Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tehina, Tsorakazo

Tehina, Tsorakazo

Matetika nadika avy amin’ny teny hebreo hoe shevet sy matteh. Midika hoe tehina na tsorakazo ny hoe shevet, ary nadika koa izy io hoe “tehin’ny mpiandry.” (Le 27:32) Nadika koa hoe “foko” ny hoe shevet sy matteh, satria nitondra tehina na tehim-panjakana ny mpiadidy teo amin’ireo foko. (Ek 31:2; De 18:1; 29:18) Ilazana tahon-defona na tahona fiadiana mitovy aminy kosa ny hoe shevet na ʽets (a.b.t.: hazo).​—2Sa 21:19.

Nadika koa hoe “tsorakazo” sy “tehina” ny hoe makkel (Ge 30:37; 1Sa 17:43), ary “tehina” sy ‘manampy’ ny hoe mishʽenet.​—Mpts 6:21; 2Mp 18:21.

Ny teny grika hoe rhabdôs no nadika indraindray hoe “tehina.” (Ap 19:15; Mt 10:10) Nadikan’ny Baiboly sasany hoe “tsorakazo” koa ny hoe ksylôn. Midika ara-bakiteny hoe “hazo” na zavatra vita amin’ny hazo izy io, ary nadika hoe “kibay” ao amin’ny Matio 26:47, 55 sy ny andininy mifanitsy aminy.

Fampiasana azy. Nampiasaina ny tehina na tsorakazo mba hianteherana (Ek 12:11; Za 8:4; He 11:21); hiarovan-tena (2Sa 23:21 [“kibay”]; Mt 10:10); hikapohana zanaka, mpanompo, na olon-kafa (Ek 21:20 [“hazo”, TV]; Oh 10:13; 23:13, 14; As 16:22); hanosihosena (Is 28:27 [samy hita ao ny hoe matteh sy shevet, izay nadika hoe “tsorakazo” sy “tehina”, TV]; ampit. Mpts 6:11; Rt 2:17); ary hiotazana voan’oliva (De 24:20; Is 24:13). Nampiasaina koa ny tehina mba hitarihana sy hanampiana ny ondry. Hoy ny Lalàna momba ny fifidianana ny ampahafolon’ny biby hatolotra ao amin’ny toerana masina: “Ary ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izay mandalo eo ambany tehin’ny mpiandry [ka anisan’ireo andrasany], dia ny biby fahafolo no tokony ho zava-masina eo anatrehan’i Jehovah. Tsy tokony hojereny na tsara na ratsy ilay biby, ary tsy tokony hatakalony koa.” (Le 27:32, 33) Nijoro teo am-bavahadin’ny vala ilay mpiandry, sady nitazona tehina nisy lamba kely natsoboka tao anaty loko nafatotra teo amin’ny tendrony. Nokasihiny tamin’iny izay biby fahafolo nivoaka ny vala ary natokany.​—Ampit. Je 33:13.

Fahefana. Sarobidy tamin’ny olona iray ny tehiny, ary tonga dia fantatra hoe an’iza ny tehina sasany. Nomen’i Joda an’i Tamara, ohatra, ny tehiny sy ny peratra fanombohan-kaseny ho antoka, mandra-panatiny zanak’osy ho karamany noho izy nanao firaisana taminy. (Ge 38:18, 25) Nitondra tehina ny mpiadidy ho mariky ny fahefany. Ilazana ny fahefan’ny olona iray na ny fahefana nomena azy àry ny tehina, ao amin’ny Baiboly. Mariky ny fahefan’i Mosesy sy porofon’ny nanirahan’Andriamanitra azy ny tehiny, rehefa niseho teo anatrehan’ny anti-panahin’ny Israely sy Farao ary ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina tao Ejipta izy. (Ek 4:17, 29-31; 7:9-12) Nantsoina hoe tehin’i Arona koa ilay tehina satria nampiasain’i Arona mpitondra teniny.​—Ampit. Ek 7:15, 17.

Nampiasaina imbetsaka ny tehin’i Mosesy taorian’izay, mba hanaporofoana fa notendren’i Jehovah sy nomeny fahefana hitarika ny Israely izy. (Ek 8:5; 9:23; 10:13; No 20:11) Ny tehin’i Arona (solontenan’ny taranak’i Levy) ihany tamin’ireo tehin’ny lehibem-poko 12 no nataon’Andriamanitra nitsimoka sy namoa amandy efa masaka, rehefa nisy nanohitra ny fahefan’i Mosesy sy Arona. Porofo izany fa i Arona sy ny ankohonany no notendren’Andriamanitra sy nomeny fahefana ho mpisorona. Notehirizina tao amin’ny Vata misy ny fifanekena ilay tehina avy eo.​—No 17:1-11; Ek 29:9; He 9:4.

Hoy ny Salamo 110:1, 2: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Halefan’i Jehovah avy ao Ziona ny tehin’ny herinao, ka hoy izy: ‘Manjakà eo anivon’ny fahavalonao.’” Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’i Jesosy Kristy ilay andininy. Izy ilay ‘tehin’ny herin’i Jehovah’ izay nomen’i Jehovah fahefana hampihatra ny didim-pitsarany. (He 10:12, 13) “Rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese” i Jesosy Kristy, ka “hikapoka ny tany amin’ny tehin’ny vavany izy, ary izay aloaky ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy ho faty.” (Is 11:1, 4) Manana fahefana izy rehefa miteny, ary ampiasainy hanafaizana ny ratsy fanahy ny hery omen’i Jehovah azy. Hifehy an’ireo firenena amin’ny tehim-by izy, fa tsy ho toy ny mpiandry mitarika moramora ny ondry amin’ny tehiny.​—Ap 2:27; 12:5; 19:15.

Oharina amin’ny tehina sy tsorakazo koa ny fahefana nananan’ireo fahavalo nampahory ny Israely. (Is 9:4; 14:5) Toy ny tsorakazo famaizana nampiasain’Andriamanitra hanasaziana ny vahoakany nanota ireo firenena nanodidina an’i Israely, anisan’izany i Asyria. Tsy tia an’i Jehovah sy ny vahoakany anefa ireo firenena ireo sady tsy nankahala ny fahotan’ny Israely, ka nanao mihoatra noho izay nasaina nataony. Vao mainka izy ireo nampahory ny Israely ka faly erỳ. Nanambony tena sady nanohitra an’i Jehovah Andriamanitra koa izy ireo, indrindra fa i Asyria sy Babylona. Hoy Andriamanitra: “Jereo ny Asyrianina izay tsorakazon’ny fahatezerako!” Hoy koa anefa izy, rehefa nanambony tena i Asyria: “Ny famaky ve dia hanandra-tena ho ambony noho izay mikapa aminy? Ny tsofa ve dia hihevi-tena ho ambony noho izay manatsofa aminy? Ny tehina indray ve no hanakipilipily an’ilay manainga azy? Sa ny tsorakazo no hanainga an’izay mitazona azy?” Hosazina àry ny Asyrianina satria nihevi-tena ho ambony noho Ilay nampiasa azy, sady nanandra-tena hanohitra Azy.​—Is 10:5, 15.

Hoy i Jehovah momba an’ireo mpanjaka taranak’i Davida, tamin’izy nanao fifanekena momba ilay fanjakana taminy: “Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Rehefa manao fahadisoana izy, dia hanariko amin’ny tsorakazon’ny olombelona, sy amin’ny kapoky ny taranak’i Adama.” (2Sa 7:14) Ny fahefan’ireo fanjakana eto an-tany no tsorakazo famaizana ampiasain’i Jehovah Ray. Nampiasaina hanonganana ny fanjakan’Andriamanitra teo an-tanan’ireo mpanjaka taranak’i Davida, ohatra, i Babylona “mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany.” (Ezk 21:27) Ny tafika romanina notarihin’ny Jeneraly Titus kosa no ‘tsorakazo’ nanafaizana an’i Jerosalema nivadika, tamin’ny taona 70.​—Da 9:26, 27.

Nampiasaina tamin’ny fomba ratsy. Nampiasa tamin’ny fomba tsy ara-drariny ny tehiny na fahefany matetika ireo mpitondra fanjakana sy mpitsara tetỳ an-tany, ka niady tamin’Andriamanitra sy ny vahoakany mihitsy aza. Novonoina ho faty i Jesosy Kristy, rehefa avy nampijalina, nesoina, nororana, ary nokapohina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy sy Pilato governora romanina. Nampiasa ny fahefany hanoherana an’i Jesosy aloha ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy. Nataony nihanavesatra avy eo ilay “tsorakazo”, rehefa natolony hovonoin’ny fanjakana romanina i Jesosy. Hoy mantsy i Mika mpaminany: “Hokapohina amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely.” (Mi 5:1) Rehefa maty sy natsangana i Jesosy, dia nampiasa ny fahefany hanenjehana ny mpianany ireo mpitondra jiosy. Nampiasa imbetsaka ny fahefany tamin’ny fomba ratsy koa i Roma sy ny fanjakana hafa, ka hampamoahin’Andriamanitra.​—Jn 19:8-11; 2Te 1:6-9.

Fahefan’ny ray aman-dreny. Ilazana ny fahefan’ny ray aman-dreny amin’ny zanany koa ny hoe “tsorakazo.” Tafiditra amin’izany ny famaizana, fananarana, fifehezana, ary kapoka, araka ny hita imbetsaka ao amin’ny Ohabolana. Adidin’ny ray aman-dreny eo anatrehan’Andriamanitra ny mampiasa an’io “tsorakazo” io, izany hoe mifehy ny zanany. Haditra sy ho faty ny zanany raha tsy manao izany izy ireo, ary izy ireo kosa ho afa-baraka sy tsy hankasitrahan’Andriamanitra. (Oh 10:1; 15:20; 17:25; 19:13) “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana, ka ny tsorakazo famaizana no hahatonga izany ho lavitra azy.” “Aza misalasala manafay zanaka, fa tsy ho faty izy raha kapohinao amin’ny tsorakazo. Kapohy amin’ny tsorakazo izy mba hamonjenao azy tsy ho lasa any amin’ny Fasana.” (Oh 22:15; 23:13, 14) “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, fa izay tia azy kosa manara-maso azy ka mananatra azy.”​—Oh 13:24; 19:18; 29:15; 1Sa 2:27-36.

Tsy mitsitsy “tsorakazo” amin’ireo Kristianina zanany koa i Jehovah Andriamanitra, ilay ‘Ray ara-panahy.’ Hoy ilay Kristianina nanoratra ho an’ny Hebreo: “Mitondra anareo toy ny zanaka Andriamanitra. Fa iza moa no zanaka tsy faizin-drainy? ... Izy kosa manao izany mba hahasoa antsika ka hananantsika anjara amin’ny fahamasinany.” (He 12:7, 9, 10) Lehilahy tsy mivadika, indrindra fa ny apostoly, no nomen’i Jehovah fahefana hananatra ny fiangonana kristianina sy ‘hampahery an’ireo rahalahy, fa tsy handrava azy ireo.’ (2Ko 10:1-11) Zon’izy ireo koa ny manafay an’izay nanao diso. Nahitsin’i Paoly ny fiangonan’i Korinto rehefa niala tamin’ny fahamarinana, ka nanaraka olona fa tsy i Kristy. Hoy izy: “Fa inona no tianareo: Ny hahatongavako any aminareo amin’ny tsorakazo sa amin’ny fitiavana sy fahalemem-panahy?”​—1Ko 4:21.

Ny tehin’ny mpiandry. Nampiasa ny tehiny ny mpiandry mba hitarihana sy hiarovana ary hanampiana ny ondriny. Izany koa no ataon’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra. Noharin’i Jehovah matetika tamin’ny ondriny ny Israely nanaovany fifanekena. Hoy i Davida: “I Jehovah no Mpiandry ahy. ... Mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana [izy], noho ny anarany. Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho, dia tsy misy loza atahorako, satria ianao no eo anilako. Ny tsorakazonao sy ny tehinao no manome toky ahy.” (Sl 23:1-4) Nivavaka i Mika hoe: “Ampiasao ny tehinao ka andraso ny ondry lovanao, dia ny olonao.”​—Mi 7:14; ampit. Jn 10:11, 14; He 13:20; 1Pe 2:25; 5:4.