Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tekoa

Tekoa

(Tekôà).

Tanàna tany amin’ny tanin’i Joda. Maro no milaza azy io ho i Kirbet ʼet-Tokoʽ, tokotokony ho 16 km any atsimon’i Jerosalema. Avo toerana ilay tanàna satria any amin’ny 820 m any ho any no misy azy. Any atsinanan’io toerana io no misy ny Tany Efitr’i Joda, ary anisan’io tany efitra io ny “tany efitr’i Tekoa” (tany no resy tanteraka ny Amonita sy ny Moabita ary ny tafika avy any amin’ny Tendrombohitra Seira, tamin’ny andro nanjakan’i Josafata). (2Ta 20:20, 24) Nanorina indray an’i Tekoa sy nanamafy azy io i Rehoboama Mpanjaka zafikelin’i Davida. Nasiana toby miaramila mpitilin’i Jodia tany nandritra ny taonjato maro tatỳ aoriana. (2Ta 11:5, 6; ampit. Je 6:1.) Avy any Tekoa i Ikesy rain’i Ira lehilahy maherin’i Davida. (1Ta 11:26, 28) Avy any koa ilay vehivavy hendry nasain’i Joaba niangavy an’i Davida Mpanjaka mba hampody an’i Absaloma. (2Sa 14:1-21) Tany koa i Amosa no niompy ondry, tamin’ny taonjato fahasivy T.K.​—Am 1:1.

Mety hisy hilaza fa zanakalahin’i Asora ilay Tekoa resahin’ny tetirazan’i Joda. (1Ta 2:3, 24; 4:5) Tsy tanisain’ny 1 Tantara 4:5-7 ho anisan’ireo fito lahy zanak’i Asora tamin’ireo vadiny anankiroa anefa i Tekoa. Mety hidika izany fa anaran-tanàna ny hoe Tekoa ka mety ho i Asora no mpanorina azy io na razamben’ny mponina tao.