Tekoita
(Tekôìta) [An’i Tekoa].
Mponina tany Tekoa. (2Ta 11:6; Je 6:1) Tekoita i Ikesy rain’i Ira miaramilan’i Davida. (2Sa 23:26; 1Ta 11:28; 27:9) Tekoita koa ilay vehivavy hendry, nasain’i Joaba mody nanao mpitondratena teo anatrehan’i Davida, tamin’ilay tetika natao mba hampodiana an’i Absaloma. (2Sa 14:2, 4, 9) Taorian’ny niverenana avy tany an-tsesitany tany Babylona, dia anisan’ireo nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema ny Tekoita. Tsy mba nandray anjara tamin’izany anefa “ny olona ambony” teo aminy.—Ne 3:5, 27.