Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Temana

Temana

(Temàna) [Lafiny Ankavanana; Atsimo].

1. Taranak’i Esao avy amin’i Elifaza lahimatoany (Ge 36:10, 11; 1Ta 1:35, 36); lehibem-poko edomita.​—Ge 36:15, 16, 34, 42.

2. Toerana lazain’ny manam-pahaizana sasany fa i Tavilan, 5 km eo ho eo atsinanan’i Petra. Toa tanàna na faritra edomita (“ny tanin’ny Temanita”) nonenan’ny taranak’i Temana izy io. (Ge 36:34; Je 49:7, 20; Ezk 25:13; Am 1:11, 12; Ob 9) Nalaza ho toerana fanovozana fahendrena i Temana. (Je 49:7) Milaza ny bokin’i Habakoka fa tonga avy any “Temana Andriamanitra, ary avy any amin’ny Tendrombohitra Parana Ilay Masina.” Ny famirapiratan’ny voninahitr’i Jehovah tamin’izy nitondra an’ilay fireneny nandalo an’i Edoma ho any amin’ny Tany Nampanantenaina angamba, no tiana horesahina eo. Mety ho nitaratra teny amin’ireo tendrombohitra ny famirapiratany.​—Ha 3:3, 4; ampit. De 33:2.