Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Terafima

Terafima

(terafìma).

Sampy na andriamanitry ny fianakaviana. (Ge 31:30, 34) Amin’ny endriny milaza maro foana ny hoe “terafima”, nefa mety ho sampy iray koa. Nitovy bika sy habe tamin’olona angamba ny sampy sasany (1Sa 19:13, 16), nefa nisy koa kely kokoa ka antonona harom-behivavy teo amin’ny lasely. (Ge 31:34) Natao hitadiavana fambara ny terafima indraindray.​—Ezk 21:21; Za 10:2.

Izay nanana terafima no nandova ny fananam-pianakaviana, araka ny voka-pikarohana tany Mezopotamia sy ny faritra manodidina azy. Noresahin’ny takelaka iray hita tany Nouzi, ohatra, fa izay vinantolahy nanana ny andriamanitry ny fianakaviany no nanan-jo handova ny rafozany indraindray, ary afaka nitaky ny lovany tany amin’ny fitsarana mihitsy izy. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 219, 220, sy f.a.p. 51) Izany angamba no nahatonga an’i Rahely hieritreritra fa tsy maninona raha nangalariny ny terafiman’ny rainy, satria namitaka an’i Jakoba vadiny izy io. (Ampit. Ge 31:14-16.) Fantatr’i Labana koa fa tsy nanan-jo ho mpandova izay tsy nanana terafima, ka naniry mafy hahazo an’ireo terafimany izy. Nentiny niaraka taminy nandeha lalana fito andro àry ny rahalahiny mba hanenjika an’i Jakoba. (Ge 31:19-30) Tsy fantatr’i Jakoba anefa hoe nangalarin’i Rahely ireo terafima (Ge 31:32), sady tsy nieritreritra ny hampiasa an’ireo izy mba hahazoana ny lovan’ny zanak’i Labana. Tsy nanompo sampy mihitsy koa izy. Azo inoana fa tsy notehiriziny ireo terafima ireo fa naleviny teo am-pototr’ilay hazobe tany akaikin’i Sekema, niaraka tamin’ny andriamani-kafa rehetra nomen’ny ankohonany azy.​—Ge 35:1-4.

Nisy nampiasa terafima ny Israelita nanompo sampy, tamin’ny andron’ny Mpitsara sy ny mpanjaka. (Mpts 17:5; 18:14, 17, 20; Ho 3:4) Tsy nampiasaina hahazoana lova anefa izy ireny tany Israely, satria noraran’Andriamanitra ny fanaovana sary sokitra. (Ek 20:4) Nampitovin’i Samoela mpaminany tamin’ny fampiasana herin’ny maizina ny fampiasana terafima, ka miana-kendry izay mampiasa an’ireny, hoy izy. (1Sa 15:23) Nesorin’i Josia, mpanjaka tsara, tany Joda sy Jerosalema izy ireny sy ny zavatra hafa nampiasain’ny mpanompo sampy. (2Mp 23:24) Tsy tena nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo àry i Mikala, vadin’i Davida, matoa nanana terafima. Tsy fantatr’i Davida koa hoe nanana terafima i Mikala, na fantany ihany saingy noleferiny ilay izy satria zanakavavin’i Saoly Mpanjaka izy.​—1Sa 19:12, 13.