Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tartaka

Tartaka

(Tartàka).

Andriamanitra nivavahan’ny Avita, izay nafindran’ny mpanjakan’i Asyria tany Samaria rehefa nataony sesitany ny Israelita tao amin’ny fanjakan’ny foko folo. (2Mp 17:31) Mitovy bika amin’ny ampondra i Tartaka, araka ny Talmoda babylonianina. (Synedriona 63b) Mety ho demonia tany amin’ny faritra ambany, hono, izy io satria mitovy amin’ilay teny pahlavi (persianina) hoe tar-tak (haizina mikitroka, mahery fon’ny haizina) ny hoe Tartaka. Ny Baiboly ihany no miresaka fohy momba azy io, fa tsy fantatra marina hoe andriamanitry ny inona izy.