Tebeza
(Tebèza).
Tanàna nisy tilikambo mafy. Rehefa naka ny tanànan’i Tebeza i Abimeleka, dia nitetika ny hanafika an’ilay tilikambo niafenan’ny mponina tao. Tamin’izay no nisy vehivavy iray teny ambonin’ny manda naka vato fikosoham-bary ka nanjera izany tamin’ny lohan’i Abimeleka. Vaky àry ny karandohan’i Abimeleka, ka nasainy novonoin’ny mpanompony izy mba tsy hisy hilaza hoe: “Vehivavy no namono azy.”—Mpts 9:50-54; 2Sa 11:21.
Misy milaza an’i Tebeza ho i Toubas, tokotokony ho 15 km any avaratra avaratratsinanan’i Sekema, na dia tsy nahitana sisan-javatra manamarina an’izany aza ao.