Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatenay

Tatenay

(Tatènay).

Governoran’ny faritany persianina ‘tany ampitan’ny Renirano’, tamin’ny andron’i Dariosy I (Hystaspe) Mpanjaka. Tonga tao Jerosalema i Tatenay sy ny namany mba hanadihady ny Jiosy, izay nanorina indray ny tempoly tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy (520 T.K.), noho ny didy voalohany navoakan’i Kyrosy, hono. Nanoratra tany amin’i Dariosy àry i Tatenay, ka nanontany raha nisy tokoa io didy io. Namaly i Dariosy hoe nisy izy io, ka ara-dalàna ilay asa fanorenana. Nilazany koa i Tatenay mba tsy hanakantsakana an’ireo Jiosy, fa hanampy azy kosa. Izany tokoa no nataony.​—Ezr 4:24–6:13.