Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tema

Tema

(Tèma).

1. Iray amin’ireo zanakalahin’i Ismaela.​—Ge 25:13-15; 1Ta 1:29, 30.

2. Razamben’ny fianakaviana iray anisan’ny Netinima. Niala tany Babylona ka niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela io fianakaviana io.​—Ezr 2:1, 2, 43, 53; Ne 7:55.

3. Angamba i Taima ankehitriny, tany lonaka any an-tany efitra, 400 km eo ho eo atsimoatsinanan’i Eziona-gebera. Nihaona tao Tema ny lalambe roa fivezivezen’ireo olona niara-nanao dia lavitra. (Jb 6:19) Voaresaka ao amin’ny faminanian’i Isaia (21:13, 14) sy Jeremia (25:15-23) i Tema sy Dedana teo akaikiny. Voalazan’io faminanian’i Jeremia io fa anisan’ireo tsy maintsy hisotro amin’ny ‘kaopy misy ny divain’ny fahatezeran’i Jehovah’ ny mponin’i Tema. Nataon’i Nabonida mpanjakan’i Babylona ho renivohitra faharoa i Tema, fa i Babylona kosa nampiandraiketiny an’i Belsazara.