Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tarsisy

Tarsisy

(Tarsìsy) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manorotoro”].

1. Iray amin’ireo efa-dahy zanak’i Javana teraka taorian’ny Safodrano. (Ge 10:4; 1Ta 1:7) Anisan’ireo lohan’ny fianakaviana 70 niavian’ireo firenena ‘niely teto ambonin’ny tany’ izy. (Ge 10:32) Lasa anarana firenena sady anarana faritra ilay hoe Tarsisy, toy ny anaran’ireo zanak’i Javana hafa ihany.

2. Taranak’i Benjamina sady zanak’i Bilana.​—1Ta 7:6, 10.

3. Iray amin’ireo andriana fito mpanolo-tsain’i Ahasoerosy Mpanjaka, izay nandinika ny amin’ny tokony hatao amin’i Vasty vadin’ny mpanjaka noho izy nikomy.​—Es 1:12-15.

4. Faritra nonenan’ny taranak’i Tarsisy, zanakalahin’i Javana sady zafikelin’i Jafeta. Misy fanazavana ahalalana hoe taiza no nalehan’ny taranak’i Tarsisy taorian’ny Safodrano, rehefa nifindrafindra monina nandritra ny taonjato maro izy ireo.

Nirahin’i Jehovah ho any Ninive any Asyria i Jona mpaminany (t. 844 T.K.). Nandositra nankany amin’ny seranan-tsambon’i Jopa (Tel Aviv-Yafo) teo amoron’i Mediterane anefa izy, ary nandeha “sambo ho any Tarsisy.” (Jo 1:1-3; 4:2) Faritra amoron’i Mediterane na nosy àry i Tarsisy sady teny ampitan’i Ninive, ary aleo nandeha sambo toy izay nandeha an-tanety rehefa nankany. Milaza ny Ezekiela 27:25, 26 fa nankeny “afovoan-dranomasina” “ireo sambon’i Tarsisy.”​—Ampit. Sl 48:7 sy Jo 2:3.

Nirehareha i Esara-hadona mpanjaka asyrianina (taonjato fahafito T.K.) fa resiny i Tyro sy Ejipta. Nandoa hetra taminy, hono, ny mpanjaka rehetra tao amin’ireo nosy hatrany Sipra “ka hatrany Tarsisi.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 290) Azo inoana àry fa tany amin’ny faritra andrefan’i Mediterane io “Tarsisi” io, satria tany amin’ny faritra atsinanana i Sipra. Misy manam-pahaizana mihevitra azy io ho Sardaigne, nosy any amin’ny faritra andrefan’i Mediterane.

Mety ho i Espaina. Mihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa i Espaina no Tarsisy. Nilaza mantsy ny mpanoratra grika sy romanina fahiny fa nisy toerana na faritra nantsoina hoe Tartessus tany Espaina. Tanàna iray tany amin’ny faritra nanodidina ny Reniranon’i Goadalkivira any Andalousie i Tartessus, hoy i Strabon, Grika mpahay tantara (taonjato voalohany T.K.). (Jeografia, 3, II, 11) Toa ny faritra atsimon’ny Saikinosy Iberika anefa no tena nantsoina hoe Tartessis.

Maro ny boky manantitrantitra fa nozanahin’ny Fenisianina ny morontsirak’i Espaina, ary zanatany fenisianina i Tartessus. Toa tsy voaporofo anefa izany. Hoy àry ny Rakipahalalana Britannica (1959, Boky Faha-21, p. 114): “Tsy dia namela soritra tao amin’ilay tany ny Fenisianina sy ny mponin’i Carthage, tsy sahala amin’ny Grika. Mety ho efa hatramin’ny taonjato faha-9 T.K. ny sambo avy any Tyro sy Sidona no nanao raharaham-barotra tany ampitan’ny andilan-dranomasin’[i Gibraltar] sy tany Cadix. Tsy nahita tanàna fenisianina na dia iray aza anefa ireo mpikaroka maoderina, rehefa nofongarina ireo tanàna grika sy iberika ary romanina fahiny tany. Tsy nisy zavatra tena niavaka hitany koa tamin’ireo sisan-javatra fenisianina, afa-tsy haingo sy firavaka vitsivitsy ary zavatra natao takalo mitovitovy amin’izany. Mazava àry fa tsy nanorina tanàna tany ny Fenisianina, afa-tsy tao Cadix angamba. Toerana fanaovany varotra fotsiny tany, na toerana nijanonany vetivety.” Milaza koa ny tantara fa efa nisy mponina tany Espaina, rehefa tonga hanao raharaham-barotra tany ny Fenisianina sy ny Grika. Nentin’ireo teratany teo anatrehan’izy ireo ny volafotsy, vy, firapotsy, ary firamainty notadiaviny.

Azo inoana àry fa niely nanerana ny Saikinosy Iberika ny taranak’i Javana (Ionianina) avy tamin’i Tarsisy zanany, ka lasa maro be izy ireo tany. Misy boky ara-baiboly hafa koa milaza zavatra mitovitovy amin’izany. Lazain’izy ireo mantsy fa tany amin’ny Saikinosy Iberika i Tarsisy.

Nifampiraharaha ara-barotra tamin’i Solomona. Nifampiraharaha ara-barotra tamin’i Tarsisy tokoa ny Fenisianina, araka ny hamarinin’ny fitantarana tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka (taonjato 13 teo ho eo taorian’ny Safodrano). Nanomboka nanao raharaham-barotra tany ampitan-dranomasina mantsy ny firenen’Israely tamin’izay. Nanana sambo maromaro tao amin’ny faritry ny Ranomasina Mena i Solomona, ary ireo tantsambo za-draharaha nomen’i Hirama Fenisianina mpanjakan’i Tyro, no anisan’ny niandraikitra azy ireny. Tany Ofira, tany be volamena, no tena nalehan’ireo sambo ireo. (1Mp 9:26-28) Nanana “andian-tsambon’i Tarsisy” “niaraka tamin’ny andian-tsambon’i Hirama” koa i Solomona. Nandeha naka volamena, volafotsy, ivoara, rajako ary vorombola izy ireny isaky ny telo taona. (1Mp 10:22) Lasa anarana karazan-tsambo ilay hoe “sambon’i Tarsisy” tatỳ aoriana, araka ity fanazavana ity: “Sambo lehibe mahatanty dia an-dranomasina, ary mahavita mivezivezy mankany Tarsisy.” (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo sy Anglisy, nataon’i Brown, Driver, ary Briggs, 1980, p. 1077) Milaza àry ny 1 Mpanjaka 22:48 fa “nanao sambon’i Tarsisy” i Josafata Mpanjaka (936-911 T.K.), “mba handehanana haka volamena tany Ofira.”

Ny bokin’ny Tantara anefa milaza fa “nankany Tarsisy” isaky ny telo taona ireo sambon’i Solomona. (2Ta 9:21) Voalaza ao koa fa nanao sambo “ho any Tarsisy” i Josafata, nefa “tsy tody tany Tarsisy” izy ireny fa rendrika. (2Ta 20:36, 37) Tsy tany Ofira ihany àry no nalehan’ireo “sambon’i Tarsisy” nataon’ny Israelita, fa nankany amin’ny Ranomasina Mediterane koa. Toa sarotra inoana izany satria natao tao Eziona-gebera eo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba ny sasany tamin’ireo sambo ireo, ary avy tao no niainga. (1Mp 9:26) Tsy maintsy ho namakivaky lakandrano avy teo amin’ny Ranomasina Mena nankany amin’ny Reniranon’i Nil mantsy izy ireo vao tody tany amin’ny Ranomasina Mediterane, na tsy maintsy ho nihodidina an’i Afrika. Tsy tokony hihevitra anefa isika hoe tsy vitan’izy ireo izany. Tsy misy fomba ahafantarantsika koa hoe taiza daholo ny lalana (na lakandrano) azon’ny sambo naleha tamin’ny andron’i Solomona sy Josafata.

Faminaniana momba azy. Toa tany Tarsisy no nandefasan’ny tanànan’i Tyro ny ankamaroan’ny entam-barony. Mety ho i Tarsisy mihitsy aza no tena nampanan-karena azy. Efa hatry ny ela mantsy i Espaina no nitrandraka volafotsy, vy, firapotsy, ary metaly hafa. (Ampit. Je 10:9; Ezk 27:3, 12.) Rehefa naminany ny handravana an’i Tyro àry i Isaia, dia nilaza fa ‘hidradradradra’ ny sambon’i Tarsisy rehefa ho tonga ao Kitima (na Sipra, seranana farany nandalovany angamba rehefa niantsinanana), ka hahare fa nisy nandroba ny seranan’i Tyro, tanàna nanan-karena.​—Is 23:1, 10, 14.

Resahin’ny faminaniana koa fa halefan’Andriamanitra any Tarsisy ny olony sasany mba hanambara ny voninahiny (Is 66:19), ary ny “sambon’i Tarsisy” hitondra ny zanak’i Ziona avy lavitra. (Is 60:9) Handoa hetra amin’ilay mpanjaka nofidin’i Jehovah “ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny mpanjakan’ireo nosy.” (Sl 72:10) Haniry hahazo amin’ireo zavatra kasain’i Goga avy any Magoga halaina amin’ny vahoakan’i Jehovah koa anefa, “ny mpivarotra avy any Tarsisy” sy ny firenen-kafa mpanao raharaham-barotra. (Ezk 38:13) Oharina amin’ny sambon’i Tarsisy sy amin-javatra hafa ireo olona manandra-tena sy mieboebo ary manambony tena. Haetry anefa izy ireo, ka i Jehovah irery no hasandratra amin’ny “andron’i Jehovah Tompon’ny tafika.”​—Is 2:11-16.