Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tiberio

Tiberio

(Tiberìo).

Mpanjaka faharoa nifehy an’i Roma. Teraka tamin’ny 42 T.K. izy. I Tiberio Klaodio Néron no rainy, ary i Livia Drosila no reniny. Nisaraka tamin’ny reniny anefa ny rainy, tamin’izy telo taona, satria noteren’i Octavien (Aogosto) hanao izany. Nalain’i Octavien ho vady i Livia Drosila, avy eo. Rehefa maty i Tiberio Klaodio rainy, dia niara-nipetraka tamin-dreniny i Tiberio sy ny rahalahiny. Lasa mpanjaka i Octavien raikeliny, tatỳ aoriana, ary nantsoina hoe Aogosto. Rehefa lehibe i Tiberio, dia nanambady an’i Vipsania Agrippina. Tsy naharitra ela anefa ny fanambadian’izy ireo, satria noteren’i Octavien izy mba hisaraka tamin’ny vadiny ka hanambady an’i Jolia, zanakavavin’i Aogosto ary efa maty vady.

Tsy nifidy an’i Tiberio mba handimby azy i Aogosto, raha tsy efa maty daholo ireo olona tiany kokoa noho i Tiberio. Maty tamin’ny 17 Aogositra 14 A.K. (kalandrie gregorianina) i Aogosto. Tamin’ny 15 Septambra, dia neken’i Tiberio ny nanendren’ny Antenimieran-doholona azy ho mpanjaka. “Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara” no nanomboka nanao batisa i Jaona. Nanomboka tamin’ny Aogositra taona 28 ka hatramin’ny Aogositra 29 io taona faha-15 io, raha isaina nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Aogosto. Raha isaina nanomboka teo amin’ny fotoana nanambarana azy ho mpanjaka kosa izany, dia nanomboka tamin’ny Septambra taona 28 ka hatramin’ny Septambra 29.​—Lk 3:1-3.

Velona hatramin’ny Martsa taona 37 i Tiberio. Izy foana àry no mpanjaka nandritra ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany. Tena azo inoana àry hoe ny sariny no teo amin’ilay vola madinika fandoavan-ketra naseho an’i Jesosy, tamin’izy niteny hoe: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara.” (Mr 12:14-17; Mt 22:17-21; Lk 20:22-25) Nisy lalàna nanasazy an’izay nanao fahadisoana tamin’ny mpanjaka, tamin’izany. Nampian’i Tiberio izay voalazan’io lalàna io, ka lasa noheverina ho fahadisoana natao tamin’ny mpanjaka koa na dia ny fanaratsiana azy fotsiny aza, ankoatra an’izay mety ho fitaomana olona hikomy. Toa io lalàna io no nampiasain’ny Jiosy mba hanerena an’i Pontio Pilato hampamono an’i Jesosy. (Jn 19:12-16) Nanao ratsy tamin’ny Samaritanina i Pilato, ka nitaraina tamin’i Tiberio izy ireo ary nampiantso an’i Pilato tany Roma i Tiberio, tatỳ aoriana. Maty talohan’ny nahatongavan’i Pilato tany anefa i Tiberio, ary i Caligula no nandimby azy.

Nanana ny toetra tsarany sy ny toetra ratsiny, toy ny mpanjaka romanina rehetra, i Tiberio. Tsy nandany vola tamin-javatra lafo vidy be izy, ka nanana tahiry hampandrosoana ny fanjakany sy hampiasaina raha sendra nisy loza na fotoan-tsarotra. Olombelona ihany no fiheveran’i Tiberio ny tenany fa tsy andriamanitra. Tsy nanaiky homena anaram-boninahitra maro koa izy, ary tamin’ny ankapobeny dia i Aogosto (Octavien) no mpanjaka nasainy nivavahan’ny olona fa tsy ny tenany.

Betsaka lavitra anefa ny toetra ratsiny. Faran’izay mpiahiahy olona sy mpihatsaravelatsihy, ohatra, izy, ary be dia be ny olona nasainy novonoina nandritra ny fitondrany, ka namany taloha ny maro tamin’ireny. Nankany amin’ny mpanandro koa izy. Nanana trano lehibe tsara tarehy tany Capri izy, ary tany no nipetraka nandritra ireo folo taona farany niainany. Nanaram-po tamin’ny filan’ny nofo faran’izay mamoafady izy tany, ary nanana lehilahy maro fanaovany firaisana.

Tena tsy tian’ny olona i Tiberio, ka anisan’ireo nankahala azy ilay mpampianatra azy atao hoe Théodore Gadarenina, sy ny raikeliny, ary ny ankamaroan’ny vahoakany. Tsy nanaiky ny hanao azy ho andriamanitra ny Antenimieran-doholona, rehefa maty izy. Mihevitra àry ny manam-pahaizana sasany momba ny Baiboly fa i Tiberio ilay lazain’ny faminaniana hoe “olona iray hohamavoina”, izay hitsangana ho “mpanjakan’ny avaratra.”​—Da 11:15, 21.