Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tebeta

Tebeta

(Tebèta).

Volana jiosy fahafolo tamin’ny kalandrie ara-pivavahana, taorian’ny sesitany, fa fahefatra kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana (Es 2:16), ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Desambra sy voalohandohan’ny Janoary. Natao hoe “volana fahafolo” fotsiny izy io matetika.​—1Ta 27:13.

Mety ho avy amin’ny fototeny akadianina midika hoe “milentika” ny hoe Tebeta. Namotaka mantsy tamin’io volana io satria betsaka ny rotsakorana sady tao anatin’ny ririnina. Matetika no nisy oram-batravatra, toy ilay namarana ny hain-tany naharitra telo taona sy tapany tamin’ny andron’i Elia, sy ilay noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany hoe nahatonga riaka be izay nikaoka ny fototr’ilay trano naorina teo ambony fasika. (1Mp 18:45; Mt 7:24-27) Milatsaka matetika ny fanala eny amin’ny havoana, ary misy lanezy kely indraindray any Jerosalema rehefa faramparan’ny Desambra. (Jeografian’ny Baiboly, nataon’i Denis Baly, 1957, p. 50). (2Sa 23:20) Nisy fotoana aza tapaka ny lalana fa be loatra ny lanezy. Tamin’ny volana Tebeta angamba i Trifona mpitari-tafika syrianina no saika ho any Jerosalema saingy tsy afaka, satria nirotsaka be ny lanezy. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 208 [vi, 6]; 1 Makabeo 13:22) Tsy fotoana fanaovana dia na fiandrasana ondry any an-tsaha àry io volana io. Izany no anisan’ny antony ilazana fa tsy teraka tamin’io i Jesosy.

Ny 10 Tebeta 609 T.K. i Nebokadnezara no nanomboka nanao fahirano an’i Jerosalema. (2Mp 25:1; Je 39:1; 52:4; Ezk 24:1, 2) Mety ho fahatsiarovana an’izany no nahatonga ny Jiosy hanao ‘fifadian-kanina tamin’ny volana fahafolo.’​—Za 8:19.