Tartana
(Tartàna).
Anaram-boninahitry ny manam-pahefana ambony, angamba nanarakaraka ny mpanjaka, araka ny asa soratra asyrianina. Hoy i James Pritchard momba ny filaharan’ny anaram-boninahitra asyrianina: “Arakaraka ny toerana notanan’ny manam-pahefana no nisy azy tao amin’ilay filaharana, ka nanarakaraka ny mpanjaka ny manam-pahefana ambony indrindra (tartano), avy eo ny tandapa ambony ... ary ny governoran’ny faritany lehibe indrindra.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, 1974, p. 274; jereo FANISAN-TAONA [Lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina].) Hoy ny soratra nataon’i Asorobanipala mpanjaka asyrianina, ao amin’ny Tranombakoka Britanika: “Tezitra be aho ary tsy faly mihitsy, noho ireny zava-nitranga ireny. Nantsoiko àry ny tortan manam-pahefana, ireo governora, ary ireo mpanampy azy ka nomeko baiko avy hatrany.”—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 296.
Nirahin’i Sankeriba Mpanjaka i Tartana sy ny manam-pahefana hafa ary Rabsake (lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka) izay nitondra teny, mba handresy lahatra an’i Jerosalema hitolo-batana. Voatonona voalohany i Tartana, satria izy angamba no ambony indrindra. (2Mp 18:17, 28-35) Nisy Tartana nirahin’i Sargona II mpanjakan’i Asyria hanao fahirano ny tanànan’i Asdoda, tamin’ny andron’i Isaia mpaminany.—Is 20:1.