Teny Folo
Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe ʽaseret haddevarim. Ao amin’ny Boky Dimy Voalohany ihany no ahitana io teny hebreo io, izay ilazana ny Didy Folo na ireo lalàna fototra folo tamin’ny fifaneken’ny Lalàna. (Ek 34:28; De 4:13; 10:4) Antsoina koa hoe “Teny” (De 5:22) sy hoe “teny tao amin’ilay fifanekena” (Ek 34:28) io fehezan-dalàna io. Deka (folo) sy lôgos (teny) kosa no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Ek 34:28; De 10:4) azy io.
Ek 20:1; 31:18; De 5:22; 9:10; As 7:38, 53; jereo koa Ga 3:19; He 2:2.) Niakatra teo amin’ilay tendrombohitra i Mosesy avy eo, mba handray ny Teny Folo nosoratana teo amin’ny takela-bato roa, mbamin’ny didy sy toromarika hafa. Nijanona tany 40 andro izy. Tsy nahandry azy anefa ny vahoaka ka nanao zanak’omby volamena hivavahana. Hitan’i Mosesy izany rehefa nidina izy. Nazerany àry ireo takela-bato nisy ny Teny Folo izay “asa tanan’Andriamanitra”, ka novakivakiny.—Ek 24:12; 31:18–32:19; De 9:8-17; ampit. Lk 11:20.
Ireo takela-bato. Notononin’ny anjelin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay aloha ny Teny Folo. (Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy tatỳ aoriana: “Manamboara takela-bato roa mitovy amin’ireo voalohany, fa hosoratako eo amin’ireo ny teny teo amin’ireo takela-bato voalohany novakivakinao.” (Ek 34:1-4) Nijanona 40 andro teo an-tendrombohitra indray i Mosesy, ary nahazo takela-bato hafa nisy ny Teny Folo. Nataony tao anaty vata vita tamin’ny hazo akasia ilay izy. (De 10:1-5) Nantsoina hoe “takela-baton’ny fifanekena” ireo takela-bato roa. (De 9:9, 11, 15) Tsy mahagaga raha nantsoina hoe “Vata misy ny fifanekena” ilay vata nasiana an’ireo takela-bato tatỳ aoriana. Namboarin’i Bezalila izy io ary nopetahany takela-bolamena. (Js 3:6, 11; 8:33; Mpts 20:27; He 9:4) Nantsoina koa hoe “vavolombelona” (Ek 25:16, 21; 40:20) sy ‘takela-bato misy ny Tenin’ny Vavolombelona’ (Ek 31:18; 34:29) ny Teny Folo. Nantsoina hoe “Vata misy ny tenin’ny vavolombelona” (Ek 25:22; No 4:5) àry ilay Vata, ary “tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona” ilay tranolay nasiana azy io.—Ek 38:21.
I Jehovah no nanao an’ireo takela-bato roa voalohany, ary ‘nosoratan’ny rantsantanany’ na ny fanahiny ny Teny Folo. (Ek 31:18; De 4:13; 5:22; 9:10) I Mosesy kosa no nanao an’ireo takela-bato faharoa, saingy i Jehovah ihany no nanoratra teo amin’izy ireo. Raha nilazana àry i Mosesy hoe “Soraty ireo teny ireo” (Ek 34:27), dia tsy ny Teny Folo no nosoratany fa ny tsipiriany sasany momba ny fifaneken’ny Lalàna, araka ny efa nataony teo aloha. (Ek 24:3, 4) Hoy koa ny Eksodosy 34:28b: “Nosoratany teo amin’ireo takela-bato ny teny tao amin’ilay fifanekena, izany hoe ny Teny Folo.” I Jehovah io nanoratra io, rehefa jerena ny andininy 1. Mbola nanamafy izany i Mosesy tatỳ aoriana.—De 10:1-4.
Ny Didy Folo. Toy izao no teny fampidirana ny Teny Folo: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny trano fanandevozana.” (Ek 20:2) Hita eo hoe iza no niresahan’i Jehovah, sy hoe nahoana no nomena ny Jiosy velona tamin’izany ny Teny Folo, fa tsy nomena an’i Abrahama.—De 5:2, 3.
Manasongadina ny toerana ambony tanan’i Jehovah ny didy voalohany, manao hoe: “Aza manana andriamani-kafa hifandrafy amiko.” (Ek 20:3) Izy irery mantsy no Andriamanitra Mahery Indrindra sy Avo Indrindra ary Mpanjaka Fara Tampony.
Mifandray amin’ny didy voalohany ilay faharoa, izay mandrara ny fanompoan-tsampy rehetra. Fanaovana tsinontsinona an’i Jehovah sy ny voninahiny mantsy izany. Izao ilay didy: ‘Aza manao sary sokitra, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra, na izay etỳ amin’ny tany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manompo azy.’ Inona no antony? “Fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.”—Ek 20:4-6.
Mbola mifandray amin’izany koa ilay didy fahatelo hoe: “Aza manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao.” (Ek 20:7) Asongadin’ny Soratra Hebreo tokoa fa tena zava-dehibe ny anaran’i Jehovah (miseho in-6973 ao amin’ny TV; jereo JEHOVAH [Tena zava-dehibe ilay anarana]). Miverina imbalo, ohatra, ilay anarana ao amin’ireo andininy vitsivitsy misy ny Teny Folo. (Ek 20:2-17) Manao tsinontsinona ny anaran’Andriamanitra izay mampiasa azy io rehefa mianiana lainga, na izay manonononona foana azy io. Nitondra ny anaran’i Jehovah ny Israelita satria vavolombelony. Tena nanao tsinontsinona ny anarany àry izy ireo rehefa nivadi-pinoana.—Is 43:10; Ezk 36:20, 21.
Hoy ny didy fahefatra: “Aoka hotsarovana ny andro sabata mba hanamasinana azy io, ka enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa ny andro fahafito kosa sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny monina ao an-tanànanao.” (Ek 20:8-10) Afaka niala sasatra ny rehetra, anisan’izany ny mpanompo sy ny biby fiompy, rehefa nohamasinin’ny Israelita ho an’i Jehovah io andro io. Afaka nifantoka tsara tamin’ny zavatra ara-panahy koa izy ireo.
Toa mampifandray an’ireo didy efatra voalohany (momba izay tokony hataon’ny olona amin’Andriamanitra) sy ireo dimy farany (momba izay tokony hataon’ny olona amin’ny namany) ilay Ek 20:12; De 5:16; Ef 6:2, 3.
didy fahadimy hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” Solontenan’Andriamanitra mantsy ny ray aman-dreny, ka manaja sy mankatò an’ilay Mpamorona sy ireo nomeny fahefana ireo ny ankizy mankatò an’io didy io. Izy io irery no mirakitra ny fampanantenana hoe: “Mba ho lava andro iainana ianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.”—Tena fohy ireo didy manaraka. Ireto avy izany: Ny didy fahenina: “Aza mamono olona”, sy fahafito: “Aza manitsakitsa-bady”, ary fahavalo: “Aza mangalatra.” (Ek 20:13-15) Toy izany no filaharany ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta. Nataony manomboka amin’ny heloka mitondra fahavoazana lehibe indrindra ho an’ny hafa ilay izy. Ny filaharany ao amin’ny sora-tanana grika sasany kosa hoe: ‘Mamono olona, mangalatra, manitsakitsa-bady’ (Kôdeksa Alexandrinus, Kôdeksa Ambrosianus), sy hoe: ‘Manitsakitsa-bady, mamono olona, mangalatra’ (Philon, Ny Didy Folo, XII, 51), ary hoe: ‘Manitsakitsa-bady, mangalatra, mamono olona.’ (Kôdeksa Vaticanus) Tsy mahakasika an’izay atao fa izay lazaina kosa ny didy fahasivy hoe: “Aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny mpiara-belona aminao.”—Ek 20:16.
Tsy manam-paharoa ny didy fahafolo (Ek 20:17) satria mandrara ny fitsiriritana, izany hoe ny faniriana hahazo ny fananan’olona, anisan’izany ny vadiny. Tsy misy olombelona mamoaka lalàna toy izany, satria tsy misy olona afaka mamantatra hoe iza no mandika azy io. Afaka manao ampamoaka an’izay mandika azy io kosa i Jehovah, satria izy no mahita sy mahalala an’izay rehetra ao am-pon’ny olona.—1Sa 16:7; Oh 21:2; Je 17:10.
Fomba hafa nitanisana ny Didy Folo. Ilay filaharan’ny Teny Folo ao amin’ny Eksodosy 20:2-17 no tena izy. Hoatran’io koa ny an’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany (Rakitry ny Ela Jiosy, III, 91, 92 [v, 5]), sy ny an’i Philon, filozofa jiosy tamin’ny taonjato voalohany. (Ny Didy Folo, XII, 51) Ny hafa kosa, anisan’izany i Augustin, nanambatra an’ireo lalàna roa momba ny fivavahana amin’ny andriamani-kafa sy ny sary (Ek 20:3-6; De 5:7-10) ho didy iray ihany. Nozarainy roa avy eo ny didy fahafolo (Ek 20:17; De 5:21), ka lasa fahasivy ilay mandrara ny fitsiriritana vadin’olona, ary fahafolo ilay mandrara ny fitsiriritana ny tranony sy ny fananany. Nilaza mantsy i Augustin fa matoanteny hebreo roa samy hafa (“Aza mitsiriritra [heb. hamad] ... Aza manaiky hasesiky ny fitiavan-tena ka haniry mafy hahazo [heb. ʼavah]”) no ao amin’ny andininy faha-21 amin’ny Deoteronomia 5:6-21 izay mitanisa ny Didy Folo koa, fa tsy matoanteny iray miverina indroa (mitsiriritra) toy ny ao amin’ny Eksodosy 20:17.
Misy teny kely sasany koa tsy mampitovy ny fitanisana ao amin’ny Eksodosy sy Deoteronomia, nefa tsy mampiova ny heviny na mampihen-danja azy izany. Fitanisana lalàna ny ao amin’ny Eksodosy, fa fitantarana kosa ny ao amin’ny Deoteronomia. Ho fampahatsiahivana fotsiny mantsy no antony namerenan’i Mosesy ny didin’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia. Hita ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa ny Teny Folo, saingy miova kely, satria matetika no ampiarahina amin’ny toromarika hafa, na ao amin’ny Soratra Hebreo izany na ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.—Ek 31:14; 34:14, 17, 21; Le 19:3, 11, 12; De 4:15-19; 6:14, 15; Mt 5:27; 15:4; Lk 18:20; Ro 13:9; Ef 6:2, 3.
Fehezan-dalàna tonga lafatra ny Teny Folo satria avy amin’Andriamanitra. Nanontany an’i Jesosy Kristy ny lehilahy iray “nahay Lalàna” hoe: “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?” Namaly i Jesosy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” Mamintina an’ireo didy efatra (na angamba dimy) voalohany amin’ny Didy Folo io didy io, raha ny marina. Ny ambiny amin’ny Didy Folo kosa nofintinin’i Jesosy tamin’ilay hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Mt 22:35-40; De 6:5; Le 19:18.
Tsy eo ambanin’ny Didy Folo ny Kristianina. Teraka teo ambanin’ny Lalàna i Jesosy, ary nankatò tanteraka azy io. Nanome ny ainy ho vidim-panavotana izy tamin’ny farany. (Ga 4:4; 1Jn 2:2) Nafahany koa ireo teo ambanin’ny Lalàna (anisan’izany ny Teny na Didy Folo) rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana izy, satria “nanjary voaozona hisolo” azy ireo izy. Ny fahafatesany no ‘namonoana an’ilay sora-tanana nisy didy maro’ izay nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana.—Ga 3:13; Kl 2:13, 14.
Ilain’ny Kristianina anefa ny mandalina ny Lalàna sy ny Teny Folo, mba hahafantarany ny fomba fihevitr’Andriamanitra. “Aloky ny zavatra tsara ho avy” koa ny Lalàna, fa ny tena izy dia an’i Kristy. (He 10:1; Kl 2:17; Ga 6:2) “Manana ny lalàn’Andriamanitra sy eo ambanin’ny lalàn’i Kristy” ny Kristianina. (1Ko 9:21) Tsy melohin’io lalàna io anefa izy ireo, satria raha manota izy ireo noho ny fahalemeny, dia mamela ny helony Andriamanitra noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehony amin’ny alalan’i Kristy.—Ro 3:23, 24.