Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tetirazan’i Jesosy Kristy

Tetirazan’i Jesosy Kristy

Hita ao amin’ny Matio toko voalohany ny tetirazan’i Jesosy manomboka amin’i Abrahama, fa hita ao amin’ny Lioka toko faha-​3 kosa ny tetirazan’i Jesosy saingy miverina mankany amin’i “Adama zanak’Andriamanitra.” Ny tetirazan’i Jesosy ihany no tetirazana hita ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Hita ao amin’ny 1 Tantara toko 1-3 ny ampahany amin’ilay tetirazany, manomboka amin’i Adama, ary manonona an’i Solomona ka mitohy hatrany amin’i Zerobabela. Rehefa atambatra ireo tetirazana ao amin’ny Genesisy sy Rota, dia ny tetirazana manomboka amin’i Adama ka hatramin’i Davida no azo.

Mitovy be ny lisitra ao amin’ny Genesisy/Rota sy 1 Tantara ary Lioka, manomboka amin’i Adama ka hatramin’i Arpaksada. Mitovy koa ny lisitra ao amin’ny Genesisy/Rota sy 1 Tantara manomboka amin’i Adama ka hatramin’i Davida, fa ny lisitra nosoratan’i Lioka kosa manonona “Kenana” hafa eo anelanelan’i Arpaksada sy Sela.​—Lk 3:35, 36.

Mitovitovy ny lisitra ao amin’ny 1 Tantara sy Matio, manomboka amin’i Solomona ka hatramin’i Zerobabela, saingy misy anarana tsy hita ao amin’ny Matio. Hazavaina eo aoriana kokoa izany sy ny tsy fitovian’ny lisitra nataon’i Matio sy Lioka, manomboka eo amin’i Davida ka hatramin’i Jesosy.

Milaza ny lahatsoratra TETIRAZANA fa nanoratra tetirazana ny fianakaviambe maro, ary nitahiry tetirazana tao amin’ny arisivam-panjakana ny Jiosy. Afaka nikaroka tao amin’ireny arisiva ireny ireo mpanoratra tantara, toa an’i Ezra rehefa nanoratra tetirazana. Azo inoana koa fa mbola voatahiry tao amin’ny arisivam-panjakana ireny tetirazana ireny tamin’ny taonjato voalohany hatramin’ny taona 70. Tena zava-dehibe tamin’izy ireo ny hoe razamben’ny Mesia i Abrahama sy Davida. Azo antoka àry fa ireny tetirazana ireny no nampiasain’i Matio sy Lioka.

Azo antoka ireo tetirazana ao amin’ny Filazantsara. Nahoana i Matio no tsy nanonona ny anarana sasany hita ao amin’ny lisitra nataon’ireo mpanoratra tantara? Voalohany, tsy voatery hotanisaina ny olona tsirairay ao amin’ny tetirazana vao ho fantatra ny tena razamben’ny olona iray. Tsy nanonona ny anarana sasany ao amin’ny 1 Tantara 6:1-15, ohatra, i Ezra ao amin’ny Ezra 7:1-5, tamin’izy nanaporofo fa taranaka mpisorona izy. Mazava ho azy fa tsy nila nitanisa ny razambeny rehetra izy vao ho afa-po ny Jiosy. Tsy nila nitanisa ny anarana rehetra koa i Matio: Azo antoka fa ny arisivam-panjakana no nampiasainy ka tsy naka afa-tsy izay anarana nilainy izy mba hanaporofoana fa taranak’i Abrahama sy Davida i Jesosy. Sady afaka nikaroka tao amin’ny Soratra Hebreo mantsy izy no afaka nikaroka tao amin’ny arisiva ofisialy.​—Ampit. Rt 4:12, 18-22 sy Mt 1:3-6.

Anarana neken’ny Jiosy hoe tena marina no hita ao amin’ny lisitra nataon’i Matio sy Lioka. Tena fahavalon’ny Fivavahana Kristianina ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary ny Sadoseo, ka azo inoana fa ho nanala baraka an’i Jesosy izy ireo raha nahita hirika hanaovana izany. Ho nokianin’ireny fahavalo ireny avy hatrany, ohatra, ny tetirazana nosoratan’i Matio sy Lioka, raha nisy diso! Tsy nanakiana ny tetirazany mihitsy anefa izy ireo. Mbola afaka nikaroka tao amin’ny arisivam-panjakana mantsy izy ireo hatramin’ny taona 70 sady afaka nanamarina tao amin’ny Soratra Masina.

Raha nisy diso na nisy nifanohitra ny lisitra nataon’i Matio sy Lioka, dia ho nanakiana avy hatrany koa ireo mpanompo sampy fahavalon’ny Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Avara-pianarana toa an’ireo Jiosy voaresaka etsy aloha mantsy ireny mpanompo sampy ireny. Tsy misy fitantarana mihitsy anefa milaza hoe nahita hirika hanakianana ny lisitra nataon’i Matio sy Lioka izy ireny.

Samy nahatratra ny tanjony i Matio sy Lioka, rehefa niezaka nanaporofo fa taranak’i Abrahama sy Davida i Jesosy. Tsy nila nanao tetirazana vaovao izy ireo fa nandika fotsiny an’ireo efa tao amin’ny arisivam-panjakana, dia ireo tetirazana neken’ilay firenena fa marina, anisan’izany ny tetirazan’i Davida sy ny an’ny mpisorona ary ny an’olon-kafa. (Jereo Lk 1:5; 2:3-5; Ro 11:1.) Na nisy anarana tsy voatonona aza tao amin’ny arisiva, dia tratran’i Matio sy Lioka foana ny tanjony sy izay nokasainy, izany hoe ny hanome porofo araka ny lalàna sy neken’ny besinimaro fa i Jesosy no Mesia.

Tetirazana nosoratan’i Matio. Misy fizarana telo, ahitana taranaka 14 avy, ny tetirazana nosoratan’i Matio manomboka amin’i Abrahama ka hatramin’i Jesosy. (Mt 1:17) Nataony angamba izany mba ho mora tadidy ilay izy. Anarana 41 fa tsy 42 anefa no hita ao rehefa isaina ny anarana rehetra. Inona no mety ho nahatonga izany? Misy anarana 14 manomboka amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida. Manomboka amin’i Davida ny fizarana faharoa, izay misy anarana 14, ka i Josia no voatonona farany. Manomboka amin’i Jekonia (Joiakina) ary mifarana amin’i Jesosy ny fizarana fahatelo farany, izay misy anarana 14. Mariho fa naverin’i Matio ny anaran’i Davida eo amin’ny faran’ny fizarana voalohany sy eo amin’ny fiandohan’ny fizarana faharoa. Naveriny indroa koa ilay hoe “sesitany tany Babylona”, rehefa niresaka an’i Josia sy ireo zanany lahy izy.​—Mt 1:17.

Efa voalaza fa mety ho nandika fotsiny izay hitany tao amin’ny arisivam-panjakana i Matio, na koa mety ho ninia tsy nandika ny anarana sasany izy mba ho mora tadidy ny tetirazana nosoratany. Mpanjaka telo taranak’i Davida no tsy notononiny, dia izay teo anelanelan’i Jorama sy Ozia (Azaria). Nahoana? Angamba noho i Jorama nanambady an’i Atalia ratsy fanahy (zanakavavin’i Ahaba sy Jezebela), ka tsy tiany hotanisaina ho anisan’ny mpanjakan’ny Joda ireo taranaka voahelok’Andriamanitra ireo. (1Mp 21:20-26; 2Mp 8:25-27) Ao amin’io taranaka voaheloka io, dia i Jorama ihany no notononin’i Matio, fa ireo telo hafa (Ahazia, Joasy, Amazia) kosa tsy notononiny noho izy ireo zanaka azo avy tamin’ny fanambadiana olona mpanompo sampy.​—Ampitahao Mt 1:8 sy 1Ta 3:10-12.

Milaza i Matio fa zanak’i Sealtiela i Zerobabela (Mt 1:12), ary mifanaraka amin’ny andininy hafa izany. (Ezr 3:2; Ne 12:1; Hg 1:14; Lk 3:27) Milaza anefa ny 1 Tantara 3:19 fa zanak’i Pedaia i Zerobabela. Azo inoana fa zanaka naterak’i Pedaia izy. Zanak’i Sealtiela teo anatrehan’ny lalàna koa anefa izy, satria mety hoe maty i Sealtiela ka nitondra loloha ny vadiny i Pedaia ary niteraka an’i Zerobabela, na koa mety hoe i Pedaia rain’i Zerobabela no maty ary i Sealtiela no ray nitaiza azy.

Tetirazana nosoratan’i Lioka. Asehon’ny sora-tanana ananantsika fa notononin’i Lioka fanindroany ny hoe “Kenana”, eo anelanelan’i Arpaksada sy Sela. (Lk 3:35, 36; ampit. Ge 10:24; 11:12; 1Ta 1:18, 24.) Manam-pahaizana maro no mihevitra fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra izany. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ihany no manonona ny hoe “Kenana” eo anelanelan’i Arpaksada sy Sela, fa tsy ny Soratra Hebreo na ny Soratra Samaritanina, na ny Targoma na dikan-teny hafa. Toa tsy manonona azy io koa aza ny dikan-teny tranainy kokoa amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Io fandikan-teny io mantsy no narahin’i Josèphe, nefa i Seles (Sela) no anarana notononiny nanarakaraka ny hoe zanak’i Arfaksadesy (Arpaksada). (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 146 [vi, 4]) Samy nilaza i Irénée sy Eusèbe ary Jérôme, mpanoratra fahiny, fa teny nasisika io “Kenana” faharoa ao amin’ny fitantaran’i Lioka io.​—Jereo KENANA No. 2.

Nahoana no tsy mitovy ny tetirazan’i Jesosy Kristy nosoratan’i Matio sy Lioka?

Mora azo ny anton’izany satria i Lioka nitanisa ny razamben’i Jesosy avy tamin’i Natana zanak’i Davida, fa i Matio kosa avy tamin’i Solomona zanak’i Davida. (Lk 3:31; Mt 1:6, 7) Azo inoana hoe ny razamben’i Maria no nosoratan’i Lioka, ka noporofoiny fa tena taranak’i Davida tokoa i Jesosy. I Matio kosa nanaporofo hoe manan-jo ara-dalàna ho mpandova ny seza fiandrianan’i Davida i Jesosy satria taranak’i Solomona i Josefa rain’i Jesosy teo anatrehan’ny lalàna. Nasehon’i Matio sy Lioka fa tsy ray niteraka an’i Jesosy i Josefa fa ray nitaiza azy, ka nanome azy zo ara-dalàna ho mpandova. Novan’i Matio ny fomba fitanisany rehefa tonga teo amin’ny hoe Jesosy. Hoy izy: “Jakoba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria, ary i Maria niteraka an’i Jesosy, izay antsoina hoe Kristy.” (Mt 1:16) Mariho fa tsy nilaza izy hoe ‘Josefa niteraka an’i Jesosy’ fa hoe “Josefa vadin’i Maria, ary i Maria niteraka an’i Jesosy.” Mbola misy tsipiriany kokoa aza ny tenin’i Lioka. Nanazava aloha izy hoe Zanak’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Maria i Jesosy raha ny marina. (Lk 1:32-35) Avy eo izy nilaza hoe: “Jesosy ... ilay zanak’i Josefa, araka ny fiheveran’ny olona, ary Josefa zanak’i Hely.”​—Lk 3:23.

Tsy zanaka naterak’i Josefa i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra, ka noho izany ny tetirazan’i Jesosy nosoratan’i Lioka dia natao hanaporofoana fa taranak’i Davida izy satria i Maria no reny niteraka azy. Hoy i Frederic Godet momba ny tetirazan’i Jesosy nosoratan’i Matio sy Lioka: “Miaiky toy izao isika rehefa nandinika tamin’ny an-tsipiriany izay nosoratan’izy ireo: 1. Ny tetirazan’i Hely raiben’i Jesosy no nosoratan’i Lioka; 2. Rehefa ampitahaina ny razamben’i Jesosy avy tamin’i Hely sy ny razambeny avy tamin’i Josefa dia hita fa tsy mitovy. Tsy inona àry io tetirazana nosoratan’i Lioka io fa ny tetirazan’i Jesosy avy tamin’i Maria. Nahoana anefa i Lioka no tsy nanonona ny anaran’i Maria? Ary nahoana no ny raiben’i Jesosy no notononiny nanarakaraka an’i Jesosy? Tsy azoazon’ny olona fahiny mantsy ny manonona ny anaran-dreny ao amin’ny tetirazana. Tamin’ny Grika ny lehilahy dia zanaky ny rainy, fa tsy zanaky ny reniny; ary fomba fiteny teo amin’ny Jiosy ny hoe: ‘Genus matris non vocatur genus [“Ny zanaky ny reny dia tsy nantsoina hoe zanany”]’ (‘Baba bathra’, 110, a).”​—Fanazavana ny Lioka, 1981, p. 129.

Ny tetirazan’i Jesosy avy tamin’i Davida no nosoratan’i Matio sy Lioka, saingy ny iray tamin’ny alalan’i Solomona ary ny iray tamin’ny alalan’i Natana. (Mt 1:6; Lk 3:31) Lasa tsy mitovy ny lisitra nosoratan’i Matio sy Lioka rehefa tonga eo amin’i Solomona sy Natana, fa lasa mitovy indray rehefa tonga eo amin’i Sealtiela sy Zerobabela. Nahoana? Zanak’i Jekonia i Sealtiela. Angamba noho izy nanambady ny zanakavavin’i Nery ka lasa vinantolahiny, no nahatonga azy hantsoina hoe “zanak’i Nery.” Na koa mety hoe tsy nanan-janakalahy i Nery, ka i Sealtiela no natao hoe ‘zanany.’ Efa voalaza tany aloha fa noheverina ho zanak’i Sealtiela teo anatrehan’ny lalàna i Zerobabela zanak’i Pedaia.​—Ampit. Mt 1:12; Lk 3:27; 1Ta 3:17-19.

Asehon’ilay fitantarana avy eo fa nanan-janaka roa lahy i Zerobabela: I Resa sy Abihoda. Lasa tsy mitovy indray ny tetirazana nosoratan’i Matio sy Lioka rehefa tonga eo amin’izy roa lahy ireo. (Mety hoe tsy tena zanaka ireo fa taranaka, na vinantolahy ny iray aminy, fara faharatsiny. Ampit. 1Ta 3:19.) (Lk 3:27; Mt 1:13) Eo amin’ny anaran’izy roa lahy koa no lasa tsy mitovy amin’ny tetirazana nosoratan’i Matio sy Lioka ny tetirazana ao amin’ny 1 Tantara toko faha-3. Nahoana? Mety hoe satria nisy anarana maromaro ninian’i Matio nesorina, ary angamba nanao toy izany koa i Lioka. Mila tadidintsika anefa izao: Tena azo inoana fa efa tao amin’ireo lisitry ny arisivam-panjakana ireo fahasamihafana ireo. Efa tao ireo ary nampiasain’ny Jiosy sy nekeny tanteraka. Tsy avy tamin’i Matio sy Lioka ireo fahasamihafana ireo.

Izao zavatra roa izao àry no ianarantsika avy amin’ny lisitra nataon’i Matio sy Lioka: 1) Tena Zanak’Andriamanitra i Jesosy sady tena mpandova an’ilay Fanjakana satria naterak’i Maria virjiny tamin’ny fomba mahagaga, ary i Maria kosa taranak’i Davida. 2) Mpandova teo anatrehan’ny lalàna koa i Jesosy satria taranak’i Davida sy Solomona tamin’ny alalan’i Josefa ray nitaiza azy. (Lk 1:32, 35; Ro 1:1-4) Raha nisy Jiosy ratsy fanahy niampanga an’i Jesosy ho zazasary, dia nandiso an’izany fiampangana izany izay nataon’i Josefa: Nampakatra an’i Maria ihany mantsy izy na dia fantany aza ny marina. Tsara laza koa izy sady anisan’ny taranaka mpanjaka, ka voaro i Maria rehefa nampakatra azy i Josefa.

[Tabilao, pejy 1024-1025]

TETIRAZAN’I JESOSY AO AMIN’NY BAIBOLY

Genesisy sy Rota

1 Tantara Toko 1, 2, 3

Matio Toko 1

Lioka Toko 3

Adama

Adama

Adama

Seta

Seta

Seta

Enosa

Enosa

Enosa

Kenana

Kenana

Kenana

Mahalalila

Mahalalila

Mahalalila

Jareda

Jareda

Jareda

Enoka

Enoka

Enoka

Metosela

Metosela

Metosela

Lameka

Lameka

Lameka

Noa

Noa

Noa

Sema

Sema

Sema

Arpaksada

Arpaksada

Arpaksada

Kenana

Sela

Sela

Sela

Ebera

Ebera

Ebera

Palega

Palega

Palega

Reo

Reo

Reo

Seroga

Seroga

Seroga

Nahora

Nahora

Nahora

Tera

Tera

Tera

Abrama (Abrahama)

Abrahama

Abrahama

Abrahama

Isaka

Isaka

Isaka

Isaka

Jakoba (Israely)

Jakoba

Jakoba

Jakoba

Joda (sy Tamara)

Joda

Joda (sy Tamara)

Joda

Pereza

Pereza

Pereza

Pereza

Hezrona

Hezrona

Hezrona

Hezrona

Rama

Rama

Rama

Arny (Rama?)

Aminadaba

Aminadaba

Aminadaba

Aminadaba

Nasona

Nasona

Nasona

Nasona

Salmona

Salmona (Salma, 1Ta 2:11)

Salmona (sy Rahaba)

Salmona

Boaza (sy Rota)

Boaza

Boaza (sy Rota)

Boaza

Obeda

Obeda

Obeda

Obeda

Jese

Jese

Jese

Jese

Davida

Davida

Davida (sy Batseba)

Davida

Solomona

Solomona

Natana1

Matata

Mena

Melea

Eliakima

Jonama

Josefa

Jodasy

Simeona

Levy

Matata

Joreima

Eliezera

Jesosy

Era

Elmadama

Kosama

Ady

Melky

Nery

Rehoboama

Rehoboama

Abia

Abia

Asa

Asa

Josafata

Josafata

Jorama

Jorama

Ahazia

Joasy

Amazia

Azaria (Ozia)

Ozia (Azaria)

Jotama

Jotama

Ahaza

Ahaza

Hezekia

Hezekia

Manase

Manase

Amona

Amona

Josia

Josia

Joiakima

Jekonia (Joiakina)

Jekonia

Sealtiela (Pedaia)2

Sealtiela

Sealtiela3

Zerobabela4

Zerobabela

Zerobabela

Resa

Joanana

Joda

Joseka

Semey

Matitia

Mata

Nagay

Esly

Nahoma

Amosa

Matitia

Josefa

Janay

Melky

Levy

Matata

Hely (rain’i Maria)

Abihoda

Eliakima

Azora

Zadoka

Akima

Elihoda

Eleazara

Matana

Jakoba

Josefa

Jesosy (zanaka notezaina)

Josefa (vinantolahin’i Hely)

Jesosy (zanakalahin’i Maria)

1 Tsy mitovy ny fitanisana manomboka eo amin’i Natana: I Lioka mitanisa ny razamben’i Jesosy avy amin’ny reniny fa i Matio kosa ny avy amin’ny rainy.

2 Azo inoana fa zanaka naterak’i Pedaia i Zerobabela. Zanak’i Sealtiela teo anatrehan’ny lalàna koa anefa izy, satria mety hoe maty i Sealtiela ka nitondra loloha ny vadiny i Pedaia, na koa mety hoe i Pedaia no maty ary i Sealtiela no nitaiza an’i Zerobabela.​—1Ta 3:17-19; Ezr 3:2; Lk 3:27.

3 Mety hoe vinantolahin’i Nery i Sealtiela zanakalahin’i Jekonia.​—1Ta 3:17; Lk 3:27.

4 Eo amin’i Sealtiela sy Zerobabela ireo lisitra ireo no mitovy, ary tsy mitovy indray izy ireo avy eo. Mety hoe mitanisa ny taranak’i Zerobabela avy amin’ny olona roa samy hafa mantsy ireo lisitra, na koa mety hoe vinantolahin’i Zerobabela i Resa na i Abihoda.