Tiberiasy
(Tiberiàsy).
1. Tanàna naorin’i Heroda Antipasy tamin’ny taona 18 tany ho any, ary nampitondraina ny anaran’i Tiberio Kaisara, mpanjaka romanina tamin’izany andro izany. Mbola Tiberiasy (Teverya) ny anaran’izy io. Tokotokony ho 25 km any atsinanana avaratratsinanan’i Nazareta izy io, eo amin’ilay tany lavalava eo amin’ny morony andrefan’ny Ranomasin’i Galilia, izay 210 m any ambanin’ny haabon’ny Ranomasina Mediterane. Tokotokony ho 15 km avy ao Kapernaomy i Tiberiasy raha manaraka ny moron-drano, ary 9 km avy eo amin’ny toerana ivoahan’ny Reniranon’i Jordana avy ao amin’ny Ranomasin’i Galilia. Tao no nipetraka i Heroda lehibem-paritra. Nisy loharano mafana nalaza maromaro teo atsimo kelin’io tanàna io. Indray mandeha ihany izy io no resahina ao amin’ny Soratra Masina.—Jn 6:23; SARY, Boky Faha-2, p. 739.
2. Tiberiasy indraindray no niantsoana ny Ranomasin’i Galilia (Yam Kinneret), anarana nalaina avy tamin’ny anaran’ny tanànan’i Tiberiasy, izay teo amin’ny morony andrefan’ilay ranomasina.—Jn 6:1; 21:1.