Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teny, Ny

Teny, Ny

Nadika matetika avy amin’ny teny hebreo hoe davar sy teny grika hoe lôgôs, ary ilazana hevitra iray, na fitenenana, na zavatra lazaina. (Ny teny grika hoe rhema [Mt 27:14] no ilazana ny teny “indraim-bava”, nefa mety hidika koa izy io hoe fitenenana.) “Tenin’Andriamanitra” avokoa rehefa hafatra avy amin’ilay Mpamorona, toy ireo nambaran’ny mpaminany. Anaram-boninahitra iantsoana an’i Jesosy Kristy ny hoe Lôgôs (midika hoe “Teny”) ao amin’ny andininy vitsivitsy.

Ny Tenin’Andriamanitra. Miverina imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny hoe “ny tenin’i Jehovah”, na ny mitovitovy amin’izany. “Ny tenin’i Jehovah” no namoronana ny lanitra. Niteny fotsiny Andriamanitra dia nisy zavatra niforona. “Niteny Andriamanitra hoe: ‘Aoka hisy mazava.’ Dia nisy mazava.” (Sl 33:6; Ge 1:3) Tsy midika anefa izany hoe tsy mba miasa mihitsy i Jehovah. (Jn 5:17) Manana anjely maro be manatanteraka ny teniny sy manao ny sitrapony kosa izy.​—Sl 103:20.

Tsy maintsy manaiky ny tenin’Andriamanitra ny zavamananaina sy tsy mananaina, ary azon’i Jehovah ampiasaina mba hanatanterahana ny fikasany. (Sl 103:20; 148:8) Azo itokisana ny teniny, ary tsaroany foana ny fampanantenany ka tanterahiny. (De 9:5; Sl 105:42-45) “Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” ny teniny, ary tsy hiverim-potsiny aminy fa hanatanteraka an’izay nokasainy.​—Is 40:8; 55:10, 11; 1Pe 1:25.

Ampahafantarin’i Jehovah amin’ny fomba samihafa ny sitrapony sy fikasany. Niresaka tamin’i Adama sy Noa ary Abrahama tamin’ny alalan’ny anjely, ohatra, izy. (Ge 3:9-19; 6:13; 12:1) Nampiasa olona masina toa an’i Mosesy sy Arona koa izy mba hampahafantarana ny fikasany. (Ek 5:1) Avy amin’Andriamanitra “ny teny rehetra” nandidian’i Mosesy an’ireo Israelita. (De 12:32) Niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany toa an-dry Elisa sy Jeremia ary Debora koa Andriamanitra.​—2Mp 7:1; Je 2:1, 2; Mpts 4:4-7.

Nosoratana ny ankamaroan’ny didin’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy. Notononina fotsiny aloha ny Didy folo na “ny Teny Folo”, ary tatỳ aoriana vao “nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra” teo amin’ny takela-bato. (Ek 31:18; 34:28; De 4:13) “Teny” no ilazana azy ireo ao amin’ny Deoteronomia 5:22.​—Jereo TENY FOLO.

Nasain’Andriamanitra nanoratra “teny” fanampiny ‘tao amin’ny boky misy ny lalàny’ i Josoa sy ny olon-kafa nanoratra Baiboly. (Js 24:26; Je 36:32) Natambatra ny asa soratr’izy ireo ka nahazoana ny Soratra Masina na Baiboly Masina. Anisan’ny ‘Soratra Masina iray manontolo avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra’ ireo boky rehetra ekena ho anisan’ny Baiboly ankehitriny. (2Ti 3:16; 2Pe 1:20, 21) “Ny teny” no iantsoana matetika ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Jk 1:22.

Maro ny teny mitovy dika amin’ny hoe tenin’Andriamanitra, toy ny ao amin’ny Salamo faha-119. Lalàna, fampahatsiahivana, didy, fitsipika, didim-pitsarana, ary izay nolazain’i Jehovah no mifanitsy amin’ilay hoe ‘teny’ ao, izay miverina in-20 eo ho eo. Ilazana hevitra na hafatra koa àry ny hoe ‘teny.’

Misy fomba maro hafa koa ilazana ny tenin’Andriamanitra, ka mahatonga azy io hisy heviny kokoa. “‘Tenin’ny’ [rhema] finoana” izy io (Ro 10:8), “tenin’ny [na hafatra (endriny hafa amin’ny hoe lôgôs) momba ny] fahamarinana” (He 5:13), ary “teny fampihavanana” (2Ko 5:19). Toy ny “voa” ny teny na hafatr’Andriamanitra, ka mamoa be raha afafy amin’ny tany tsara. (Lk 8:11-15) Voalaza koa fa “haingana erỳ ny fihazakazaky” ny teniny.​—Sl 147:15.

Ireo mpitory sy mpampianatra ny teny. I Jesosy Kristy Tompo no tena nahay nanazava sy niaro ny tenin’ny fahamarinana azo avy amin’ny herin’ny fanahy masin’i Jehovah. Nitolagaga ny olona noho ny fomba fampianany (Mt 7:28, 29; Jn 7:46), nefa tsy nitady laza ho an’ny tenany izy fa niteny hoe: “Tsy ahy ny teny renareo fa an’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jn 14:24; 17:14; Lk 5:1) Tsy niala tamin’ny tenin’i Kristy ny mpianany tsy nivadika, ka nafahana tamin’ny finoanoam-poana, tahotra, tsy fahalalana, ary tamin’ny fanandevozan’ny ota sy fahafatesana. (Jn 8:31, 32) Niady hevitra tamin’ny Fariseo i Jesosy matetika, satria nataon’izy ireo tsy nanan-kery “ny tenin’Andriamanitra” noho ny fomban-drazany sy ny fampianarany.​—Mt 15:6; Mr 7:13.

Ilaina ny mandre ny tenin’Andriamanitra, nefa tena ilaina koa ny mampihatra sy mankatò. (Lk 8:21; 11:28; Jk 1:22, 23) Nankatò ny teny ny mpianatra sy ny apostoly rehefa avy nampiofanina tsara, ka lasa mpitory sy mpampianatra koa. (As 4:31; 8:4, 14; 13:7, 44; 15:36; 18:11; 19:10) “Tsy nitsahatra niroborobo [àry] ny tenin’Andriamanitra, ka nihamaro be ny isan’ny mpianatra.”​—As 6:7; 11:1; 12:24; 13:5, 49; 19:20.

Tsy toa an’ireo mpiandry sandoka izay nivarotra ny Soratra Masina ny apostoly sy ny namany. Tsy nanatsatso ny hafatr’Andriamanitra izy ireo, fa nitory ny fahamarinana kosa. (2Ko 2:17; 4:2) Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.” Hoy koa izy: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany na amin’ny mora na amin’ny sarotra.” (2Ti 2:15; 4:2) Nampirisihiny hadio fitondran-tena koa ny vehivavy manambady “mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.”​—Tit 2:5.

Maro no nanohitra ny tenin’Andriamanitra, taorian’ny nanoheran’ny Devoly izany tao amin’ny zaridainan’i Edena. Resahin’ny faminanian’ny Baiboly sy ny tantara fa betsaka ny olona namoy ny ainy, noho izy ireo niaro ny tenin’Andriamanitra. (Ap 6:9) Tsy nahasakana ny fitoriana azy io anefa ny fanenjehana.​—Fi 1:12-14, 18; 2Ti 2:9.

Ny herin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny. Misy heriny lehibe amin’izay mihaino azy ny tenin’Andriamanitra. Iankinan’ny aina izy io. Nasehon’Andriamanitra tamin’ny Israely tany an-tany efitra fa “tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (De 8:3; Mt 4:4) “Tenin’ny fiainana” izy io. (Fi 2:16) Nilaza ny tenin’Andriamanitra i Jesosy, ka hoy izy: “Ny teny [rhemata] nolazaiko taminareo dia avy amin’ny fanahy ary manome fiainana.”​—Jn 6:63.

Hoy i Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra [teny na hafatra (lôgôs)], eny, maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (He 4:12) Manohina ny fo izy io, ary mampiharihary raha mampihatra ny toro lalan’i Jehovah ny olona iray na tsia.​—1Ko 14:23-25.

Ny tenin’Andriamanitra no fahamarinana, ary afaka manamasina an’izay olona hampiasain’Andriamanitra izy io. (Jn 17:17) Mampahahendry sy mahasambatra izy io, ary afaka manatanteraka an’izay rehetra kasain’Andriamanitra hatao. (Sl 19:7-9; Is 55:10, 11) Mahatonga ny olona ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra koa izy io, ary manampy azy haharesy an’ilay ratsy.​—2Ti 3:16, 17; ampit. 1Jn 2:14.

Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy sy ny fitoriany: “Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy ny hery [izy]. Ary nandeha hatraiza hatraiza izy ka nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly, satria nomba azy Andriamanitra.” (As 10:38) Vitan’i Paoly ny nitaona olona maro hiova finoana, na dia ireo nanompo sampy aza, ‘tsy tamin’ny fampiasana tenim-pahendrena [fahendren’olombelona] maharesy lahatra, fa tamin’ny fampisehoana ny fiasan’ny fanahy masina sy ny hery.’ (1Ko 2:4) Ny teny avy tao amin’ny Soratra Masina notoriny teo ambany herin’ny fanahy masina no nanan-kery tamin’ny olona, ka niova finoana izy ireo. Hoy izy tamin’ny fiangonan’i Tesalonika: “Rehefa nitory ny vaovao tsara taminareo izahay dia tsy tamin’ny teny fotsiny, fa tamin’ny hery koa, ary tamin’ny fanahy masina sy ny fatokisana tanteraka.”​—1Te 1:5.

Tonga tamin’ny “risi-po sy ny herin’i Elia” i Jaona Mpanao Batisa. Nazoto sy nafana fo be toa an’i Elia mantsy izy. Notarihin’ny fanahin’i Jehovah koa izy, ka nanambara ny tenin’Andriamanitra izay nanan-kery lehibe. Vitany ny ‘nampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanany ary ny tsy mankatò ho amin’ny fahendren’ny marina, ary ny nanomana vahoaka ho an’i Jehovah, eny, vahoaka voaomana.’​—Lk 1:17.

Tsy tokony hohamaivanina àry ny vaovao tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Misy heriny kokoa noho izay mety ho teny foronin’olona na lazainy mantsy izy io. Noderaina ny Berianina fahiny noho izy ireo “nandinika tsara ny Soratra Masina”, mba hahitana raha marina ny fampianaran’i Paoly na tsia. (As 17:11) “Ny herin’ny fanahy masina” no mandrisika sy manampy an’ireo mpitory ny Tenin’Andriamanitra.​—Ro 15:13, 19.

Anaram-boninahitra. Anaram-boninahitra koa ny hoe “ny Teny” (gr: hô Lôgôs) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Jn 1:1, 14; Ap 19:13) Nohazavain’ny apostoly Jaona fa anaram-boninahitr’i Jesosy izy io talohan’ny naha olombelona azy, sy tamin’izy olona lavorary nanompo teto an-tany, ary taorian’ny nanandratana azy ho any an-danitra.

Ny Teny dia andriamanitra.” Hoy i Jaona momba ny Zanaka talohan’ny naha olombelona azy: “Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra.” (Jn 1:1, TV) Hoy kosa ny Fandikan-teny Protestanta: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” Toy ny hoe ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny Teny, raha io no jerena. Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anefa milaza fa tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny Teny, fa andriamanitra na ilay mahery. (Na ny mpitsara nanana fahefana be teo amin’ny Israely fahiny aza nantsoina hoe “andriamanitra.” [Sl 82:6; Jn 10:34, 35]) Misy mpanoritra voafaritra () eo alohan’ilay “Andriamanitra” voalohany ao amin’ny sora-tanana grika, fa tsy misy kosa eo alohan’ilay faharoa.

Manampy antsika hahazo ny dikan’ilay andininy ny Baiboly hafa. Hoy ny dikan-teny ara-bakiteny isan’andalana ao amin’ny Emphatic Diaglott: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny niaraka tamin’Andriamanitra, ary andriamanitra ny Teny.” Hoy kosa ilay andininy: “Tamin’ny Voalohany ny LOGOS, ary ny LOGOS niaraka tamin’ANDRIAMANITRA, ary ny LOGOS dia Andriamanitra.” Natao sora-baventy manontolo ilay teny voalohany hoe “Andriamanitra” eo, fa amin’ilay “Andriamanitra” faharoa kosa ny litera voalohany ihany no natao sora-baventy.

Porofoin’izany fa “andriamanitra” na ilay mahery i Jesosy noho izy Zanak’Andriamanitra sy nampiasainy tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra (Kl 1:15-20), fa tsy izy akory ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Izany koa no hita ao amin’ny Baiboly hafa. La Bible du Centenaire, ohatra, milaza hoe: “Ny Teny dia andriamanitra.” Avy amin’ny teny grika hoe Lôgôs ny hoe “Teny”, ka hoy ny fandikan-tenin’i Moffatt: “Ny Logos dia andriamanitra.” Hoy kosa ny Baiboly alemà nataon’i Böhmer: “Nifandray akaiky tamin’Andriamanitra izy [ny Teny], eny, andriamanitra koa izy.” Hoy koa ny dikan-tenin’i Thimme: “Karazan’Andriamanitra ny Teny.” Manasongadina ny maha izy ny Teny ireo andininy ireo, fa tsy hoe izy ihany ilay Rainy na ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Mitovy amin’ny an’Andriamanitra kosa ny maha izy azy, satria Zanak’i Jehovah izy.​—Kl 2:9; ampitahao amin’ny 2Pe 1:4, izay milaza fa ho lasa “fanahy tahaka an’Andriamanitra” ireo hiara-manjaka amin’i Kristy.

Hoy Ny Fandikan-teny Vaovaon’ny Filazantsara Efatra, nataon’ny Profesora Charles Torrey (fan. faha-2, 1947): “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra. Tamin’izy niaraka tamin’Andriamanitra tamin’ny voalohany no namoronana ny zava-drehetra tamin’ny alalany; raha tsy nisy azy dia tsy nisy zavatra voaforona.” (Jn 1:1-3) Mariho fa natao “a” kely ilay “andriamanitra” ilazana ny Teny.

Io Teny na Lôgôs io no hany zavaboary noforonin’Andriamanitra mivantana. Zanaka lahitokan’Andriamanitra izy ary izy ilay niaraka taminy tamin’Izy niteny hoe: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika, misy itovizana amintsika.” (Ge 1:26) Hoy àry i Jaona: “Niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana. Tamin’ny alalany no nisian’ny zava-drehetra, ary raha tsy noho izy dia tsy nisy na zavatra iray monja aza.”​—Jn 1:2, 3.

Misy andininy hafa koa milaza fa tamin’ny alalan’ny Teny no namoronan’Andriamanitra ny zavatra hafa rehetra. “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany ... dia ny Ray, izay niavian’ny zava-drehetra ... Ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesosy Kristy. Tamin’ny alalany no nanaovana ny zava-drehetra.” (1Ko 8:6) Ny Teny na ny Zanak’Andriamanitra no “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” Izy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra, satria izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”​—Ap 3:14; Kl 1:15, 16.

Nanompo teto an-tany ny Teny ary omem-boninahitra any an-danitra. Hoy i Jaona: “Tonga nofo àry ny Teny [tamin’ny fotoana voatondro], ary nonina teo amintsika [i Jesosy Kristy Tompo], ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny ray.” (Jn 1:14) Tonga nofo ny Teny, ka hitan’ny olona tetỳ an-tany sy reny ary azony nokasihina. Azon’ny olona natao àry ny nifampiresaka sy nifanerasera tamin’ilay “tenin’ny fiainana”, izay “efa nisy hatrany am-piandohana, sy efa renay, sy hitan’ny masonay, ary nojerenay tsara sy notsapain’ny tananay.”​—1Jn 1:1-3.

Mbola antsoina hoe “ny Teny” i Jesosy Kristy Tompo be voninahitra. (Ap 19:11-16) Nahazo fahitana ny tany an-danitra i Jaona, ka nahita soavaly fotsy nitaingenan’ilay “Mendri-pitokisana sy Marina” na “Ny Tenin’Andriamanitra.” “Nisy anarana voasoratra teo amin’ny akanjony ivelany, teo amin’ny feny, hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.”

Antony iantsoana azy hoe “ny Teny.” Ilazana ny asan’ny olona iray na ny andraikiny matetika ny anaram-boninahitra entiny. Nantsoina hoe Kal-Hatzé, midika hoe “feo na tenin’ny mpanjaka”, ohatra, ny manamboninahitra iray tany Abysinia. Toy izao ny andraikitr’izy io, araka ny fitantaran’i James Bruce ny dia nataony tamin’ny 1768-1773: Nijoro teo akaikin’ny varavarankely iray takon’ny ridao ilay manamboninahitra, fa ny mpanjaka kosa tao ambadik’ilay ridao no niresaka taminy, ka tsy hitany. Noresahiny tamin’izay olona tokony hampitana azy avy eo ny tenin’ny mpanjaka. Toy ny hoe teny na feon’ny mpanjakan’i Abysinia àry ny Kal-Hatzé.​—Fikarohana ny Loharanon’i Nil, Londres, 1790, Boky III, p. 265; Boky Faha-4, p. 76.

Nataon’Andriamanitra toy ny hoe teny na “vava” ho an’i Mosesy koa i Arona. Hoy Andriamanitra: “Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao. Koa ho vava ho anao izy, ary ianao kosa ho Andriamanitra eo anatrehany.”​—Ek 4:16.

Toy izany koa fa Vava na Mpitondra Tenin’ny Rainy Mpanjakan’ny Mandrakizay, ny Zanak’Andriamanitra lahimatoa. Tamin’ny alalany no nampitan’Andriamanitra fanazavana sy toromarika tamin’ireo zanany hafa, dia ny anjely sy ny olombelona. Azo inoana fa ny Teny ilay anjely nitondra matetika ny teniny tamin’ny olona, talohan’ny nidinan’i Jesosy teto an-tany. (Ge 16:7-11; 22:11; 31:11; Ek 3:2-5; Mpts 2:1-4; 6:11, 12; 13:3) Mety ho ilay Zanak’Andriamanitra na ny Teny koa ilay anjely nitarika ny Israelita tany an-tany efitra, satria ‘tao aminy ny anaran’i Jehovah.’​—Ek 23:20-23; jereo JESOSY KRISTY (Talohan’ny naha olombelona azy).

Mbola Mpitondra Tenin’ny Rainy, na ny Teny, i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany satria hoy izy: “Tsy araka ny nahim-poko no nitenenako, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko. ... Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny nolazain’ny Ray tamiko.”​—Jn 12:49, 50; 14:10; 7:16, 17.