Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tela-asara

Tela-asara

(Tela-asàra).

Tanàna nisy an’ireo “zanak’i Edena”, miara-voatonona amin’i Gozana sy Harana ary Rezefa, izay samy tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia. (2Mp 19:12; Is 37:12) Nirehareha i Sankeriba hoe tsy nahavonjy an’ireo tanàna ireo ny andriamanitr’ireo mponina tao, rehefa notafihin’ny razamben’i Sankeriba. Matetika no heverina ho ilay fanjakana kelin’i Bit-adini teny amin’ny faritra lalovan’i Eofrata tany avaratra i Tela-asara, noho izy nonenan’ireo “zanak’i Edena.” Samy niresaka an’i Til-Ashori i Tiglato-pilesera III sy Esara-hadona, mpanjaka asyrianina, nefa toa tany akaikin’ny sisin-tanin’i Asyria sy Elama izy io. Tsy fantatra àry hoe taiza marina no nisy an’i Tela-asara.