Teta
[ט].
Litera fahasivy amin’ny abidy hebreo. Tononina hoe “t” izy io sady atohoka mafy amin’ny lanilany ny lela, saingy tsy toy ny manonona ny litera tav [ת] satria tsy mamoaka rivotra ny vava rehefa manonona azy. Samy manomboka amin’izy io ny andininy tsirairay ao amin’ny Salamo 119:65-72, amin’ny teny hebreo tany am-boalohany.