Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tartara

Tartara

(Tartàra).

Fonja an’ohatra ny Tartara, ary midika ho fietrena. Nalefan’Andriamanitra tao ireo anjely tsy nankatò tamin’ny andron’i Noa.

Indray mandeha ihany io teny io no miseho ao amin’ny Soratra Masina. Ao amin’ny 2 Petera 2:4 no misy azy io. Hoy ny apostoly Petera ao: “Tsy niahotra Andriamanitra nanasazy an’ireo anjely nanota, fa natsipiny tany amin’ny Tartara kosa ireny ka natolony ho ao an-davaka maizim-be, mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana.” Avy amin’ilay matoanteny grika hoe tartarôô ny hoe ‘natsipy tany amin’ny Tartara.’ Efa ao anatin’io teny io àry ny hoe “Tartara.”

Hoy ny Joda 6 izay andininy mifanitsy aminy: “Ary ireo anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy, dia notehirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.” Oviana ireo anjely ireo no “nandao ny fonenana sahaza azy”? Nanome ny valin’izany i Petera ka niresaka momba “ireo fanahy tao am-ponja, izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara.” (1Pe 3:19, 20) Mampahatsiahy ny Genesisy 6:1-4 izany. Voalaza ao fa nandao ny fonenany tany an-danitra “ireo zanak’Andriamanitra” talohan’ny Safodrano, mba hanao firaisana tamin’ny vehivavy. Niteraka izy ireo ary Nefilima no iantsoana ny zanany.​—Jereo NEFILIMA; ZANAK’ANDRIAMANITRA.

Hita amin’izany fa tsy toerana ara-bakiteny ny Tartara. I Petera mantsy milaza fa “ao an-davaka maizim-be” ireny anjely tsy nankatò ireny, fa i Paoly kosa miteny hoe any amin’ny “faritry ny lanitra” ireny fanahy ratsy ireny, ary avy any izy ireny no mitondra ny fanjakan’ny haizina. (2Pe 2:4; Ef 6:10-12) Tsy ara-bakiteny koa ilay hoe maizim-be, fa midika kosa hoe tsy mahazo fahazavana avy amin’Andriamanitra izy ireny satria nivadika ka noroahina tsy ho anisan’ny fianakaviany. Maizina mandrakizay koa ny hoavin’izy ireny.

Hafa àry ny Tartara, fa tsy ilay atao amin’ny teny hebreo hoe sheôl na ilay amin’ny teny grika hoe haides, izay samy manondro ny fasana eto an-tany misy ny maty rehetra. Nilaza mantsy i Petera hoe nitory tamin’ireo “fanahy tao am-ponja” i Jesosy Kristy. Tsy tamin’i Jesosy mbola nilevina telo andro tao amin’ny haides (sheôl) anefa no nanao izany, fa taorian’ny nitsanganany avy tao amin’ny haides.​—1Pe 3:18-20.

Midika ho fietrena ny Tartara, ary tsy tokony hafangaro amin’ilay “lavaka mangitsokitsoka” hanipazana an’i Satana sy ny demoniany mandritra ny fanjakana arivo taonan’i Kristy. (Ap 20:1-3) Toa tamin’ny “andron’i Noa” (1Pe 3:20) ireo anjely tsy nankatò no natsipy tao amin’ny Tartara. Roa arivo taona teo ho eo tatỳ aoriana anefa, dia mbola niangavy an’i Jesosy izy ireo “mba tsy handidy ny handefasana azy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka.”​—Lk 8:26-31; jereo LAVAKA MANGITSOKITSOKA.

Hita ao amin’ny anganon’ny mpanompo sampy talohan’ny andro kristianina koa ny hoe “Tartara.” Resahin’ilay tononkalon’i Homère hoe Iliade fa fonja any ambanin’ny tany ny Tartara ary ‘lavitra be any ambanin’ny Haides, toy ny halavitry ny lanitra amin’ny tany.’ Nogadrana tao, hono, ireo andriamanitra ambany kokoa, izany hoe i Cronos sy ireo fanahy goavam-be hafa. Efa hitantsika fa tsy toerana ara-bakiteny ilay Tartara resahin’ny Baiboly, ka tsy mitovy amin’io Tartara resahin’ny angano grika io. Tsara homarihina anefa fa tsy milaza ny angano grika hoe toerana ho an’ny olombelona ny Tartara, fa ho an’ny zavaboary mahery noho ny olombelona kosa. Izay no itovizany amin’ilay Tartara resahin’ny Soratra Masina, satria tsy toerana fanagadrana ny fanahin’ny olona izy io (ampit. Mt 11:23), fa natokana ho an’ireo anjely ratsy mahery noho ny olombelona sady mpikomy amin’Andriamanitra.

Fietrena tanteraka àry no tiana holazaina amin’ny hoe Tartara. Io fampietrena azy ireo io no milaza fa mbola hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany, alohan’ny hanombohan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Amin’ny faran’ny arivo taona kosa izy ireo no haringana tanteraka sy hiharan’ny “fahafatesana faharoa.”​—Mt 25:41; Ap 20:1-3, 7-10, 14.