Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy Fifanekena

Taratasy Fifanekena

Taratasy misy fifanarahana ara-dalàna momba ny fomba hanatanterahana an’izay kasaina hatao; taratasy famindram-pananana. Nosoniavina ilay izy, ary indraindray nasiana tombo-kase. Resahin’ny Baiboly fa nividy saha tamin’i Hanamela zanaky ny rahalahin-drainy i Jeremia. Ao amin’io fitantarana io ihany ny teny hebreo hoe sefer no nadika hoe taratasy fifanekena.​—Je 32:6-15.

Izao no natao talohan’ny nanaovana ilay taratasy: Nolanjaina teo anatrehan’ny vavolombelona ny vola nividianana an’ilay saha, dia “sekely fito sy farantsa volafotsy folo.” (Je 32:9) Tsy dia lafo ilay izy, raha sekely volafotsy 17 (37 dolara eo ho eo) ilay hoe ‘fito sy folo.’ Nisy ady sy mosary mantsy tamin’izay (volana vitsivitsy talohan’ny nandresen’i Nebokadnezara an’i Jerosalema).

Taratasy roa no natao “araka ny didy sy ny lalàna”, rehefa voaloa ilay vola. Nitovy angamba izy ireo. ‘Taratasy fifampivarotana nasiana tombo-kase’ ny iray, fa ‘ilay iray kosa navela hisokatra.’ (Je 32:11) Ilay voalohany ihany no nosoniavin’ny vavolombelona. “Teo anatrehan’ny Jiosy rehetra nipetraka teo amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina” no nanaovana izany rehetra izany. (Je 32:12) Notehirizina tao anaty vilany tany ireo taratasy roa avy eo.​—Je 32:14.

Tena mety ny hoe taratasy roa nitovy no natao fa ny iray ihany no nasiana tombo-kase. Afaka nijery an’ilay navela hisokatra mantsy ireo nanao fifanekena. Raha simba ilay izy, na natahorana hoe novana na sandoka, dia azo natolotra an’ireo mpitsara tao an-tanàna ilay nasiana tombo-kase. Nodinihin’izy ireo ilay tombo-kase, ary nosokafany. Afaka nampitaha an’ireo taratasy roa izy ireo avy eo.