Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tendan-kanina

Tendan-kanina

Ilazana olona tia tena sy tsy mety afa-po fa tia mihinana tafahoatra, ary indrindra fa mambosibosika. Mifanipaka tanteraka amin’ny toro lalana sy ny fitsipiky ny Baiboly ny hatendan-kanina.

Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa izay nanana zanaka mafy loha sy tendan-kanina ary mamo lava dia tokony hitondra azy any amin’ny anti-panahin’ny tanàna, ary ireo indray hanao izay hitoraham-bato azy. (De 21:18-21) Raran’ny Ohabolana na dia ny minamana amin’ny olona tendan-kanina aza: ‘Manala baraka an-drainy izay minamana amin’ny tendan-kanina.’ “Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay sy mpihinan-kena tafahoatra, satria hahantra ny mamo lava sy ny tendan-kanina, ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.” (Oh 28:7; 23:20, 21) Zôhlel no teny hebreo nadika hoe “tendan-kanina” sy ‘mpihinana tafahoatra.’ Mety hidika hoe “mpandany”, izany hoe mpandanilany foana, io teny hebreo io.​—Ampit. De 21:20, Prot.

Te hanala baraka an’i Jesosy Kristy ny mpanohitra azy, ka niampanga azy ho “olona tendan-kanina sy mpiboboka divay.” Hoy fotsiny anefa i Jesosy: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony’ na “hamarinin’ny zanany rehetra.” (Mt 11:19; Lk 7:34, 35) Toy ny nilaza i Jesosy hoe: ‘Jereo ny zavatra tsara ataoko sy ny fitondran-tenako, dia ho fantatrareo fa diso ny fiampangana ahy.’

Tsy tokony hisy izany hoe Kristianina tendan-kanina izany. Niezaka àry ny apostoly Paoly mba tsy ho tafiditra teo anivon’ny fiangonana izany toetra ratsy izany. Navelany tany Kreta i Titosy mba hikarakara an’ilay fiangonana vaovao tany. Nampahatsiahiviny azy ny tenin’ny mpaminany iray avy any Kreta (angamba i Epimenida, poety kretanina tamin’ny taonjato fahenina T.K.), manao hoe: “Mpandainga foana ny Kretanina, bibidia masiaka sady kamo be tenda [a.b.t.: kibo].” Nilaza àry i Paoly fa tokony hotendren’i Titosy ho mpiandraikitra izay lehilahy tsy nisy hokianina tamin’ireo lafiny ireo, sy tsy mpimamo na nanana faniriana tsy mety afa-po, ary lehilahy nahafehy tena tsara.​—Tit 1:5-12.

Marina fa tsy voalaza hoe anisan’ny “asan’ny nofo” ny hatendan-kanina, nefa matetika izy io no miaraka amin’ny fibobohan-toaka sy ny lanonana feno filibana, ka azo antoka fa anisan’ireo zavatra hafa natambatra amin’ny hoe “ny toy ireo.” “Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpanao an’ireo. (Ga 5:19, 21) Tokony hahalala onony àry ny Kristianina, na mihinana izy na manao zavatra hafa.​—1Ti 3:2, 11.