Tarsosy
(Tarsòsy).
Tanàna lehibe renivohitr’i Kilikia faritany romanina. Tany no teraka ny apostoly Paoly. (As 9:11; 22:3) Tanàna rava sisa ilay Tarsosy fahiny, tokotokony ho 16 km avy eo amin’ny Reniranon’i Cydnus, izay mivarina eo amin’ny ilany atsinanan’i Mediterane, 130 km eo ho eo any avaratry ny tendrony atsinanana amin’i Sipra. Mbola Tarsosy ihany ny anaran’ilay tanàna vaovao eo amin’io toerana io.
Tsy fantatra hoe oviana no nisy mponina voalohany tao Tarsosy, ary iza izy ireo. Efa tranainy be mantsy io tanàna io. Ny zavatra voalohany resahin’ny tantara momba azy io dia hoe resin’ny Asyrianina izy io (tsy nisy manda niaro mihitsy ilay tanàna). Nanompo an’ireo fanjakana matanjaka nifandimby izy io avy eo, ary nandoa hetra tamin’izy ireo. Ireto avy izany fanjakana izany: I Asyria, Persa, Gresy, ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus, ary Roma.
Morontsiraka lonaka ny toerana nisy an’i Tarsosy, izay toerana nambolena rongony. Niroborobo tany àry ny orinasa fanenomana lamba rongony sy fanaovana tranolay. Avy tany koa ilay lamba volon’osy fanaovana tranolay, izay nantsoina hoe cilicium. Tena nampahalaza an’i Tarsosy sy nampanan-karena azy koa anefa ilay seranana kanto sy tsara toerana teo amin’ny lalana lehibe indrindra fivezivezen’ny entam-barotra avy any atsinanana miankandrefana. Nankany Syria sy Babylona io lalana io, tany atsinanana. Nandalo teo amin’ilay atao hoe Vavahadin’i Kilikia (hadilanana eo amin’ny Tendrombohitra Taurus, tokotokony ho 50 km any avaratr’i Tarsosy) io lalana io mba hankanesana tany amin’ny ilany avaratra sy andrefan’i Azia Minora.
Maro ny olo-manan-kaja nitsidika an’i Tarsosy, anisan’ireny i Jules César, Marc Antoine, Kleopatra, ary mpanjaka romanina maro hafa. Nipetraka tsindraindray tao Tarsosy i Cicéron tamin’izy governoran’i Kilikia tamin’ny 51-50 T.K. Nalaza koa i Tarsosy noho ireo sekoly tao, tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza mihitsy aza i Strabon, Grika mpahay jeografia, fa mbola tsara lavitra noho ny tany Atena sy Aleksandria ny sekoly tao.—Jeografia, 14, V, 13.
Rariny àry raha nilaza i Paoly fa “tanàna malaza” i Tarsosy. Niteny tamin’ny mpitari-tafika iray izy tamin’izay hoe olom-pirenen’i Tarsosy izy fa tsy Ejipsianina.—As 21:37-39.
Niverina tao Tarsosy, tanàna niaviany, i Paoly indraindray nandritra ny fanompoany (As 9:29, 30; 11:25, 26), ary azo antoka fa nandalo tao izy tamin’ireo dia misionera roa nataony.—As 15:23, 41; 18:22, 23.