary tsy ilay zavamaniry hipoitra no afafinao, fa voa fotsiny ihany, na voa inona izany na voa inona. Omen’Andriamanitra vatana araka izay tiany anefa ilay voa, ary ny voa tsirairay samy omeny ny vatany avy. ... Toy izany koa ny fitsanganan’ny maty. Vatana mety lo izy rehefa afafy, fa vatana tsy mety lo kosa rehefa atsangana. Afa-boninahitra izy rehefa afafy, fa be voninahitra rehefa atsangana. ... Vatana ara-nofo izy rehefa afafy, fa vatana ara-panahy rehefa atsangana.” (1Ko 15:36-44) Rehefa maty àry ireo anisan’ny ‘taranaky ny vehivavy’ na “taranak’i Abrahama”, dia afoiny ny vatan’olombelona mety lo nananany. Omena vatana tsy mety lo sy be voninahitra kosa izy rehefa atsangana.