Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tibata

Tibata

(Tibàta) [Famonoana].

Tanàna tany avaratr’i Palestina. Tany i Davida no naka varahina be dia be, rehefa resiny tany Hamata i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba. Tokotokony ho 230 km tany avaratra avaratratsinanan’i Dana no nisy an’i Hamata. (1Ta 18:3, 8) Miresaka an’io ady nataon’i Davida io koa ny 2 Samoela 8:8, ary toa i Tibata ihany ilay Beta resahina ao. (Jereo BETA, II.) Misy milaza fa avy tamin’ny anaran’i Teba zanakalahin’i Nahora ny hoe Tibata. (Ge 22:24) Azo inoana fa teo amin’ilay lohasaha teo anelanelan’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona sy ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban) no nisy an’i Tibata, izay anisan’ny fanjakana aramianina tany Zoba. Hitan’ny mpikaroka fa nisy asa varahina natao tokoa tany Libanona fahiny, ary mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly izany.