Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tesalonianina, Taratasy ho An’ny

Tesalonianina, Taratasy ho An’ny

Taratasy roa anisan’ny Soratra Grika Kristianina. Ireo angamba no taratasy voalohany nosoratan’ny apostoly Paoly. Nilaza izy fa izy no nanoratra azy ireo. (1Te 1:1; 2:18; 2Te 1:1; 3:17) Niaraka taminy i Silvano (Silasy) sy Timoty tamin’izay. (1Te 1:1; 2Te 1:1) Tany Korinto izy no nanoratra, satria tany izy telo mirahalahy no niara-nanompo nandritra ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly. Tsy tafaraka intsony mantsy izy ireo taorian’izay. (As 18:5) Nijanona herintaona sy tapany tany Korinto i Paoly. Toa tamin’ny faramparan’ny taona 50 izy no nanomboka nipetraka tany. Tokotokony ho tamin’izay àry izy no nanoratra ny taratasy voalohany ho an’ny Tesalonianina. (As 18:11; jereo FANISAN-TAONA [Ny andron’ny apostoly].) Mety ho taoriana kelin’izay izy no nanoratra ilay faharoa, angamba tamin’ny taona 51 tany ho any.

Ahitana ireo taratasy ireo daholo ny lisitra malaza misy ny boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina natao tamin’ny taonjato faharoa, fahatelo, ary fahefatra. Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly izy ireo, satria mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra ho tsara fitondran-tena foana. Asongadiny koa fa zava-dehibe ny vavaka. Tsaroan’i Paoly sy ny namany tamim-bavaka foana, ohatra, ireo Tesalonianina (1Te 1:2; 2:13; 2Te 1:3, 11; 2:13), izay nampirisihiny hoe: “Aza mitsahatra mivavaka. Misaora amin’ny zava-drehetra.” (1Te 5:17, 18) “Mivavaha foana ho anay, ry rahalahy.”​—1Te 5:25; 2Te 3:1.

Antony nanoratana ny Tesalonianina Voalohany. Vao niforona kelikely ilay fiangonan’i Tesalonika dia efa nenjehina. Nitory tao amin’ny synagoga nandritra ny Sabata telo i Paoly, raha vao tonga tany Tesalonika. Maro be no lasa mpino, ka niforona ilay fiangonana. Nisy Jiosy nafana fo tafahoatra anefa namory vahoaka. Tsy nahita an’i Paoly sy Silasy tao an-tranon’i Jasona ilay vahoaka nahery setra, ka notaritarihiny nankany amin’ny lehiben’ny tanàna i Jasona sy ny rahalahy sasany, satria nitaona olona hikomy, hono. Rehefa nanome “vola antoka” izy ireo vao navela handeha. Nalefan’ireo rahalahy ho any Beria àry i Paoly sy Silasy ny alin’iny, mba hiarovana an’ilay fiangonana sy ny ain’izy mirahalahy.​—As 17:1-10.

Tsy nenjehina fotsiny ilay fiangonana (1Te 2:14), fa toa nalahelo mafy koa satria nisy nodimandry ny Kristianina teo anivony. (4:13) Fantatr’i Paoly fa niaritra ny mafy ilay fiangonana vaovao ka mety ho kivy. Nirahiny hampahery sy hanatanjaka ny finoan’ireo Tesalonianina àry i Timoty. Efa indroa i Paoly no te hitsidika azy ireo, nefa “nosakanan’i Satana.”​—2:17–3:3.

Nahafaly sy nampahery an’i Paoly ny nahare tamin’i Timoty hoe tsy nivadika sy be fitiavana ireo Tesalonianina. (1Te 3:6-10) Noderain’i Paoly àry izy ireo (1:2-10; 2:14; 3:6-10), ary nampahereziny hoe mbola hitsangana ny maty. (4:13-18) Nila nampirisihina bebe kokoa hanohitra ny fahalemen’ny nofo anefa izy ireo. Nilaza àry i Paoly fa tokony hanao zavatra ankasitrahan’Andriamanitra foana izy ireo ary hanao izany bebe kokoa. (4:1, 2) Nampirisihiny koa izy ireo hifady ny fijangajangana (4:3-8), hifankatia bebe kokoa, hiasa amin’ny tanany (4:9-12), hifoha ara-panahy foana (5:6-10), hanisy fiheverana an’ireo niasa mafy teo amin’izy ireo, ‘hananatra ny tsy laitra fehezina, hanao teny mampahery ny kivy, hanohana ny malemy, hahari-po amin’ny olona rehetra’ ary ‘hifady ny ratsy amin’ny endriny rehetra’ (5:11-22).

Antony nanoratana ny Tesalonianina Faharoa. Nihanitombo be ny finoan’ireo Tesalonianina, nihalehibe ny fifankatiavany, ary tsy nivadika izy ireo na dia niaritra fanenjehana sy fahoriana aza. Noderain’i Paoly àry izy ireo, toy ny tao amin’ilay taratasiny voalohany ihany, ary nampirisihiny ho mafy orina foana.​—2Te 1:3-12; 2:13-17.

Nisy tamin’izy ireo anefa nanizingizina fa efa akaiky ny fanatrehan’i Jesosy Kristy. Taratasy toa avy tamin’i Paoly aza, hono, no nilaza hoe “efa tonga ny andron’i Jehovah.” (2Te 2:1, 2) Izany angamba no nahatonga an’i Paoly hanamafy hoe izy no nanoratra ilay taratasy faharoa. Hoy izy: “Ity no veloma nosoratan’ny tanako, izaho Paoly. Ary izy ity no famantarana ao amin’ny taratasy rehetra fa sora-tanako io.” (3:17) Tsy tiany ho voafitaky ny fampianaran-diso ireo rahalahy, ka nohazavainy hoe inona no hitranga vao ho tonga ny andron’i Jehovah. Hoy izy: “Tsy ho tonga izany raha tsy efa tonga aloha ny fivadiham-pinoana, ka haharihary ilay lehilahy mpandika lalàna.”​—2:3.

Mbola tsy voalamina ihany koa ny olana iray teo anivon’ilay fiangonana. Hoy mantsy i Paoly tao amin’ilay taratasiny voalohany: ‘Mampirisika anareo izahay, ry rahalahy, mba hataonareo tanjona ny hiaina amim-pilaminana, sy ny tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa, ary ny hiasa amin’ny tananareo, araka ny nandidianay anareo. Amin’izay dia hitondra tena tsara eo anatrehan’ny olona eny ivelany ianareo, ary tsy hisy hahory anareo.’ (1Te 4:10-12) Nisy anefa tsy nanaraka an’io torohevitra io. Nodidian’i Paoly àry izy ireny hiasa amim-pilaminana ka hihinana izay nisasarany. Hoy koa izy: “Raha misy tsy mankatò ny teninay ato amin’ity taratasy ity, dia mariho izany olona izany, ka tapaho ny fifaneraserana aminy mba ho menatra izy. Aza dia atao toy ny fahavalo anefa izy na izany aza, fa anaro hatrany toy ny rahalahy.”​—2Te 3:10-15.

[Efajoro, pejy 1021]

HEVITRA MISONGADINA: TESALONIANINA VOALOHANY

Fampaherezana sy torohevitra ho an’ilay fiangonana vaovao

Nosoratan’i Paoly tamin’ny taona 50 tany ho any, volana vitsivitsy taorian’ny nialany tany Tesalonika rehefa nirotahan’ny vahoaka

Noderaina ilay fiangonana (1:1-10)

Noderain’i Paoly ireo Tesalonianina noho ny finoany sy ny fiaretany

Tonga modely izy ireo satria nandray ny teny tao anatin’ny fahoriana sy fifaliana izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra

Notantaraina hatraiza hatraiza fa niala tamin’ny sampy izy ireo, ka nanompo an’ilay Andriamanitra velona sady niandry an’i Jesosy

Modely nomen’i Paoly tany Tesalonika (2:1-12)

Nalam-baraka tany Filipy i Paoly, nefa nomen’Andriamanitra hery ka sahy nitory tamin’ny Tesalonianina

Tsy nanao teny mandoka na nitsiriritra na nitady voninahitra

Tsy te ho enta-mavesatra, fa nalemy fanahy toy ny reny mampinono kosa ary nananatra toy ny ray be fitiavana

Nampirisihana hiorina mafy na dia nenjehina aza (2:13–3:13)

Noraisin’ny Tesalonianina ho tenin’Andriamanitra ny hafatra notorina taminy; nenjehin’ny mpiray tanindrazana taminy izy ireo; nenjehin’ny Jiosy sy nampijaliny koa ny Kristianina tany Jodia

Naniry mafy hahita an’ireo Tesalonianina i Paoly; nirahiny ho any àry i Timoty; nitondra vaovao tsara momba ny finoan’izy ireo izy rehefa niverina

Nivavaka i Paoly mba hitombo foana ny fitiavan’izy ireo

Anatra momba ny toe-tsaina sy fitondran-tena (4:1–5:28)

Ampifalio bebe kokoa Andriamanitra; fadio ny fijangajangana

Tiavo bebe kokoa ireo rahalahy; miasà amin’ny tananareo mba ho hitan’ny olona fa mitondra tena tsara ianareo

Mifampionòna amin’ny hoe ireo voahosotra efa maty no hitsangana voalohany ka ho tafaray amin’i Kristy mandritra ny fanatrehany; ho tafaray aminy any aoriana kosa ireo mbola velona

Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’i Jehovah; hisy fandringanana tampoka, rehefa misy milaza hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!”; aoka àry hifoha hatrany, ka hitafy ny finoana sy fitiavana ho fiarovan-tratra ary ny fanantenana famonjena ho fiarovan-doha

Asio fiheverana ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana; aoka ho tia fihavanana, hanao soa, hifaly mandrakariva, hisaotra, hamantatra tsara ny zava-drehetra, hifikitra amin’izay tsara, ary hifady ny ratsy

[Efajoro, pejy 1022]

HEVITRA MISONGADINA: TESALONIANINA FAHAROA

Nosoratana mba hanitsiana hevi-diso momba ny fanatrehan’i Kristy, sy hanoroana ny amin’izay tokony hatao amin’ireo tsy laitra fehezina

Nosoratan’i Paoly taoriana kelin’ny Tesalonianina Voalohany

Fanafahana rehefa haharihary i Kristy (1:1-12)

Noderaina ny Tesalonianina noho ny fiaretany sy ny finoany, na dia nenjehina sy nampahorina aza

Hafahana izy ireo rehefa haharihary i Kristy; handringana an’ireo tsy mankatò ny vaovao tsara i Jesosy Kristy sy ireo anjely mahery, ary homem-boninahitra miaraka amin’ny olony masina i Kristy

Enga anie ho mendrika ny fiantsoana ny Tesalonianina, ka homem-boninahitra eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesosy Tompo

Haharihary alohan’ny fanatrehan’i Kristy ilay lehilahy mpandika lalàna (2:1-17)

Tsy tokony hikorontan-tsaina na hientanentana ny Tesalonianina raha misy milaza hoe efa tonga ny andron’i Jehovah

Hisy fivadiham-pinoana aloha, ary haharihary ilay lehilahy mpandika lalàna; hanandra-tena ho ambony noho izay rehetra ivavahana izy, ka hiseho ho andriamanitra

Rehefa miala ilay misakana dia haharihary ilay tsy tan-dalàna; miaraka amin’ny fambara mandainga sy famitahana tsy marina ho an’ireo ho ringana ny fanatrehany

Hofoanan’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany izy io

Ny hatao amin’ireo tsy laitra fehezina (3:1-18)

Ialao ireo tsy laitra fehezina izay mitsofotsofoka amin’ny raharaha tsy mahakasika azy, sy ireo tsy manaraka an’ilay didy hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana”

Mariho izy ireo mba tsy hisy hifanerasera aminy, nefa anaro toy ny rahalahy mba hiova