Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tehim-pahefana

Tehim-pahefana

Tehina lava nentin’ny manam-pahefana ho mariky ny zony hamoaka didy. Miseho inefatra ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny hoe “tehim-pahefana” nandikana ny teny hebreo hoe mehôkek, izay avy amin’ny fototeny hoe hakak midika hoe ‘mandrakitra’ na ‘manoritra’ ka manana heviny hoe ‘mandidy’ na “mamoaka [fitsipika].” (Is 30:8; Ezk 4:1; Oh 8:27; Is 10:1) Noraketina na nosoritana teo amin’ny takelaka vato na metaly ny lalàna navoaka fahiny. Azo ilazana manam-pahefana mamoaka didy na “mpamoaka lalàna” koa ilay hoe mehôkek. (De 33:21) I Jehovah irery no “Mpanome Lalàna” fara tampony.​—Is 33:22.

Rehefa nipetraka ny manam-pahefana, dia matetika no nitehina tamin’ny tany ilay tehiny lava, ary nataony teo anelanelan’ny feny. Hoy àry i Jakoba rehefa nitso-drano an’i Joda tamin’izy efa ho faty: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, ary ny tehim-pahefana tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo.” (Ge 49:10) Nisy Baiboly nandika ny mehôkek hoe “mpanapaka” (JM). Ny hoe “tehim-pahefana” anefa no mety kokoa eto, araka ny hevitry ny mpanao diksionera ankehitriny. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 328; Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 349) Tsy olona fa zavatra ilay resahin’ny Genesisy 49:10, satria misy Baiboly nanao hoe “tehina fanapahana” (Prot., Kat.) sy “tehim-pibaikoana” (DIEM). Mitovitovy amin’ilay hoe “tehim-panjakana” koa ny hoe “tehim-pahefana”, sady azo atao ‘eo anelanelan’ny tongotra.’ Mitovitovy koa ilay hoe “tehim-pahefana” sy hoe “tehiny” nihadiana lavadrano resahin’ny Nomery 21:17, 18, na dia misy aza Baiboly manao hoe ‘nohadin’ny manam-pahefana sy ireo mpitondra.’ Azo adika koa hoe “ny manam-pahefana” ilay hoe “ny tehim-pahefana” ao amin’ny Genesisy 49:10.

Mety hisy hilaza fa tsy misy maha samy hafa ny hoe “tehim-panjakana” sy “tehim-pahefana.” (Ge 49:10) Toa tian’i Jakoba havahana anefa izy ireo. Matetika no ampiasana teny mitovitovy ny tononkalo. Toa mitovy izy ireny, nefa rehefa jerena akaiky dia samy hafa kely ihany ny heviny ka mazava kokoa ny tiana holazaina. Toa nampiasa teny mitovitovy toy izany i Jakoba tamin’izy nitso-drano ny zanany. Hoy izy momba an’i Dana: “Ho bibilava eo amoron-dalana [izy], eny, ho bibilava misy tandroka eo an-tsisin-dalana.” (Ge 49:17) Tiany hohamafisina hoe hamely an’ireo fahavalon’ny Israely i Dana.

Hoy Andriamanitra: “I Joda no ataoko tehim-pahefana.” (Sl 60:7; 108:8) Manana fahefana hibaiko izay mpitarika mitondra tehim-pahefana, ary izay mpanjaka mihazona tehim-panjakana ihany no manan-jo hitondra. (Sl 45:6) Hanana fahefana lehibe àry ny fokon’i Joda matoa hanana “tehim-panjakana” sy “tehim-pahefana.” (Ge 49:10) Tsy foko fotsiny anefa no hofeheziny, satria ‘ireo firenena no hankatò’ an’i Silo izay avy amin’ilay foko. Ho mpanjaka hifehy firenena àry izy. Lasan’ny fokon’i Joda ny tehim-panjakana sy ny tehim-pahefana rehefa lasa mpanjakan’ny Israely i Davida taranak’i Joda. Tsy hiala amin’ilay foko ireo tehina ireo mandra-pahatongan’i Silo na ny Mesia. (2Sa 7:8-16) I Jesosy Kristy taranak’i Joda sy Davida ilay Silo notendren’Andriamanitra ho “filoha sy ho mpitarika an’ireo firenena.” (Is 55:4) Hanjaka sy hanam-pahefana amin’ny vahoaka sy firenena maro ny Mesia. (Sl 2:8, 9; Da 7:13, 14) Sady manana ny “tehim-panjakana” na manjaka àry izy no mihazona ny “tehim-pahefana” na manana fahefana hibaiko.​—Jereo SILO No. 1.