Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy

Taratasy

Nifandray an-taratasy ny olona fahiny. Nisy taratasy ofisialy, taratasy fifampivarotana, ary taratasy ho an’olona iray na maromaro.​—2Sa 11:14; 2Mp 5:5-7; 10:1, 2; 2Ta 30:1; Ezr 4:7; Is 37:14; Je 29:1; As 9:1, 2; 28:21; 2Te 2:2; He 13:22.

Ilazana zavatra nosoratana ny hoe sefer (heb.), izay midika koa hoe “boky; taratasy; asa soratra; taratasy fanamarinana; taratasy fifanekena; taratasy ofisialy.” Mety ho litera na taratasy kosa ny hoe gramma (gr.). (2Ko 3:7; As 28:21) Hafatra an-tsoratra ihany no atao hoe epistôle (gr.).​—1Ko 5:9.

Nasiana tombo-kase ny taratasy tsiambaratelo. (1Mp 21:8) Tsy naneho fanajana àry i Sanbala rehefa nandefa taratasy tsy nihidy ho an’i Nehemia, angamba mba ho fantatry ny besinimaro ny fiampangana nosoratany tao.​—Ne 6:5.

Tsy taratasy papyrus ihany fa vakin-tanimanga sy takelaka tanimanga koa no nasiana soratra fahiny. Nahitana takelaka an’arivony tany Babylonia sy tany amin’ny faritra hafa. Nosasana sy nodiovina ny takelaka tanimanga malamalama, ary nasiana soratra miendri-pantsika (telozoro) tamin’ny penina, raha mbola lena. Nasiana tranony vita amin’ny tanimanga ireny takelaka ireny matetika. Natao teo amin’io tranony io koa ilay soratra indraindray, raha fifanekena ilay izy. Nasiana tombo-kase izy io, ary nandrahoina tao anaty lafaoro na natapy tamin’ny masoandro mba ho mafy sy hateza.​—Jereo ARKEOLOJIA.

Mpitan-tsoratra matihanina no nanoratra taratasy matetika. Nisy foana, ohatra, tao an-dapan’i Persa mba hanoratra taratasim-panjakana. (Es 8:9; Ezr 4:8) Nisy mpitan-tsoratra koa teny an-tsena teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna, ka nasain’ny olona nanoratra taratasy tsotra sy taratasy fifampivarotana.

Iraka (2Mp 19:14; Es 3:13; 8:14) na mpihazakazaka (2Ta 30:6) no nampitondraina taratasy indraindray, saingy toa taratasy ofisialy ihany, hatramin’ny andron’ny Romanina. Olom-pantatra na mpivarotra nandeha lavitra àry no nampitondrain’ny olon-tsotra ny taratasiny.

Nisy taratasy fiderana koa fahiny. Tsy nila nanome taratasy fiderana ho an’ny Kristianina tany Korinto na nomen’izy ireo anefa ny apostoly Paoly, mba hanaporofoana fa mpitory ny tenany. Izy mantsy no nanampy azy ireo ho lasa Kristianina, ka hoy izy: “Ianareo no taratasinay, voasoratra ato am-ponay, ary fantatra sy vakin’ny olona rehetra.”​—2Ko 3:1-3.

Nanampy ny fiangonana kristianina hiroborobo, hiray saina, ary hadio ny taratasy nalefan’i Paoly, Jakoba, Petera, Jaona, Joda, ary ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema, tamin’ny taonjato voalohany.​—As 15:22-31; 16:4, 5; 2Ko 7:8, 9; 10:8-11.