Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tarehy, Tava

Tarehy, Tava

Manana heviny maro ilay teny hebreo (paneh) sy grika (prôsôpôn) nadika hoe “tarehy” na “tava”, toy ny amin’ny teny malagasy ihany.

Matetika no tarehy, na faritra anoloana amin’ny loha, no tiana holazaina (Ge 50:1; Mt 6:16, 17; Jk 1:23), na mety ho ny faritra anoloana amin’ny zavatra iray (Ek 26:9; 2Sa 10:9; Ezk 2:9, 10: Nadika koa hoe ‘aloha’ na “ambadika” ny hoe paneh ao amin’ireo andininy ireo.) Mety hidika koa anefa izy io hoe ny fanambonin’ny zavatra iray na ny faritra manerana ny tany (Is 14:21; Jb 38:30; As 17:26), na izay miseho etỳ ivelany amin’izy io.​—Lk 12:56; Jk 1:11.

Fomba fiteny misy hoe “tava” na “tarehy.” Hita soritra eo amin’ny tarehin’ny olona ny ao an-tsainy sy ny ao am-pony. Matetika àry ny hoe “tava” na “tarehy” no ampiasaina hilazana an’izay tsapan’Andriamanitra na tsapan’ny olona eo anatrehan’ny toe-javatra samihafa, na koa hilazana ny fomba fiheveran’Andriamanitra na fiheveran’ny olona ny olon-kafa. Ireto misy ohatra:

‘Mitady ny tavan’ny olona iray’, izany hoe mangataka hihaona na hiresaka aminy (amin’Andriamanitra na mpitondra, ohatra) ka manao izay ahazoana sitraka na mangataka fanampiana aminy. (Sl 24:6, f.a.p.; 27:8, 9, f.a.p.; 105:4, f.a.p.; Oh 29:26, f.a.p.; Ho 5:15, f.a.p.) Fitenin’ny Hebreo koa ny hoe ‘manandratra ny tavan’ny olona iray’ mba hilazana hoe mihevitra azy na ‘manaiky ny fangatahany.’​—1Sa 25:35; jereo TSY MIZAHA TAVAN’OLONA, TSY MIANGATRA.

‘Manalefaka ny tavan’ny olona iray’, izany hoe mampitony ny fahatezerany na manao izay ahazoana sitraka aminy.​—Ek 32:11; Sl 119:58.

‘Mampamirapiratra ny tava amin’ny olona iray’, izany hoe mankasitraka azy. (No 6:25; ampit. Sl 80:7.) Rehefa ataon’ny olona iray ‘eo anatrehany’ ny olona iray hafa, izany hoe rehefa ataony mitodika any aminy ny tavany, dia mety hidika izany hoe miahy azy izy.​—Sl 41:12; 140:13.

‘Mifanatri-tava’, izany hoe mifandray akaiky na mifampiresaka toy ny mpinamana. Nanana fifandraisana akaiky be toy izany tamin’Andriamanitra i Mosesy, ary nanampy azy Andriamanitra hanao fahagagana, hany ka nantsoina hoe mpaminany “tena fantatr’i Jehovah tsara” izy. (De 34:10-12, f.a.p.) Voalaza fa ‘nahita ny endrik’i Jehovah’ izy ary ‘niresaka nivantana’ taminy i Jehovah. Tsy hoe tena nahita ny tarehin’i Jehovah anefa i Mosesy. Asehon’ny Soratra Masina kosa hoe nampiasa anjely (fa tsy fahitana na nofy) i Jehovah ka io no niresaka nivantana tamin’i Mosesy. (No 12:6-8; Ek 33:20; As 7:35, 38; Ga 3:19; ampit. Ge 32:24-30; Ho 12:3, 4.) Nampahatsiahivin’i Mosesy ny Israely hoe “niteny nifanatrika” tamin’izy ireo Andriamanitra. Tsy hoe tena nahita an’i Jehovah anefa izy ireo, fa nandre an’ilay feo mafy tao Sinay kosa.​—De 5:4; 4:11-15; He 12:19.

I Jesosy kosa tena niaraka tamin’ny Rainy tany an-danitra, talohan’ny naha olombelona azy. Nilaza izy fa mahita ny ‘tavan’Andriamanitra’ koa ny anjely, satria manompo any an-danitra izy ireo. (Jn 1:18; 8:57, 58; Mt 18:10; ampit. Lk 1:19.) Hahita an’i Jehovah Andriamanitra koa ireo mpiara-mandova amin’i Kristy, rehefa tonga any an-danitra izy ireo.​—1Jn 3:1-3.

Hoy ny apostoly Paoly: “Mahita manjavozavo eo amin’ny fitaratra metaly isika ankehitriny, fa amin’izany kosa dia hahita mifanatrika [na hifanatri-tava aminy].” (1Ko 13:12; ampit. 2Ko 3:18; 4:6.) Fantany mantsy fa na efa nahalala ny fikasan’Andriamanitra aza ireo Kristianina voalohany, dia mbola hitombo kokoa izany fahalalana izany rehefa hahazo valisoa any an-danitra izy ireo. Na i Paoly koa aza nanjary nahatakatra tsara an’ilay fikasan’Andriamanitra manontolo rehefa nihatanteraka ny faminaniana.

Raha ‘eo anatrehan’ny tavan’ny olona iray’ no miteny na manao zavatra, dia midika izany hoe manao zavatra an-kitsirano na imasoimaso (De 7:10, f.a.p.; Jb 21:31, f.a.p.), nefa mety hidika koa hoe sahisahy ratsy sy tsy manaja.​—Jb 1:11; Is 65:3.

‘Mampitodika ny tava’, izany hoe mifantoka tsara amin’ny tanjona na fikasana iray (2Mp 12:17, f.a.p.), ary koa hoe tapa-kevitra mafy. (2Ta 20:3; Da 11:16-19; Lk 9:51-53) “Nitodika [na nampitodika ny tavany] tamin’i Jehovah” i Daniela, izany hoe nitady mafy Azy mba hahazoana fanampiana. (Da 9:3) Matetika no hita soritra eny amin’ny tarehin’ny olona hoe tena tapa-kevitra izy: Mihidy mafy ny molony sy ny valanoranony, ary midiridiry ny masony. Nataon’i Isaia ‘mafy toy ny vatoafo ny tarehiny’, satria tena tapa-kevitra hamita ny fanompoany izy na dia nisy fahavalo nandrebireby aza. (Is 50:7) “Mafy toy ny harambato” ny tavan’ireo mpikomy tao Joda, satria mafy hatoka sy tsy laitra nanarina izy ireo. (Je 5:3, f.a.p.) Voalaza fa ‘mampitodika ny tavany hamely’ an’ireo mandika ny lalàny i Jehovah. Midika izany fa laviny sy melohiny izy ireo ka hiharan-doza na ho faty.​—Le 17:10, f.a.p.; 20:3-6, f.a.p.; Je 21:10, f.a.p.; ampit. 1Pe 3:12.

‘Manafina ny tava’: Manana heviny maromaro izy io arakaraka izay zavatra resahina. Rehefa i Jehovah Andriamanitra no lazaina hoe manafina ny tavany amin’ny olona iray na maromaro, dia matetika izany no midika hoe tsy ankasitrahany na tsy ampiany intsony ilay olona na ireo olona ireo, satria mety hoe tsy nankatò Azy. Izany, ohatra, no nitranga tamin’ny firenen’Israely. (Jb 34:29; Sl 30:5-8; Is 54:8; 59:2) Lazaina hoe manafina ny tavany i Jehovah indraindray rehefa mbola tsy manao zavatra na tsy mamaly vavaka fa miandry ny fotoana mety aminy. (Sl 13:1-3) Hoy i Davida tamin’i Jehovah: “Afeno tsy hahita ny fahotako ny tavanao.” Niangavy an’Andriamanitra izy mba hamela ny helony na hanaisotra ny fahadisoany.​—Sl 51:9; ampit. Sl 10:11.

Raha olona na anjely kosa no lazaina hoe manafina na manarona ny tarehiny, dia mety hoe manetry tena izy na manaja na matahotra. (Ek 3:6; 1Mp 19:13; Is 6:2) Mety hanafina na hanarona ny tavany koa anefa ny olona nidonam-pahoriana. (2Sa 19:4) Mifanohitra amin’izany kosa ny nampiasain’i Elifaza an’ilay hoe manarona ny tarehy. Nanendrikendrika an’i Joba izy hoe nahatonga an’i Joba hiavonavona, hono, ny harenany ka toy ny hoe nataon’i Joba nanarona ny tarehiny ny tavy, na nataony “matavitavy ny tarehiny.” (Jb 15:27) Rehefa saronana ny tarehin’ny olona iray dia mety hidika ho fahafaham-baraka izany na loza, toy izay nanjo an’i Hamana.​—Es 7:8; ampit. Sl 44:15; Je 51:51.

‘Mihodina tsy mijery’, na manodina ny tava tsy hijery, izany hoe manome lamosina. Mety hidika ho fanamavoana na fanaovana tsinontsinona izany. (2Ta 29:6; Je 2:27; 32:33) Ataon’Andriamanitra tsinontsinona ireo mandà ny toroheviny, ka ‘homeny lamosina fa tsy hatrehiny’, izany hoe tsy mampitodika ny tavany any amin’izy ireo izy, rehefa ianjadiam-pahoriana izy ireo.​—Je 18:17.

‘Mandrora olona eo amin’ny tarehiny’, izany hoe manala baraka azy tanteraka.​—No 12:14; De 25:9; Is 50:6; Mt 26:67.

Ilazana an’ilay olona mihitsy na ny maha eo azy. Amin’ny faritra eo amin’ny vatana, dia ny tarehy no tena mampiavaka ny olona sy mora ahafantarana ny toetrany. Ampiasaina àry ny teny hoe “tava” na “tarehy” indraindray mba hilazana an’ilay olona mihitsy. Ahitana ilay teny hebreo sy grika midika hoe “tarehy” na “tava”, ohatra, ao amin’ny fitenenana hoe “eo anoloanao” (2Sa 7:9) na “ianao mihitsy” (2Sa 17:11) na “eo anatrehan’ny” (As 3:13).

Nisy “mofo aseho” tao amin’ny tranolay masina, ary midika ara-bakiteny hoe mofon’ny tarehy io teny io (Ek 25:30), izany hoe mofo manambara fa manatrika eo i Jehovah. Hamafisin’ilay anarana hoe mofo aseho àry fa akaikin’ny vahoaka i Jehovah, ary izany rahateo no asehon’ireo zavatra tao amin’ny tranolay masina.

Fomba hafa ampiasana ny hoe “tava.” Indraindray ny teny grika (prôsôpôn) nadika hoe “tava” dia ilazana an’izay “miseho etỳ ivelany”, ka ahalalana raha manankarena na tsia ilay olona iray, na olona ambony izy na tsotsotra.​—2Ko 5:12; Ga 2:6.

Indraindray, dia ilazana ny faritra manodidina ny orona ny teny hebreo hoe ʼaf (orona, vavorona). Matetika àry no nadika hoe “tava” io teny hebreo io mba hilazana olona miankohoka. (Ge 3:19; 19:1; 48:12) Ampiasaina ilay teny hebreo hoe ʽayin (maso) mba hilazana an’i Jehovah rehefa lazaina an’ohatra hoe miseho na “mifanatri-tava” amin’ny vahoakany izy.​—No 14:14.