Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tempoly

Tempoly

Fonenan’Andriamanitra, toerana masina hita maso na tsia natokana hivavahana. Midika koa hoe “lapa” ny teny hebreo hehkal nadika hoe “tempoly.” Samy nadika hoe “tempoly” ny teny grika hoe hierôn sy naôs, ka azo ilazana an’ilay tempoly sy ny trano rehetra niaraka taminy, na ilay tempoly fotsiny. Indraindray anefa ireo efitrano anatiny tao amin’ny tempoly no atao hoe naôs, izay midika hoe “toerana masina” na “fonenan’Andriamanitra.”​—Jereo TOERANA MASINA.

Tempolin’i Solomona. Naniry mafy hanorina trano ho an’i Jehovah i Davida Mpanjaka, mba hasiana ny Vata misy ny fifanekena izay ‘nipetraka tanaty tranolay.’ Nahafaly an’i Jehovah izany, kanefa nilazany izy fa be dia be ny ra nalatsany tany an’ady ka ny zanany lahy (Solomona) no hanao ilay trano. Tsy hoe tsy nankasitrahan’i Jehovah akory ireo ady nataon’i Davida ho Azy sy ny vahoakany. Tsy mpiady anefa no tokony hanorina an’ilay tempoly, ary amin’ny fotoana tsy isian’ny ady no hanaovana azy io.​—2Sa 7:1-16; 1Mp 5:3-5; 8:17; 1Ta 17:1-14; 22:6-10.

Ny lany tamin’ilay fanorenana. Novidin’i Davida ny famoloan’i Ornana (Araona) Jebosita teo amin’ny Tendrombohitra Moria, mba hanorenana ilay tempoly. (2Sa 24:24, 25; 1Ta 21:24, 25) Nanangona talenta volamena 100 000 sy talenta volafotsy 1 000 000 ary varahina sy vy be dia be izy. Nanome talenta volamena 3000 sy talenta volafotsy 7000 avy tamin’ny fananany manokana koa izy. Nanao fanomezana koa ireo andriana, dia volamena nitentina talenta 5000 sy darìka 10 000, volafotsy nitentina talenta 10 000, ary vy sy varahina be dia be. (1Ta 22:14; 29:3-7) Nitentina talenta 108 000 sy darìka 10 000 àry ny volamena rehetra, ary talenta 1 017 000 ny volafotsy. Efa 483 370 47 000 dolara izany. Tsy nampiasain’i Solomona daholo akory ireo, fa nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy izay sisa tsy lany.​—1Mp 7:51; 2Ta 5:1.

Ireo mpiasa. Tamin’ny volana Ziva, volana faharoa, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona Mpanjaka (1034 T.K.) no natombony ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah. Narahiny tsara ilay planina azon’i Davida teo ambany herin’ny fanahy masina. (1Mp 6:1; 1Ta 28:11-19) Naharitra fito taona ilay asa. (1Mp 6:37, 38) Namatsy hazo avy any Libanona i Hirama mpanjakan’i Tyro sady nandefa mpiasa nahay asa hazo sy vato, ho takalon’ny varimbazaha, vary orza, menaka, ary divay. Nalefany koa i Hirama, mpiasa za-draharaha iray, izay zanaka lehilahy avy any Tyro sy vehivavy israelita avy amin’ny fokon’i Naftaly. Nanavanana an’i Hirama ny asa momba ny volamena, volafotsy, varahina, vy, hazo, vato, ary lamba.​—1Mp 5:8-11, 18; 7:13, 14, 40, 45; 2Ta 2:13-16.

I Solomona no nandamina ilay asa. Nampiantso lehilahy israelita 30 000 izy, ka 10 000 no niara-nalefany hiasa iray volana tany Libanona. Nijanona tany an-tranony roa volana izy ireo avy eo, ary dia toy izany hatrany. (1Mp 5:13, 14) Nampiantso lehilahy “vahiny” 70 000 teo amin’ilay tany koa izy ho mpitondra entana, ary 80 000 ho mpipai-bato. (1Mp 5:15; 9:20, 21; 2Ta 2:2) Nanendry lehilahy 550 ho lehiben’ny mpiasa ary angamba lehilahy 3300 hiara-miasa amin’ireo izy. (1Mp 5:16; 9:22, 23) Toa Israelita ny 250 tamin’ireo, fa “vahiny” kosa ny 3600.​—2Ta 2:17, 18.

Refin’ny “hakiho.” Mirefy 44,5 sm ny hakiho nampiasaina tamin’ny refin’ireo tempoly naorin’i Solomona sy Zerobabela ary Heroda. Mety ho nampiasa an’ilay hakiho lava kokoa mirefy 51,8 sm eo ho eo anefa izy ireo.​—Ampit. 2Ta 3:3 (milaza hoe “araka ny hakiho fandrefesana taloha”, izay angamba lava kokoa noho ilay hakiho nahazatra) sy Ezk 40:5; jereo HAKIHO.

Planina sy fitaovana. Nitovitovy tamin’ny planin’ny tranolay masina ihany ny an’ilay tempoly tena kanto. Lehibe kokoa anefa ny Masina sy ny Masina Indrindra tao amin’ny tempoly. Nirefy 40 hakiho (17,8 m) ny lavan’ny Masina, 20 hakiho (8,9 m) ny sakany, ary 30 hakiho (13,4 m) ny haavony. (1Mp 6:2) Ny an’ny Masina Indrindra kosa, samy 20 hakiho na ny lavany na ny sakany na ny haavony. (1Mp 6:20; 2Ta 3:8) Nisy efitra tany an-tampon-trano teo ambonin’ny Masina Indrindra, ka 10 hakiho (4,5 m) teo ho eo ny haavony. (1Ta 28:11) Nisy paosin-trano koa teo amin’ny lafiny telo, ho fitehirizana entana sy zavatra hafa.​—1Mp 6:4-6, 10.

Vato sy hazo no tena nanaovana ilay tempoly. Hazo zenevrie ny gorodona, hazo sedera ny rindrina anatiny ary nasiana sary sokitra, dia sarina kerobima sy hazo palmie ary felam-boninkazo. Nopetahana takela-bolamena ireo rindrina sy valindrihana. (1Mp 6:15, 18, 21, 22, 29) Hazo zenevrie no nanaovana ny varavaran’ny Masina (teo amin’ny fidirana amin’ny tempoly), ary nasiana sary sokitra sy nopetahana takela-bolamena. (1Mp 6:34, 35) Nisy varavarana vita tamin’ny hazo mitera-menaka teo anelanelan’ny Masina sy ny Masina Indrindra. Nasiana sary sokitra sy nopetahana takela-bolamena koa ireo. Tsy tena fantatra hoe taiza ho aiza ireo varavarana ireo, nefa tsy natao solon’ilay ridao nampiasaina tao amin’ny tranolay masina akory izy ireo. (Ampit. 2Ta 3:14.) Nasiana kerobima roa lehibe vita tamin’ny hazo mitera-menaka sy nopetahana takela-bolamena tao amin’ny Masina Indrindra. Teo ambanin’ireo kerobima ny Vata misy ny fifanekena.​—1Mp 6:23-28, 31-33; 8:6; jereo KEROBIMA.

Volamena daholo ireo fitaovana tao amin’ny Masina: Ny alitaran’ny emboka manitra, ny latabatra folo nasiana ny mofo aseho, ny fitoeran-jiro folo, ary ny kojakojan’ireo rehetra ireo. Nasiana andry varahina roa nantsoina hoe “Jakina” sy “Boaza”, teo amin’ny fidirana amin’ny Masina (efitra voalohany). (1Mp 7:15-22, 48-50; 1Ta 28:16; 2Ta 4:8; jereo BOAZA, II.) Vato voapaika sy hazo sedera no nanaovana ny tokotany anatiny. (1Mp 6:36) Varahina kosa no nanaovana an’ireo fitaovana tao an-tokotany, ny alitara fanaovana sorona, ny “fitoeran-drano lehibe, nantsoina hoe ranomasina varahina”, sy ny kalesy folo nisy koveta fasiana rano, ary ny fitaovana hafa. (1Mp 7:23-47) Nasiana efitra fisakafoana nanodidina ny tokotany.​—1Ta 28:12.

Niavaka ilay asa fanorenana satria vato efa voapaika tany amin’ny toerana famakiam-bato daholo no nampiasaina, ka tsy nila namboarina intsony. “Tsy nandrenesana marotoa, na famaky, na izay mety ho vy fiasana tao amin’ilay trano nandritra ny fanorenana.” (1Mp 6:7) Vita tao anatin’ny fito taona sy tapany ilay asa (Ziva [volana faharoa] 1034 T.K.-Bola [volana fahavalo] 1027 T.K.).​—1Mp 6:1, 38.

Fitokanana. Novorin’i Solomona tao Jerosalema ny zanak’Israely tamin’ny Etanima, volana fahafito, toa tamin’ny taona faha-12 nanjakany (1026 T.K.), mba hitokana an’ilay tempoly sy hankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Nampiakarina tao ny tranolay masina sy ireo fitaovana masina, ary natao tao amin’ny Masina Indrindra ny Vata misy ny fifanekena. (Jereo MASINA INDRINDRA.) Nofenoin’i Jehovah rahona ny tempoly tamin’izay. Nisaotra an’i Jehovah i Solomona avy eo, ary nitso-drano an’ireo Israelita. Nitsangana teo ambony lampihazo teo anoloan’ny alitara varahina fanaovana sorona izy (jereo ALITARA), ka nivavaka ela be. Nidera an’i Jehovah izy ary nitalaho taminy mba haneho hatsaram-panahy feno fitiavana sy hamindra fo amin’ireo Israelita sy vahiny matahotra azy sy te hanompo azy. Omby 22 000 sy ondry 120 000 be izao no natao sorona. Naharitra fito andro ilay fitokanana, ary fito andro koa ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Nalefan’i Solomona nody ny vahoaka ny faha-23-n’ny volana. Faly sy velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy ireo noho ny soa nataony sy noho izy tena nalala-tanana.​—1Mp 8; 2Ta 5:1–7:10; jereo SOLOMONA (Fitokanana ny tempoly).

Tantarany. Naharitra hatramin’ny 607 T.K. io tempoly io (tamin’izay izy io no noravan’ny tafika babylonianina notarihin’i Nebokadnezara Mpanjaka). (2Mp 25:9; 2Ta 36:19; Je 52:13) Nanaraka fivavahan-diso ny Israelita ka navelan’Andriamanitra hotafihin’ny firenena samy hafa i Joda sy Jerosalema. Nandroba ny zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly izy ireny indraindray. Nisy fotoana koa tsy voakarakara ny tempoly. Nandroba ny zava-tsarobidy tao i Sisaka mpanjakan’i Ejipta (993 T.K.) tamin’ny andron’i Rehoboama zanak’i Solomona, 33 taona teo ho eo monja taorian’ilay fitokanana. (1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:9) Nanaja ny tranon’i Jehovah i Asa Mpanjaka (977-937 T.K.), saingy naka volafotsy sy volamena notehirizina tao mba homena an’i Beni-hadada I mpanjakan’i Syria. Tiany hanafoana ny fifanekena nifanaovany tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely mantsy i Beni-hadada.​—1Mp 15:18, 19; 2Ta 15:17, 18; 16:2, 3.

Nisafotofoto ny fiainam-pirenena ary natao tsirambina ny tempoly, talohan’ny andron’i Joasy mpanjakan’ny Joda (898-859 T.K.). Nanamboatra indray an’ilay tempoly anefa i Joasy. (2Mp 12:4-12; 2Ta 24:4-14) Nandroba azy io kosa i Joasy mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andron’i Amazia zanak’i Joasy mpanjakan’ny Joda. (2Mp 14:13, 14) Nanorina “ny vavahady ambony” tamin’ny tempoly i Jotama Mpanjaka (777-762 T.K.). (2Mp 15:32, 35; 2Ta 27:1, 3) I Ahaza mpanjakan’ny Joda (761-746 T.K.) kosa naka ny zava-tsarobidy tao, mba hatao tsolotra ho an’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria. Nandoto ny tempoly koa izy rehefa nosoloany alitara nitovy tamin’ilay hitany tany Damaskosy ilay alitara varahina tao. (2Mp 16:5-16) Farany, nohidiany ny varavaran’ny tranon’i Jehovah.​—2Ta 28:24.

Niezaka nanarina ny tsy mety nataon-drainy i Hezekia zanak’i Ahaza (745-717 T.K.). Nosokafany indray ny tempoly ka nasainy nodiovina, raha vao nanjaka izy. (2Ta 29:3, 15, 16) Natahotra an’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria anefa izy tatỳ aoriana, ka nendahany ny varavaran’ny tempoly sy ny tolàna efa nopetahany takela-bolamena ary nalefany tany amin’i Sankeriba.​—2Mp 18:15, 16.

Nozimbazimbaina sy natao tsirambina ny tempoly nandritra ny 50 taona taorian’ny nahafatesan’i Hezekia. Nanao ratsy mihoatra noho ny mpanjakan’ny Joda rehetra talohany i Manase zanany (716-662 T.K.), satria nanorina alitara “ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy, teo amin’ny tokotany roa ivelan’ny tranon’i Jehovah.” (2Mp 21:1-5; 2Ta 33:1-4) Tena simba be ilay tempoly tamin’ny andron’i Josia zafikelin’i Manase (659-629 T.K.). Nikorontana ny tao amin’ilay tempoly, matoa nampientanentana ny nahitan’i Hilkia Mpisoronabe tao ny boky misy ny Lalàna (azo inoana fa ilay horonam-boky nosoratan’i Mosesy). (2Mp 22:3-13; 2Ta 34:8-21) Namboarina indray ny tempoly ary nodiovina. Nankalaza ny Paska avy eo ny vahoaka. Mbola tsy nisy fankalazana hoatran’izany, hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany. (2Mp 23:21-23; 2Ta 35:17-19) Tamin’izany fotoana izany i Jeremia no naminany. (Je 1:1-3) Nanompo tao amin’ny tempoly foana ny mpisorona taorian’izay ka mandra-paharavany, na dia maro aza ny mpisorona nivadika.

Tempoly naorin’i Zerobabela. Nanentana an’i Kyrosy mpanjakan’i Persa hanafaka ny Israelita tany Babylona i Jehovah, araka ny faminanian’i Isaia. (Is 45:1) Nanentana ny vahoakany koa i Jehovah mba hiverina any Jerosalema miaraka amin’i Zerobabela, izay avy amin’ny fokon’i Joda. Niverina tokoa izy ireo tamin’ny 537 T.K. mba hanorina indray ny tempoly, rehefa tapitra ireo 70 taona nahalao ny tanin’i Joda, araka ny nambaran’i Jeremia. (Ezr 1:1-6; 2:1, 2; Je 29:10) Tsy be voninahitra toy ilay naorin’i Solomona io tempoly io nefa naharitra ela kokoa. Naharitra efa ho 500 taona mantsy izy io (515 T.K. ka hatramin’ny faramparan’ny taonjato voalohany T.K.), fa ilay an’i Solomona kosa 420 taona teo ho eo (1027-607 T.K.).

Namoaka didy i Kyrosy hoe: “Ary izay sisa tavela ka handao ny toerana nivahiniany, dia aoka hampian’ny olona eo an-toerana ka homeny volafotsy sy volamena sy fananana ary biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.” (Ezr 1:1-4) Naverin’i Kyrosy koa ireo fitaovana volamena sy volafotsy 5400 nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly.​—Ezr 1:7-11.

Naorina ny alitara tamin’ny volana fahafito (Etanima na Tisry) tamin’ny 537 T.K. Napetraka ny fototr’ilay tempoly vaovao ny taona nanaraka. Olona avy any Sidona sy Tyro no nokaramaina hitondra hazo sedera avy any Libanona, toy ny tamin’ny andron’i Solomona ihany. (Ezr 3:7) Nahakivy ny mpanorina anefa ny nataon’ireo mpanohitra, indrindra fa ny Samaritanina. Vitan’izy ireo mihitsy ny nangataka tamin’ny mpanjakan’i Persa mba hampijanona ilay asa, rehefa afaka 15 taona teo ho eo.​—Ezr 4.

Nitsahatra ilay asa ka variana tamin-javatra hafa ny Jiosy. Nirahin’i Jehovah àry i Hagay sy Zakaria mpaminany handrisika azy ireo hanohy ilay asa, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy I (520 T.K.). Namoaka didy nifanaraka tamin’ny baikon’i Kyrosy i Dariosy, ary nilaza fa vola avy ao amin’ny fitehirizana ny harenam-panjakana no hividianana izay ilain’ny mpanorina sy ny mpisorona. (Ezr 5:1, 2; 6:1-12) Nitohy indray àry ilay asa, ary vita tamin’ny fahatelon’ny volana Adara ny tranon’i Jehovah, tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy (angamba 6 Martsa 515 T.K.). Nitokana an’ilay tempoly ny Jiosy avy eo ary nankalaza ny Paska.​—Ezr 6:13-22.

Tsy dia fantatra firy ny tena firafitr’io tempoly faharoa io. Izao fotsiny no baikon’i Kyrosy: “Ho enimpolo hakiho [27 m eo ho eo] ny haavony, ary ho enimpolo hakiho ny sakany. Ary hatao telo andalana ireo vato lehibe nakodiadia, ary iray andalana ny hazo.” Tsy voalaza kosa ny lavany. (Ezr 6:3, 4) Nasiana efitra fisakafoana sy efitra fitehirizana entana (Ne 13:4, 5) ary efitra tany an-tampon-trano izy io, ary azo inoana fa nisy trano hafa nifanila taminy, toy ilay tao amin’ny tempolin’i Solomona ihany.

Tsy tao amin’io tempoly io ny Vata misy ny fifanekena. Toa efa tsy hita mantsy ilay vata, talohan’ny nandroban’i Nebokadnezara an’ilay tempolin’i Solomona tamin’ny 607 T.K. Milaza ny boky voalohan’ny Makabeo (1:21-24, 57; 4:38, 44-51) fa ireto avy no tao: Fitoeran-jiro iray (fa tsy folo toy ny tao amin’ilay tempolin’i Solomona), ny alitara volamena, ny latabatry ny mofo aseho, ireo fitaovana, ary ny alitaran’ny fanatitra dorana, izay voalaza fa alitara vato (fa tsy varahina toy ilay tao amin’ny tempolin’i Solomona). Nolotoin’i Antiokosa Epifana Mpanjaka io alitara io tamin’ny 168 T.K. Nampanangana alitara vaovao àry i Jodasy Makabeo, ka vato hafa no nampiasaina.

Tempoly naorin’i Heroda. Tsy resahin’ny Soratra Masina ny mombamomba an’io tempoly io. Nahita azy io anefa i Josèphe ka nitantara momba ny fanorenana azy, ao amin’ny Adin’ny Jiosy sy Rakitry ny Ela Jiosy. Miresadresaka kely momba azy io koa ny Mishnah jiosy, ary kely ihany ny zavatra hitan’ireo mpikaroka. Avy amin’izay nolazain’i Josèphe sy ny Mishnah ary izay hitan’ny mpikaroka àry ny fanazavana manaraka eto. Mety ho tsy azo antoka anefa ny zavatra sasany nolazain’izy ireo.​—SARY, Boky Faha-2, p. 543.

Nilaza i Josèphe tao amin’ny Adin’ny Jiosy (I, 401 [xxi, 1]) fa tamin’ny taona faha-15 nanjakany i Heroda no nanorina indray an’ilay tempoly. Tao amin’ny Rakitry ny Ela Jiosy (XV, 380 [xi, 1]) indray anefa izy nilaza fa tamin’ny taona faha-18 ilay izy. Io taona faha-18 io no eken’ny manam-pahaizana, na dia tsy voaporofo aza hoe oviana no nanomboka nanjaka i Heroda, na hoe marina sa tsia ny fomba nanisan’i Josèphe izany. Herintaona sy tapany no nanaovana ilay toerana masina, fa valo taona kosa ireo tokotany sy ny zavatra hafa. Hoy ny Jiosy tamin’i Jesosy Kristy tamin’ny 30 A.K.: “Enina amby efapolo taona ange no nanorenana ity tempoly ity e!” (Jn 2:20) Te hilaza izy ireo hoe mbola nitohy tamin’izay ny asa fanorenana teo amin’ireo tokotany sy trano. Enin-taona teo ho eo talohan’ny nandravana ilay tempoly tamin’ny taona 70 mantsy vao vita ilay asa.

Nankahala an’i Heroda sy tsy natoky azy ny Jiosy, ka tsy namela azy hanorina indray an’ilay tempoly raha tsy efa nataony vonona daholo ny zava-drehetra. Tsy tempoly fahatelo koa izy io tamin’ny Jiosy, fa tempoly naorina indray fotsiny. Ireo naorin’i Solomona sy Zerobabela ihany mantsy no nantsoiny hoe tempoly voalohany sy faharoa.

Hoy ny Diksioneran’ny Baiboly nataon’i Smith (1889, Boky Faha-4, p. 3203) momba ny refy noresahin’i Josèphe: “Marina hatramin’ny tsipiriany madinika ny refin’ny lavany nolazainy, ka azo inoana fa nahita ny planin’ilay tempoly nomanin’ny manamboninahitra ambony tao amin’ny tafik’i Titus izy. Tsy mba toy izany kosa ny refin’ny haavo, izay nampitomboiny avo roa heny, afa-tsy ny refy iray ihany angamba. Tsy misy porofo anefa ahafahana milaza fa diso ny refin’ny haavo nolazainy, satria rava daholo ireo trano rehefa natao fahirano ilay tanàna.”

Lala-mitafo sy vavahady. Nampitomboin’i Heroda avo roa heny ny toerana nisy an’ilay tempoly, hoy i Josèphe. Nasiany rindrim-bato lehibe mantsy ireo tehezan’ny Tendrombohitra Moria, ary nataony mitovy tantana ny teo an-tampon’ilay tendrombohitra. (Ny Adin’ny Jiosy, I, 401 [xxi, 1]; Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 391-402 [xi, 3]) Milaza ny Mishnah (Middôt 2:1) fa 500 hakiho (223 m) ny lafiny iray tamin’ilay tendrombohitra nisy ny tempoly. Nisy lala-mitafo sy andry ny sisiny. Nitodika niantsinanana ilay tempoly, toy ireo tempoly talohany ihany. Teo amin’iny ilany atsinanana iny ny lala-mitafon’i Solomona, izay lalana roa nisy andry marbra. Nisy Jiosy nanatona an’i Jesosy tao amin’io lala-mitafo io indray ririnina, ka nanontany azy raha izy no Kristy. (Jn 10:22-24) Nisy lala-mitafo koa teo avaratra sy teo andrefana, saingy kely kokoa noho ilay Lala-mitafon’ny Mpanjaka teo atsimo, izay nisy andry 162 be haingonkaingony (antsoina hoe andry korintianina) natao laharana efatra noelanelanin’ny lalana telo. Tena lehibe ireo andry satria lehilahy telo nifampitantana nanao faribolana vao nahodidina ny iray. Avo kokoa noho ireo andry hafa koa izy ireo.

Vavahady valo no fidirana tao amin’ilay tempoly: Efatra teo andrefana, roa teo atsimo, ary iray teo atsinanana sy teo avaratra. (Jereo VAVAHADY [Vavahadin’ny Tempoly].) Naleon’ny mpandeha àry niditra tamin’ireo vavahady ireo ka nanivaka teo amin’ny Tokotanin’ny Hafa Firenena (tokotany voalohany), toy izay nanodidina ny faritry ny tempoly.

Tokotanin’ny Hafa Firenena. Nisy lala-mitafo nanodidina an’ilay Tokotanin’ny Hafa Firenena. Navela hiditra teo amin’io toerana malalaka io ny hafa firenena. Teo i Jesosy no nandroaka indroa an’ireo nanao ny tranon’ny Rainy ho trano fivarotana, ka ny voalohany tamin’izy nanomboka ny fanompoany, ary ny faharoa tany amin’ny faramparany.​—Jn 2:13-17; Mt 21:12, 13; Mr 11:15-18.

Nisy tokotany maromaro nandalovan’izay te hankao amin’ny toerana masina. Masina kokoa, hono, ny tokotany tsirairay arakaraka ny nanakekezana ny toerana masina. Nisy rindrina nanasaraka ny Tokotanin’ny Hafa Firenena sy ny tokotany nanaraka. Telo hakiho (1,3 m) ny haavon’ilay rindrina, ary nisy fidirana maromaro izy io. Nasiana vato lehibe teo an-tampony. Nisy soratra fampitandremana tamin’ny teny grika sy latinina ireo vato ireo. Hoy ilay tamin’ny teny grika (araka ny dikan-teny iray): “Tsy misy vahiny mahazo mihoatra ity fefy ity na ny fefy manodidina ny toerana masina. Ho voaheloka ho faty izay tratra.” (Ny Diksionera Vaovaon’i Westminster Momba ny Baiboly, nataon’i H. Gehman, 1970, p. 932) Nirotahan’ny olona tao amin’ny tempoly ny apostoly Paoly, indray mandeha, satria nampiditra hafa firenena tao amin’ilay faritra tsy azon’izy ireny nidirana, hono. Noresahin’i Paoly tamin’ny heviny an’ohatra io “rindrina” io, rehefa nilaza izy fa “nandrava an’ilay rindrina” nanasaraka ny Jiosy sy ny hafa firenena i Kristy.​—Ef 2:14; As 21:20-32.

Soratra teo amin’ny tokotanin’ny tempolin’i Jerosalema, nampitandrina ny hafa firenena tsy hanakaiky ny tempoly

Tokotanin’ny Vehivavy. Nisy zanatohatra 14 niakarana teo amin’ny Tokotanin’ny Vehivavy. Nahazo nankao ny vehivavy rehefa hivavaka. Nisy vata fandatsaham-bola sy zavatra hafa teo amin’io tokotany io. Teo akaikin’ny vata iray i Jesosy no nahita an’ilay mpitondratena nandatsaka ny fivelomany rehetra ka nidera azy. (Lk 21:1-4) Nisy trano maromaro koa teo amin’io tokotany io.

Tokotanin’ny Israely sy Tokotanin’ny Mpisorona. Nisy zanatohatra 15 lehibe niakarana teo amin’ny Tokotanin’ny Israely, izay azon’ny lehilahy madio nidirana. Nisy efitra fitehirizana entana nifanila tamin’ny rindrina ivelan’io tokotany io.

Nanarakaraka azy io ny Tokotanin’ny Mpisorona, izay nifanitsy tamin’ny tokotanin’ny tranolay masina. Nisy alitara natao tamin’ny vato tsy voapaika teo amin’ilay tokotany. Milaza ny Mishnah fa efamira ny velaran’ny fototr’ilay alitara ka 32 hakiho (14,2 m) ny lafiny iray. (Middôt 3:1) Mbola lehibe noho izany aza ilay izy, hoy i Josèphe. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 225 [v, 6]; jereo ALITARA [Alitara taorian’ny sesitany].) Niakatra lalana misolampy ny mpisorona rehefa nankeo amin’ilay alitara. Nampiasa “kovetabe fisasana” izy ireo, hoy ny Mishnah. (Middôt 3:6) Nisy trano samihafa koa nanodidina an’ilay tokotany.

Ilay tempoly. Nisy efitra roa ilay tempoly, toy ireo talohany ihany, dia ny Masina sy ny Masina Indrindra. Zanatohatra 12 no niakarana avy teo amin’ny Tokotanin’ny Mpisorona nankao amin’ny tempoly. Nisy paosin-trano sy efitra ambony rihana ilay tempoly, toy ilay tempolin’i Solomona ihany. Varavarana volamena no teo amin’ny fidirana, ka 55 hakiho (24,5 m) ny haavon’ny varavarana tsirairay ary 16 hakiho (7,1 m) ny sakany. Nivelatra kokoa noho ny teo aoriana ny teo alohan’ilay tempoly, satria nitarina 20 hakiho (8,9 m) ny andaniny sy ny ankilany. Nirefy 40 hakiho (17,8 m) ny lavan’ny Masina ary 20 hakiho ny sakany, raha ny refiny anatiny. Tao amin’ny Masina ny fitoeran-jiro sy ny latabatry ny mofo aseho ary ny alitaran’ny emboka manitra, izay samy volamena avokoa.

Nisy ridao matevina voaravaka tsara tarehy teo amin’ny fidirana amin’ny Masina Indrindra. Nitriatra roa hatrany ambony ka hatrany ambany ilay ridao rehefa maty i Jesosy, ka hita ny tao anatin’ny Masina Indrindra. Vato fisaka no tao fa tsy ilay Vata misy ny fifanekena, ary nafafin’ny mpisoronabe teo ambonin’ilay vato ny ran’ny sorona tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Mt 27:51; He 6:19; 10:20) Nirefy 20 hakiho ny lavan’io efitra io, ary 20 hakiho ny sakany.

Nitady fialofana tao amin’ny tempoly ny Jiosy, rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny Romanina tamin’ny taona 70. Ny Jiosy ihany no nandoro ireo lala-mitafo, fa miaramila romanina iray kosa no nandoro ilay tempoly (nefa tsy izany no fanirian’i Titus mpitari-tafika). Tanteraka àry ny tenin’i Jesosy hoe: “Tsy havela hisy vato hifanaingina mihitsy eto ka tsy harodana.”​—Mt 24:2; Ny Adin’ny Jiosy, VI, 252-266 (iv, 5-7); VII, 3, 4 (i, 1).

Tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Nilaza i Paoly fa “tandindona fotsiny sady aloky ny zavatra any an-danitra” ilay tranolay masina, izay natao modelin’ireo tempoly. (He 8:1-5; jereo koa 1Mp 8:27; Is 66:1; As 7:48; 17:24.) Asehon’ny Soratra Grika Kristianina fa mifanitsy amin’ilay tranolay masina nataon’i Mosesy sy ireo tempolin’i Solomona sy Zerobabela ary Heroda ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Io ilay “tena tranolay, izay naorin’i Jehovah fa tsy naorin’olona.” (He 8:2) Io tempoly ara-panahy io no fandaharana natao hanatonana sy hanompoana an’i Jehovah, miorina amin’ny sorona fampihavanana natolotr’i Jesosy Kristy.​—He 9:2-10, 23.

Milaza ny Baiboly fa “ny lanitra mihitsy”, izay misy an’Andriamanitra, no Masina Indrindra ao amin’io tempoly ara-panahy io. (He 9:24) Koa satria ny Masina Indrindra ihany no “lanitra”, dia tsy maintsy etỳ an-tany ny Masina sy ny tokotanin’ny mpisorona. Mifanitsy amin’ireo ny fahamasinan’i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany, sy ny an’ireo mpanara-dia azy izay “nahazo fiantsoana ho any an-danitra.”​—He 3:1.

Nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra ilay ridao. Ny ‘nofon’i’ Jesosy no mifanitsy amin’izy io. Tsy maintsy nataony sorona sy nafoiny mandrakizay ny nofony, mba hidirany any amin’ilay Masina Indrindra, dia ny lanitra. (He 10:20) Tsy ahafahan’ny Kristianina voahosotra hiditra eo anatrehan’Andriamanitra any an-danitra koa ny nofony ka tsy maintsy afoiny. Ao amin’ilay Masina an’ohatra izy ireo satria zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy manantena ny ho any an-danitra. Hahazo ilay valisoany any an-danitra izy ireo rehefa afoiny ao amin’ny fahafatesana ny vatany.​—1Ko 15:50; He 2:10.

Toy ny hoe mahazo hazavana avy amin’ilay fitoeran-jiro ireo voahosotra ho mpisorona lefitr’i Kristy ireo ao amin’ilay Masina an’ohatra, satria lasa takany ny fahamarinana. Mahazo sakafo ara-panahy koa izy ireo, toy ny hoe avy amin’ilay latabatry ny mofo aseho. Ary afaka mivavaka sy midera ary manompo an’Andriamanitra izy ireo, toy ny hoe manolotra emboka manitra eo amin’ilay alitara volamena. Tsy hitan’ny olon-kafa tsy mpisorona ny tao amin’ilay Masina tamin’ny tempoly fahiny. Tsy tena takatry ny olon-kafa koa izay tsapan’ireo zanak’Andriamanitra ateraky ny fanahy.​—Ap 14:3.

Teo amin’ny tokotanin’ny tempoly fahiny no nisy an’ilay alitara fanaovana sorona. Mifanitsy amin’io alitara io ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny nanekeny ny hanaovana sorona ain’olombelona lavorary mba hanavotana ny taranak’i Adama. (He 10:1-10; 13:10-12; Sl 40:6-8) Mifanitsy amin’ny tokotanin’ilay tempoly ara-panahy kosa ny nanekena ny nanaovan’i Jesosy sorona ny ainy, noho izy olombelona lavorary. Ho an’ny mpianany voahosotra indray, dia ambara ho marina izy rehetra noho ny finoany ny soron’i Kristy, ka tsy misy ota izy ireo eo imason’Andriamanitra na dia mbola eto an-tany aza.​—Ro 3:24-26; 5:1, 9; 8:1.

Efa nisy tamin’ny taonjato voalohany ilay “tena tranolay”, na ilay tempoly ara-panahy lehibe. Porofon’izany ny filazan’i Paoly hoe “fanoharana enti-milaza an’izao fotoana voatondro izao”, izany hoe tamin’ilay fotoana nanoratany, ny tranolay masina naorin’i Mosesy. (He 9:9) Efa nisy io tempoly io tamin’i Jesosy niditra tao amin’ny Masina Indrindra, na ny lanitra, sy nanolotra ny vidin’ny sorona nataony. Tamin’ny taona 29 izy io no nanomboka nisy, tamin’i Jesosy nohosorana ny fanahy masina mba ho Mpisoronabe.​—He 4:14; 9:11, 12.

Hoy i Jesosy Kristy momba ireo mpianany nateraky ny fanahy izay tsy mivadika hatramin’ny farany: “Hataoko andry ao amin’ny tempolin’Andriamanitro [izy], ary tsy hiala ao intsony mihitsy.” (Ap 3:12) Hijanona foana ao amin’ny Masina Indrindra, na ny “lanitra mihitsy”, àry izy ireo.

Milaza ny Apokalypsy 7:9-15 fa misy “vahoaka be” manompo an’i Jehovah koa ao amin’ilay tempoly ara-panahy. Tsy mpisorona lefitra akory izy ireo. Voalaza kosa fa ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo. Mino ny soron’i Kristy izy ireo ka ambara fa marina ary ho voaro amin’ny “fahoriana lehibe.” “Avy tamin’ny fahoriana lehibe” mantsy izy ireo, izany hoe ho tafavoaka velona amin’izy io.

Milaza ny Isaia 2:1-4 sy Mika 4:1-4 fa “hasandratra ho avo” “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” “any am-parany.” Hangonina ho ao amin’io “tranon’i Jehovah” io ny olona avy amin’ny “firenena rehetra.” Efa rava tamin’ny taona 70 anefa ilay tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Tsy trano ara-bakiteny àry ilay resahina eto fa ny fanandratana ny fivavahana marina “any am-parany”, sy ny fanangonana olona avy amin’ny firenena rehetra mba hanompo an’i Jehovah ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe.

Miresaka momba ny tempolin’i Jehovah hafa koa ny Ezekiela toko faha​-40-47. Tsy naorina teo amin’ny Tendrombohitra Moria tao Jerosalema mihitsy anefa izy io, sady tsy antonona eo. Tsy maintsy ho ilay tempoly ara-panahy lehibe koa àry izy io. Voaresaka manokana ao ny amin’ny fandaharana mifandray amin’ny fivavahana amin’i Jehovah sy ny fitahiana izay oharina amin’ilay rano mivoaka avy ao amin’ilay tempoly. Asongadina ao koa fa misy fepetra noraisina mba tsy ho tafiditra eo amin’ireo tokotaniny izay rehetra tsy mendrika.

Tempoly hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana. Nahazo fahitana i Ezekiela, mpisorona sady mpaminany, tamin’ny 593 T.K., 14 taona taorian’ny nandravana an’i Jerosalema sy ny tempolin’i Solomona. Toy ny hoe nentina teo an-tampon’ny tendrombohitra avo iray izy ka nahita tempoly lehibe. (Ezk 40:1, 2) Nasaina hilaza tamin’ny “taranak’Israely” ny zava-drehetra hitany i Ezekiela, mba hahatonga an’ireo Jiosy tany an-tsesitany ho menatra sy hibebaka, nefa koa mba hampiononana an’ireo tsy mivadika. (Ezk 40:4; 43:10, 11) Voalaza amin’ny an-tsipiriany ny refy rehetra. “Bararata” (bararata lava: 3,11 m) sy “hakiho” (hakiho lava: 51,8 sm) no refy nampiasaina. (Ezk 40:5, f.a.p.) Nisy àry nihevitra fa tokony hatao tahaka an’io tempoly io ilay haorin’i Zerobabela aorian’ny sesitany. Tsy misy porofo manamarina izany anefa.

Efamira ilay toerana manontolo ka 500 hakiho ny lafiny iray. Nisy tokotany ivelany sy tokotany anatiny ambony kokoa ilay tempoly, ary nisy alitara koa, efitra fisakafoana maromaro, ary trano iray teo andrefany na teo andamosiny. Vavahady goavana enina no fidirana teo amin’ireo tokotany, ka telo ho an’ilay teo ivelany, ary telo ho an’ilay teo anatiny. Nitodika nianavaratra sy niantsinanana ary nianatsimo ireo vavahady, ka samy nifanandrify tamin’ireo vavahady ivelany ireo vavahady anatiny. (Ezk 40:6, 20, 23, 24, 27) Nisy faritra ambany vita rarivato nanodidina ny tokotany ivelany. Nirefy 50 hakiho (25,9 m) ny sakan’io faritra io, toy ny lavan’ny vavahady ihany. (Ezk 40:18, 21) Nisy efitra fisakafoana 30 teo amin’izy io, ka azo inoana fa tao amin’ireo efitra ireo ny olona no nihinana ny sorona iombonana. (Ezk 40:17) Teo amin’ny zorony efatra tamin’ilay tokotany ivelany kosa ny mpisorona no nahandro ny anjaran’ny olona tamin’ireo sorona, araka ny notakin’ny Lalàna. Toa nohanina tao amin’ireo efitra fisakafoana ilay izy avy eo. (Ezk 46:21-24) Nirefy 100 hakiho ny ampahany tamin’ilay tokotany ivelany teo anelanelan’ilay faritra vita rarivato sy ny vavahadin’ny tokotany anatiny.​—Ezk 40:19, 23, 27.

Samy hafa ireo efitra fisakafoan’ny mpisorona sy ny an’ny olona. Akaiky kokoa ny tempoly ny an’ny mpisorona. Teo amin’ny tokotany anatiny anilan’ny vavahady anatiny ny roa tamin’ireo efitra ireo, sy ny efitra roa fisakafoan’ny mpihira. (Ezk 40:38, 44-46) Nisy fitambaran-trano feno efitrano fisakafoana ho an’ny mpisorona koa, teo avaratra sy teo atsimon’ny toerana masina. (Ezk 42:1-12) Tsy natao hisakafoan’ny mpisorona fotsiny ireo efitra ireo, fa natao hisoloany akanjo koa. Napetrany tao ny fitafiana (vita amin’ny lamba rongony) fitondrany manompo, rehefa hankeo amin’ny tokotany ivelany izy. (Ezk 42:13, 14; 44:19) Teo andamosin’ireo fitambaran-trano ny mpisorona no nampangotraka sy nahandro fanatitra tanaty lafaoro, toy ny nataony teo amin’ny zoron’ny tokotany ivelany, saingy ho azy ireo ihany ilay izy.​—Ezk 46:19, 20.

Ny vavahady anatiny no fidirana avy teo amin’ny tokotany ivelany nankeo amin’ny tokotany anatiny. Nisy 150 hakiho (77,7 m) ny elanelan’ny sisin’ny tokotany anatiny sy ny an’ny tokotany ivelany, teo atsinanana sy teo avaratra ary teo atsimo. Nirefy 200 hakiho (103,6 m) ny sakan’ny tokotany anatiny. (Milaza ny Ezekiela 40:47 fa efamira ny tokotany anatiny ka 100 hakiho ny lafiny iray. Ilay faritra teo anoloan’ny tempoly fotsiny angamba no tiany holazaina eo, ary teo amin’ny vavahadiny anatiny no fidirana tao.) Teo amin’ilay tokotany anatiny ny alitara.​—Ezk 43:13-17; jereo ALITARA (Alitaran’ny tempolin’i Ezekiela).

Varavarana nisy lelavaravarana roa no fidirana tao amin’ny efitra voalohan’ny toerana masina. Nirefy 40 hakiho (20,7 m) ny lavan’ilay efitra, ary 20 hakiho (10,4 m) ny sakany. (Ezk 41:23, 24) Nisy alitara hazo tao, dia ‘ilay latabatra teo anatrehan’i Jehovah.’​—Ezk 41:21, 22.

Nisy efitrefitra nanodidina ny toerana masina, ka efatra hakiho (2 m) ny sakan’ny efitrefitra. Natsofoka tao anatin’ny rindrina ivelan’ilay trano ireo efitrefitra. Rihana roa izy ireo ka 30 isaky ny rihana, teo amin’ny rindrina andrefana sy avaratra ary atsimo. (Ezk 41:5, 6) Toa tohatohatra niolikolika teo avaratra sy teo atsimo no niakarana tany ambony rihana. (Ezk 41:7) Nisy trano nantsoina hoe binyan na ‘tranobe nivoaka niankandrefana’ teo andrefana, na teo andamosin’ilay tempoly. (Ezk 41:12) Milaza ny manam-pahaizana sasany fa angamba ny tempoly na ny toerana masina io trano io. Toa tsy misy porofon’izany anefa ao amin’ny Ezekiela. Tsy nitovy habe sy bika tamin’ny toerana masina mantsy io ‘tranobe nivoaka niankandrefana’ io. Azo antoka anefa fa nampiasain’ireo nanompo tao amin’ny toerana masina izy io. Mety ho nisy tranobe iray na maromaro toy izany koa teo andrefan’ny tempolin’i Solomona.​—Ampit. 2Mp 23:11 sy 1Ta 26:18.

Nitovy bika tamin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tempolin’i Solomona ny an’ny tempolin’i Ezekiela. Efamira izy io ka 20 hakiho ny lafiny iray. Hitan’i Ezekiela tonga avy any atsinanana ny voninahitr’i Jehovah nameno an’ilay tempoly. Hoy i Jehovah momba ilay tempoly: “Ity no toerana misy ny seza fiandrianako.”​—Ezk 43:1-7.

Nisy manda nanodidina ny tempoly, ka indimanjaton’ny bararata (1555 m) ny ilany tsirairay. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa nielanelana 600 m teo ho eo io manda io sy ny tokotany voahodidin’izy io, “mba hanasarahana an’izay masina sy tsy masina.”​—Ezk 42:16-20.

Nisy rano nikoriana “avy teo ambanin’ny tokonan’ilay Trano ary nikoriana niantsinanana” teo atsimon’ny alitara izy io. Nihalalina ilay rano ka lasa renirano lehibe namakivaky an’i Araba ary nivarina tany amin’ny farany avaratry ny Ranomasin-tsira. Sitrana àry ny rano tao amin’ilay ranomasina, ka nisy trondro be dia be.​—Ezk 47:1-12.

Tempoly ara-panahy ny Kristianina voahosotra. Oharina amin’ny tempoly koa ny Kristianina voahosotra. Mitoetra ao amin’izy ireo mantsy ny fanahin’Andriamanitra. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Efesosy izay “tafaray amin’i Kristy Jesosy” sy nasiana “tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina”: “Efa naorina teo ambony fototra, dia ny apostoly sy ny mpaminany ianareo, fa i Kristy Jesosy kosa no vato fehizoro. Tafaray aminy ilay rafitra manontolo, izay tafakambana mirindra tsara, ka amin’izany no isondrotany mba ho tonga tempoly masina ho an’i Jehovah. Tafaray aminy koa ianareo, ka amin’izany no anorenana anareo miaraka mba ho tonga toerana honenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny.” (Ef 1:1, 13; 2:20-22) Miisa 144 000 ireo “voaisy tombo-kase” ireo, ary i Kristy no Fototra iorenany. (Ap 7:4; 14:1) Milaza ny apostoly Petera fa “aorina ho trano ara-panahy” ireo “vato velona” ireo, “mba ho mpisorona masina.”​—1Pe 2:5.

‘Trano aorin’Andriamanitra’ ireo mpisorona lefitra ireo ka tsy avelany holotoina. Nilaza i Paoly fa masina io tempoly ara-panahy io, ka hahita loza izay mitady handoto azy io. Hoy izy: “Tsy fantatrareo ve fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny fanahin’Andriamanitra? Raha misy mandrava ny tempolin’Andriamanitra, dia haringan’Andriamanitra izy. Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, ary ianareo izany tempoly izany.”​—1Ko 3:9, 16, 17; jereo koa 2Ko 6:16.

I Jehovah Andriamanitra sy ny Zanak’ondry no “tempoliny.” Hoy i Jaona, momba ilay Jerosalema Vaovao hitany nidina avy any an-danitra: “Ary tsy nahita tempoly tao aho, fa i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, sy ny Zanak’ondry, no tempoliny.” (Ap 21:2, 22) Hifanatri-tava amin’i Jehovah ireo anisan’ilay Jerosalema Vaovao, ka tsy hila tempoly mba hanatonana Azy. (1Jn 3:2; Ap 22:3, 4) Hanolotra fanompoana masina mivantana ho an’Andriamanitra izy ireo, ary i Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondry, no mpisoronabeny. Amin’izay heviny izay no tempolin’i Jerosalema Vaovao i Jehovah sy ny Zanak’ondry.

Mpisandoka. Nilaza i Paoly fa ho avy “ilay lehilahy mpandika lalàna” izay ‘hipetraka ao amin’ny tempolin’Ilay Andriamanitra, ka hiseho an-karihary ho andriamanitra.’ (2Te 2:3, 4) Mpivadi-pinoana sy mpampianatra sandoka io “lehilahy mpandika lalàna” io, ka tempoly ihamboany ho tempolin’Andriamanitra no ipetrahany, raha ny marina.​—Jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.

Heviny an’ohatra. Hoy i Jesosy tamin’ireo Jiosy nangataka famantarana taminy: “Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako izy ao anatin’ny telo andro.” Ilay tempoly ara-bakiteny no tao an-tsain’izy ireo, nefa hoy ny apostoly Jaona: “Ny [vatan’i Jesosy] anefa ilay tempoly noresahiny.” Tsaroan’ny mpianany io tenin’i Jesosy io ka azony sy ninoany, tamin’izy natsangan’i Jehovah Rainy tamin’ny andro fahatelo. (Jn 2:18-22; Mt 27:40) Tsy nofo izy rehefa natsangana, satria efa nataony sorona ilay vatany. Tsy lo anefa io vatany io satria nataon’Andriamanitra nanjavona, toy ny sorona nodorana teo amin’ny alitara. I Jesosy ihany io natsangana io, fa nomena vatana vaovao kosa mba hahafahany hipetraka any an-danitra, any amin’ilay fonenany vaovao.​—Lk 24:1-7; 1Pe 3:18; Mt 20:28; As 2:31; He 13:8.