Tavy
Avy amin’ny teny hebreo maromaro ilazana an’ilay menaka mivaingana antsoina koa hoe jabora, sy izay nofosana sy dongadonga. Manana heviny an’ohatra hoe tsara (toy ny amin’ilay fitenenana hoe “sady taviny no volony”), na koa hoe manana saina sy fo donto na tsy mihontsina, ireo teny ireo.
Ny teny hebreo helev no nadika hoe ‘tavy’, na ny an’ny biby (Le 3:3) na ny an’olona (Mpts 3:22). Ny teny hebreo peder kosa no nadika hoe ‘jabora’, izay taviny eo amin’ny voan-kena na ny tehezan’ny biby natao fanatitra dorana. (Le 1:8, 12; 8:20) Ao amin’ny Genesisy 4:4 no ahitana voalohany ny hoe helev, izay ilazana ny ‘tavin’ny’ voalohan-teraky ny andian’ondry natolotr’i Abela ho an’i Jehovah. Ilazana fotsiny ny fanaovana sorona ny hoe helev, tatỳ aoriana. Manana heviny an’ohatra koa hoe izay tsara indrindra amin’ny zavatra iray, izy io. Nilaza tamin’i Josefa, ohatra, i Farao fa afaka mihinana “ny matavy [“izay tsara indrindra”, TV] eto amin’ny tany” ny fianakaviany. (Ge 45:18, Prot.) Hoy koa ny Nomery 18:12: “Efa nomeko anao izay tsara indrindra [helev] amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny varimbazaha.”—Jereo Sl 81:16; 147:14.
Lalàna momba ny tavin-kena. Ao amin’ny Levitikosy toko faha-3 ny toromarika nomen’i Jehovah ny Israelita momba ny fampiasana ny tavin’ny biby natao sorona iombonana. Raha omby na osy ilay izy, dia nodorana mba hidona-tsetroka teo amin’ny alitara ny tavy teo amin’ny tehezany sy ny atiny ary ny tavy nanarona ny tsinainy sy ny voany. Raha ondry kosa ilay izy, dia ny rambony matavy no natao fanatitra. (Matavy be ny rambon’ny ondry any Syria sy Palestina sy Arabia ary Ejipta, ary milanja 5 kg na mihoatra.) Hoy ny Lalàna: “An’i Jehovah ny taviny rehetra. ... Aza mihinana tavin-kena na ra mihitsy.”—Le 3:3-17.
Mora miempo ny tavin-kena ka vetivety dia levona tanteraka teo ambony alitara. Tsy azo namelana mandra-maraina ny tavy natolotra teo. Mety ho simba mantsy ilay izy ka ho maimbo. Fanatitra masina anefa ilay izy.—Ek 23:18.
Ge 9:3, 4) Tsy azony natao anefa ny nihinan-dra. Nomena ny Lalàna ny Israely, 850 taona mahery taorian’izay. Noraran’ny Lalàna ny fihinanana ra sy tavin-kena. Mbola nohamafisin’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany fa tsy tokony hihinan-dra ny Kristianina. (As 15:20, 28, 29) Mahazo mihinana tavin-kena anefa ve izy ireo? Tsy voaresaka ny amin’izany, toy ny tamin’ny andron’i Noa ihany. Ny firenen’Israely ihany àry no tsy nahazo nihinana tavin-kena.
Tsy takina amin’ny Kristianina. Nomena alalana hihinan-kena ry Noa mianakavy taorian’ny Safodrano, saingy tsy voaresaka ny amin’ny tavin-kena. (Antony nanomezana ilay lalàna. Natokana ho an’i Jehovah irery ihany ny ra sy ny tavin-kena, araka ny Lalàna. Ao amin’ny ra mantsy ny aina, ary i Jehovah ihany no afaka manome azy io. An’i Jehovah àry ny ra. (Le 17:11, 14) Ny taviny kosa no noheverina ho ampahany tsara indrindra tamin’ny henam-biby. Natolotra ho an’i Jehovah àry ny taviny satria azy izay tsara indrindra. Efa manome zavatra be dia be mantsy izy, ka mba tian’ny mpanompony hatolotra azy ny tsara indrindra. “Sakafo” sy “hanitra mampitony” an’i Jehovah àry ny taviny nodorana mba hidona-tsetroka teo ambony alitara. (Le 3:11, 16) Efa nohamasinina ho an’i Jehovah ny tavin-kena, ka toy ny hoe mangalatra ny anjarany na manitsakitsaka ny zony ny olona mihinana an’ilay izy. Novonoina ho faty àry izay nihinana tavin-kena. Tsy toy ny ra anefa ny tavin-kena fa azo nampiasaina tamin-javatra hafa. Toy izany ohatra ny tavin’ny biby maty ho azy na noviraviraim-biby.—Le 7:23-25.
Fampiharana ilay lalàna. Tsy mitovy hevitra momba ny Levitikosy 3:17 ny raby jiosy. Maro koa ny mpivaofy teny milaza fa ny tavin’ny biby natolotra ho sorona, toy ny an’ny omby sy ondry ary osy, ihany no voarara ao. Voarara ao koa anefa ny fihinanana ra, dia ny ran’ny biby rehetra. (Ampit. Le 17:13; De 12:15, 16.) Tokony ho ny tavin’ny biby rehetra àry no voarara, anisan’izany ny an’ireo biby novonoin’ny Israelita noho ny antony hafa.
Tsy mifanohitra akory izany sy ny voalazan’ny Deoteronomia 32:14 hoe nomen’i Jehovah “tavin’ondrilahy” ny Israely. Teny an’ohatra mantsy izy io, ilazana ny tsara indrindra amin’ny andian’ondry. Mbola misy teny an’ohatra hafa koa ilay andininy izay miresaka ny amin’ny “tavin’ny voam-barimbazaha” (JM) sy ny “ran’ny voaloboka.” Raha nomeny didy koa ny vahoaka hoe: “Mandehana ka hano ny matavy” (Ne 8:10), dia tsy nihinana tavin-kena akory izy ireo. Sakafo matsiro ilay hoe “matavy” eo, fa tsy maimaina na tsy misy nofony, ary mety ho sakafo mafilotra nasiana menaka avy tamin’ny zavamaniry. Misy Baiboly àry manao hoe: “Manaova sakafo tsara.”—DIEM.
Tsy voararan’ny Lalàna ny namahana na nanatavy ondry na omby nompiana mba hohanina. “Zanak’omby mifahy”, ohatra, no novonoina rehefa nody ilay zanaka adala. (Lk 15:23) Nisy “taontaonkafa nafahy” sy omby koa ny sakafon’i Solomona. (1Mp 4:23) Nadika hoe “zanak’omby mifahy” ny teny hebreo ʽegel-marbek (1Sa 28:24), ary hoe “biby nohatavezina” ny teny hebreo meah sy meriʼ. (Is 5:17; Ezk 39:18) Tsy natao hahazoana jabora na tavin-kena be anefa ireny biby nafahy ireny. Lasa be nofo fotsiny izy ireny fa tsy nahia.—Ampit. Ge 41:18, 19.
Teny hebreo hafa. Avy amin’ny matoanteny fototeny shamen ny teny hebreo hafa nadika hoe ‘matavy.’ Midika hoe ‘mihamatavy’ izy io (De 32:15; Je 5:28), nefa koa hoe “vaventy.” Hita ao amin’ny Isaia 6:10, ohatra, ny hoe shamen. Voalaza ao hoe: “Ataovy matavy ny fon’ity firenena ity” (JM), izany hoe atao donto, toy ny hoe voahodidina tavy ny fony. Voalaza koa fa “lehilahy vaventy [shamen, ara-bakiteny hoe matavy] sy mahery fo” ny Moabita sasany. (Mpts 3:29) Nadika hoe “menaka” kosa ny shemen, teny iray tarika amin’ny shamen.
Ny matoanteny dashen, izay adika ara-bakiteny hoe “mihamatavy”, kosa mety hidika hoe ‘miroborobo.’ Mety hilazana fanambinana, na fahavokarana àry ny dashen (sy deshen, teny iray tarika aminy). Nilaza i Jehovah fa hoentiny any amin’ny tany “tondra-dronono sy tantely” ny Israely. “Hihinana izy ireo ka ho voky sy hihamatavy [vedashen].” (De 31:20) “Hohatavezina”, izany hoe handray soa be dia be izay malala-tanana sy mazoto miasa ary miantehitra amin’i Jehovah. (Oh 11:25, f.a.p.; 13:4, Prot.; 28:25, Prot.) “Mampahatavy ny taolana”, na mahatonga azy ho feno tsoka, ny vaovao tsara satria mamelombelona ny vatana manontolo. (Oh 15:30, f.a.p.) ‘Hanaram-po amin’ny sakafo matavy [middeshen]’ na sakafo be dia be ny olona ao an-tranon’Andriamanitra.—Sl 36:8; ampit. Je 31:14.
Nadikan’ny Baiboly maro hoe “lavenona” koa ny teny hebreo deshen, mba hilazana ny sisa tavela tamin’izay natao sorona teo ambony alitara tao amin’ny tranolay masina. (Le 1:16; 4:12; 6:10, 11 [6:3, 4, Prot., Kat., DIEM]) Milaza anefa ny manam-pahaizana sasany fa tsy tena mahadika an’ilay teny hebreo ny hoe “lavenona.” Aleon’izy ireo àry ny hoe “lavenona feno menaka” (TV). Feno menaky ny tavin-kena niempo mantsy ny kitay nirehitra teo ambaniny, hoy izy ireo.
Ny bariʼ kosa midika hoe ampy sakafo sy salama tsara. Nadika hoe “matavy” (Ezk 34:3, 20) sy ‘mahasalama’ (Ha 1:16) izy io, ary azo ilazana koa ny olona, omby, na salohim-bary “matavy.”—Ge 41:2, 7; Mpts 3:17.